Seminera
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6: Manakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy


“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6: Manakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6: Manakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Mpanjaka 16–25: Lesona 89

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6

Manakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Profile of a Young Woman in bright sunlight.

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra iorenan’ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa. Amporisiho izy ireo hamaky ireo fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy na hampiasa rakibolana mba hitadiavana ireo teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Mety ho loharanom-pitaovana tena manampy ny application Maîtrise de la doctrine. Ny mpianatra dia afaka mahita ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Manakatra

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra ataon’ny mpianatra rehefa tsy takatr’izy ireo ny andinin-tsoratra masina.

  • Efa namaky soratra masina iray ve ianao ka sahiran-tsaina mikasika ny dikan’izany, na dia efa avy namaky izany mihoatra ny indray mandeha aza angamba?

  • Manao ahoana ny fihetsikao rehefa mitranga aminao izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no faly ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miezaka manakatra ny soratra masina isika?

Ampio ireo mpianatra hahita fa tsy maninona raha tsy mahatakatra ny zavatra rehetra ao amin’ny soratra masina. Hazavao fa rehefa mandeha ny fotoana ary amin’ny alalan’ny fanaovana fanazaran-tena eo amin’ny fampiasana ireo fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana ny soratra masina dia hitombo ny fahafahantsika mahatakatra ny soratra masina.

Asehoy ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nohalalinin’ny mpianatra nandritra ny Testamenta Taloha. Asao ny mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina iray izay tiany ho takatra kokoa. Avy eo dia angataho ny mpianatra mba hamita ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto.

Sahanasa A: Andinin-tsoratra masina mifandray

Mitadiava soratra masina hafa izay mety hampitombo ny fahatakaranao ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao ampiasaina ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy mikasika ilay andalan-tsoratra masina. Azonao atao ihany koa ny mamantatra fotopampianarana iray ampianarina ao amin’ilay andalan-tsoratra masina ary mampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana soratra masina izay mampianatra misimisy kokoa momba izany fotopampianarana izany. Hevero ny hampifandray ireo soratra masina hafa hitanao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Azonao atao koa ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny fomba nanampian’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana ireo ny fahatakaranao ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Sahanasa B: Farito ireo teny

Tadiavo ireo teny ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy takatrao. Jereo ny famaritana ireo teny ireo ao amin’ireo loharanom-pitaovana misy. Azonao atao ny mijery ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny rakibolana ankapobeny. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na eo amin’ny sisiny tsy misy soratra ao amin’ny soratra masinao, na ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile ireo famaritana hitanao. Vakio indray ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo famaritana hitanao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny fomba nitomboan’ny fahatakaran’izy ireo ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Afaka mametraka fanontaniana toy izao ianao:

  • Ahoana no nampitomboan’ireo andinin-tsoratra masina mifandray hitanao ny fahatakaranao ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny famaritana ireo teny anao mba hahita ireo soratra masina ireo amin’ny fomba hafa?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hampiasa ireo fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana soratra masina ireo mandritra ny fandalinany manokana na mandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ny famerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manomana ireo mpianatra hampihatra izany ao anatina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Misafidiana iray amin’ireo sahanasa avy ao amin’ny “Sahanasa momba ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana” izay hita ao amin’ny tovana. Afaka mahita ny famariparitana ireo fitsipika ireo ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana Mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ianao.

Tsy mbola nianatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana vaovao ny mpianatra hatramin’ny Josoa 24:15. Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampihatra ny votoatiny izay nohalalinin’izy ireo vao haingana, izay mety hahitana ny 1 Samoela 3:4–10 na ny 1 Mpanjaka 19:9–13. Mba hampidirana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa izay afaka manampy ao amin’io rafi-tantara io. Anisan’ny ohatra amin’izany ny Jakoba 1:5–6; 2 Nefia 28:30; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity na amboary mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Nandritra ny fivorian’ny kilasin’ny Zatovovavy vao haingana dia naheno zatovovavy maro i Kelly izay nizara zavatra niainana manokana rehefa nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Faly i Kelly noho ny niainan’izy ireo izany, saingy tsy tsapany ho toy ny mandray fitarihana manokana avy amin’ny Fanahy Masina izany izy. Mahatsapa izy fa manana fanapahan-kevitra manan-danja horaisina sy mila fitarihana avy any an-danitra.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahasarotra ny famantaran’i Kelly fanambarana ho an’ny tena manokana?

    Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa olona isan-karazany izay azon’i Kelly angatahana fanampiana. Anisan’ny ohatra amin’izany ny ray na reny, na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na ny iray tampo iray, na ny namana iray. Asao ny mpianatra tsirairay hifidy anjara iray holalaovina. Angataho izy ireo hiomana ny hanampy an’i Kelly mba hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ilay anjara holalaoviny.

    Azonao atao ny mizarazara ny mpianatra ho vondrona araka izay anjara holalaovina nosafidin’izy ireo. Mba hisorohana ny fisian’ny vondrona lehibe dia azonao atao ny mamorona vondrona maromaro izay ahitana anjara holalaovina mitovy.

  • Inona no mety hozarainao amin’i Kelly? Ahoana no mety ho fomba hamporisihanao azy mba hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

    Raha mila fanampiana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady teny nambara manokana avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana Mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Azon’izy ireo atao koa ny mandalina ny “Fantaro fa dingana miantoana ny fahazoana fanambarana” ao amin’ny fizarana “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

    Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanomana valiny ihany koa.

  • Inona no azon’i Kelly atao mba hanaovana asa amim-pinoana mba hahazoana fitarihana avy amin’ Andriamanitra? Nahoana no mety hanampy azy ny fanaovana izany?

  • Inona no zavatra mety efa fantatr’i Kelly mikasika ny Ray any An-danitra sy ny drafiny sy ny fomba fifandraisany amin’ireo zanany? Ahoana no fomba mety hanampianao an’i Kelly hampihatra izany fahalalana izany eo anatrehan’ny toe-javatra iainany amin’izao fotoana izao?

  • Inona ny soratra masina, na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na loharanom-panampiana hafa ao amin’ny filazantsara izay azonao zaraina amin’i Kelly? Nahoana no afaka manampy azy izany loharanom-panampiana izany araka ny eritreritrao?

    Rehefa avy nomena fotoana hanomanana valinteny ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray mba mody hanao hoe Kelly izy. Angataho izy mba hisafidy ny karazan’olona izay hitodihany mba hahazoana fanampiana. Asao ny mpianatra izay nisafidy izany anjara holalaovina izany mba hizara ny zavatra nomaniny. Ohatra, raha toa ka nilaza ilay mpianatra manao Kelly fa hitodika any amin’ny ray aman-dreniny izy dia afaka mizara ny zavatra nomaniny ho an’i Kelly ny mpianatra izay niomana ny hamaly amin’ny maha-ray na reny azy.

    Raha ampy ny fotoana dia avereno amin’ny mpianatra hafa manao Kelly ilay fanazaran-tena. Afaka misafidy mpianatra milalao anjara hafa io mpianatra io mba hizara ny valinteny nomaniny.

    Aorian’ilay filalaovana an-tsehatra dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany.

  • Inona no nianaranao momba ny fandraisana fitarihana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Inona no nianaranao momba ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina toe-javatra iray izay atrehan’izy ireo. Asao izy ireo hanao zavatra androany mba hampiharana ny iray na ny maromaro amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’izany toe-javatra izany. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo mpianatra eo anatrehan’ireo fanambin’ny tena manokana rehefa mitodika any amin’ Izy ireo izy ireo mba hahazoana fitarihana.