“2 Tantara 14–20; 26; 30: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Tantara 14–20; 26; 30: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Tantara 14–20; 26; 30
2 Tantara 14–20; 26; 30
Topimaso ankapobeny
Nitady ny Tompo nandritra ny fotoana nisian’ny filaminana sy ny fotoan-tsarotra i Asa Mpanjaka, izay mpanjaka fahatelon’i Joda. Na dia nihozongozona aza ny finoan’i Asa taty aoriana dia tsy vitan’ny nitady ny Tompo fotsiny i Josafata zanany lahy fa nanampy koa ny vahoakany hiverina amin’ny Tompo. Vokatr’izany, rehefa nanafika an’i Joda ny Amonita sy ny hafa dia niady ny adin’izy ireo ny Tompo.
Amporisiho ny mpianatra ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro. Ny fianarana ny tenin’ny Tompo isan’andro ao amin’ny soratra masina no fototra iorenan’ny fianarana ny filazantsara amim-pahavitrihana sy amim-pahaleovan-tena izay atao mandritra ny fiainana. Ny fomba iray hamporisihana ny fandalinana isan’andro dia ny fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny fandalinan’ny tenany manokana ny soratra masina sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina amin’ny traikefa ao an-dakilasy. Hita ao amin’ny Lesona 91: “2 Tantara 17–20” ny ohatra iray maneho izany. Mba hianarana misimisy kokoa, dia jereo “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa ho lasa mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022]).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
2 Tantara 14–16
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao drafitra hitadiavana ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ireo fomba ahafahan’izy ireo mitady ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fitaovana haseho: Zavatra vitsivitsy izay tsy mitovy ny hasarobidiny, toy ny pensilihazo, enti-mody iray manan-danja asaina atao, finday iray, fanomezana avy amin’ny olona akaikin’ny fo iray sy ny sisa.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra:Tahadikan’ny Ho Zatovo Mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022)
-
Horonan-tsary: “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo” (5:49) manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:00 ka hatramin’ny 3:29
2 Tantara 17–20
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hianatra hitady ireo fitsipiky ny filazantsara avy ao amin’ny soratra masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany tao anatin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Afaka ny ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara fitsipika iray izay hitany izy ireo sy ny fomba hanampian’izany azy ireo.
-
Sary: Olona iray mihanika vatolampy