“2 Tantara 17–20: Mitady fitsipika ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Tantara 17–20: Mitady fitsipika ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Tantara 14–20; 26; 30: Lesona 91
2 Tantara 17–20
Mitady fitsipika ao amin’ny soratra masina
Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no azonao atao mba hanakaikezana kokoa an’i Jesoa Kristy? I Josafata mpanjaka ao amin’ny Testamenta Taloha dia ohatra iray lehibe teo amin’ny fanaovana izany. Nanalavitra an’ Andriamanitra ny vahoakany ary tafalatsaka tamin’ny fitsaohana sampy. Nisafidy ny hanaraka an’i Jehovah i Josafata ary nanampy ny vahoakany hanao toy izany koa. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra hamantatra ireo fitsipiky ny filazantsara avy ao amin’ny soratra masina.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany tao anatin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Afaka ny ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara fitsipika iray izay hitany izy ireo sy ny fomba hanampian’izany azy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Vatofantsika fiarovana
Asehoy ity sarin’olona iray mihanika vatolampy manaraka ity.
-
Raha te hihanika hantsambato iray ianao dia inona no fitaovana hilainao?
-
Nahoana no ilaina izany fitaovana izany?
-
Raha ampitahaintsika amin’ny fihanihana hantsambato ny fiainantsika dia inona no nomen’ny Tompo anao mba hanampiana anao hahomby soa aman-tsara.
Mety hizara valinteny isan-karazany ny mpianatra. Rehefa manao izany izy ireo dia isaory noho ny valinteniny, ary anontanio hoe nahoana no hanampy ireo zavatra ireo. Ity valiny manaraka ity no hifantohan’ity lesona ity.
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Izaho sy ianao dia afaka manana fahatokiana eo amin’ny fanatratrarana tanjona mendrika eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fahatakarana sy ny fanarahana tsy tapaka fitsipika marina izay mifototra ao amin’ny fahamarinana nambara.
Ireo fitsipika dia vatofantsika fiarovana. Izy ireo dia toy ny vatofantsika vy mahery izay ampiasain’ireo mpihanika tendrombohitra mba hahafahana mihanika hantsambato izay tsy ho vita ny mihanika azy raha amin’ny fomba hafa. Hanampy anao hanana fahatokian-tena eo anatrehan’ireo toe-javatra vaovao sy tsy mahazatra izy ireo. Hanome fiarovana anao izy ireo eo anatrehan’ny tafio-drivotry ny fahoriana eo amin’ny fiainana. (“The Power of Correct Principles,” Ensign, May 1993, 32)
Ny iray amin’ireo fomba nanomezan’ny Ray any An-danitra antsika tamim-pitiavana ireo fitsipika marina dia tamin’ny alalan’ny soratra masina. Rehefa mandalina soratra masina isika, dia mikatsaka ny mba hahita ireo fitsipika na teny nambara mifono fahamarinana izay afaka manampy antsika eo amin’ny fiainantsika.
Mety hanampy ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina ny fahaizan’izy ireo mitady ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina amin’izao fotoana izao. Ity misy fomba iray hanaovana izany.
Makà fotoana hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Hatraiza ny fahatokiako ny fahaizako mamantatra fitsipika?
-
Manao ahoana ny fahatakarako ny fahafahan’ireo fitsipika manampy ahy eo amin’ny fiainako?
Rehefa mandalina ity lesona momba ny fiainan’i Josafata ity ianao dia katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hamantarana ireo fitsipika marina izay afaka manampy anao.
Ireo fitsipika avy amin’ny fiainan’i Josafata
Taorian’ny nahafatesan’ny rainy dia lasa mpanjakan’i Joda i Josafata. Samy nanalavitra ny Tompo Jesoa Kristy i Isiraely sy i Joda. Nitsaoka andriamantra tsy izy izy ireo.
Vakio ny 2 Tantara 17:3–4; 19:4, ary jereo ny zavatra ianaranao momba an’i Josafata. (Fanamarihana: Ny hoe Bala dia ilazana ireo andriamanitra tsy izy.)
-
Inona no manaitra anao momba an’i Josafata?
Rehefa tonga teo amin’ny fahefana i Josafata dia efa niaina tao anatin’ny apôstazia ny vahoakany. Nanao ezaka maro nanerana ny fanjakany i Josafata mba hanampiana ny vahoakany hanaraka an’i Jehovah (Jesoa Kristy). Nandritra izany fotoana izany dia tonga mba hiady amin’ny vahoakany ireo fahavalon’i Josafata. Ny zavatra nitranga tao anatin’ireo toe-javatra ireo dia maneho fitsipika isan-karazany.
Hevero ny hanazava ity fahaiza-manao iray eo amin’ny fandalinana manaraka ity mba hamantarana ireo fitsipika.
Ny fomba iray hamantarana fitsipika iray dia amin’ny alalan’ny fomba ifandraisan’ny zavatra anankiroa. Ohatra: noho ny A, dia mitranga ny B. Na satria nanao ny A ilay olona, dia mampanantena na manome ny B ny Tompo.
Asaivo vakin’ny iray kilasy ireto andininy manaraka ireto mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampiasa ilay fahaiza-manao.
Vakio ny 2 Tantara 17:6 sy ny 19:3, ka tadiavo ireo fitsipika teo amin’ny fiainan’i Josafata. (Fanamarihana: ny fitoerana avo sy ny Aseraha dia toerana hitsaohana andriamani-kafa.)
Ireo fitsipika sasantsasany mety ho hitan’ny mpianatra dia ny hoe:
-
Rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’ Andriamanitra isika, dia afaka manala mora kokoa ny ratsy eo amin’ny fiainantsika (jereo ny 2 Tantara 17:6).
-
Rehefa esorintsika eo amin’ny fiainantsika ny ratsy dia vonona kokoa ny hitady an’ Andriamanitra isika (jereo ny 2 Tantara 19:3).
-
Nahoana no manampy ireo fitsipika ireo?
Rehefa avy niaraka namantatra fitsipika avy tao amin’ireo andininy teo aloha ny iray kilasy, dia asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hamantatra fitsipika ao anatina vondrona kely na hitady izany samirery. Angataho izy ireo mba hampiasa ireto andininy manaraka ireto.
Vakio ny 2 Tantara 20:1–9, 14–17, 20–22, ka tadiavo ireo fitsipika marina fanampiny.
Ireo fitsipika sasantsasany mety ho hitan’ny mpianatra dia ny hoe:
-
Rehefa mifady hanina sy mivavaka mba hahazo famonjena isika dia hiaraka amintsika ao anatin’ireo olantsika ny Tompo (jereo ny 2 Tantara 20:1–4, 14–17).
-
Rehefa mitady ny Tompo ao amin’ny tempoliny isika dia hihaino antsika sy hanampy antsika Izy (jereo ny 2 Tantara 20:9).
-
Rehefa mino ny Tompo sy ny mpaminaniny isika dia hiroborobo (jereo ny 2 Tantara 20:20).
-
Rehefa midera ny Tompo amin’ny alalan’ny hira isika dia hotahiny (jereo ny 2 Tantara 20:21–22).
Raha toa ka sahirana eo amin’ny famantarana ireo fitsipika ny mpianatra dia hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fitsipika etsy ambony na izy rehetra . Asao ny mpianatra hamantatra ireo andininy nohalalinina izay mampianatra ny fitsipika tsirairay.
Manakatra fitsipika
Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia afaka mampiasa ireo fitsipika etsy ambony ny mpianatra na afaka mampiasa fitsipika iray izay nianaran’izy ireo vao haingana tao anatin’ny fandalinany manokana na fandalinan’ny mpianakavy.
Misafidiana fitsipika iray izay tianao hianarana bebe kokoa ny mikasika azy. Manomàna lahateny maharitra roa minitra mikasika io fahamarinana io izay ahitana izao manaraka izao:
-
Andininy iray na maro izay novakinao tao amin’ny 2 Tantara momba io fitsipika io sy ny antony nisafidiananao izany
-
Soratra masina hafa na teny hafa avy amin’ireo mpaminany izay manampy anao hahatakatra io fitsipika io
-
Fotoana iray izay nanazavan’ny Mpamonjy na olona hafa tao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana izay maneho ohatra io fitsipika io
-
Fomba izay tsapanao fa ahafahan’io fitsipika avy amin’ny Tompo io manampy antsika na miaro antsika
-
Zavatra niainana iray tamin’ny fotoana nandraisanao na nandraisan’ny olona iray fantatrao andraikitra nifanaraka tamin’io fitsipika io sy izay fitahiana tonga avy amin’ny Tompo vokatr’izany
Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny lahateniny amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy na amina vondrona kely iray Na azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy vonona izay nandalina fitsipika samihafa mba hizara ny lahateniny amin’ny iray kilasy. Eo anelanelan’ny lahatenin’ny mpianatra tsirairay dia azonao atao ny manasa ny iray kilasy hizara izay mety ho fanamarihana na fanontaniana ananan’izy ireo momba ilay fitsipika nozarain’ilay mpianatra.
Ataovy izay hanomezana fotoana ampy ireo mpianatra mba hiomanany sy hizarany ny lahateniny maharitra roa minitra.
-
Raha avy amin’ny zavatra nianaranao androany dia nahoana no ilaina ny miezaka mitady ireo fitsipika izay nomen’ny Tompo antsika ao amin’ny soratra masina?
-
Ahoana no mety hampiasanao ny zavatra nianaranao androany ao anatin’ny fandalinan’ny mpianakavy atrehanao sy ny fandalinan’ny tena manokana ataonao?
Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fampifandraisana manokana amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny soratra masina. Ilay fanontaniana teo aloha dia ohatra iray mikasika ny famporisihana ny mpianatra mba hampifandray ny zavatra nianarany tao amin’ny seminera amin’ny fandalinana ataon’izy ireo any an-trano. Azonao atao ny mitady fomba hafa hanaovana izany. Azonao anontaniana koa hoe ahoana ny fomba ifandraisan’ny zavatra ianaran’izy ireo any an-trano sy ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny seminera. (Mba hahazoana fanofanana fanampiny mikasika izany dia jereo ny “Mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka amin’ny fianakaviana, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)