“Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8
Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8
Topimaso
Tany ho any amin’ny taona 587 talohan’i J.K. dia nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babyloniana ka nandrava ny tempoly ary nitondra Jiosy babo maro nankany Babylona. Maro tamin’ireo Jiosy no niverina tany Jerosalema, am-polo taonany maro taty aoriana, ary nandresy ireo sakana tamin’ny fanorenana indray ny tempoly sy ny manda nanodidina an’ny Jerosalema.
Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Ny mivavaka ho an’ny mpianatrao amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo dia afaka manampy anao hiomana handray fitaomam-panahy mba hanampiana ny tsirairay ao amin’ny kilasinao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha hianatra misimisy kokoa momba izany dia jereo ny “Nivavaka ho an’ireo izay nampianariny ny Mpamonjy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Raha mila fanofanana fanampiny ianao dia jereo ny “Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Ezra
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiomana ny hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitry ny zavatra azony hatao ao anatin’ny fotoana fohy sy ao anatin’ny fotoana maharitra mba hiomanany hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly. Azon’izy ireo atao avy eo ny mandalina ny mety ho vokatr’izany fiomanana izany amin’ny zavatra hiainany ao amin’ny tempoly.
-
Sary: Tempolin’ny Salt Lake nanodidina ny fotoana voalohany nanokanana azy
-
Horonan-tsary: “Hearts, Love, and the Temple” (24:33) manomboka amin’ny marim-potoana 21:46 ka hatramin’ny 24:05
-
Taratasy zaraina: “Miomana hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly”
-
Votoatin-kevitra haseho: Fanontaniana any amin’ny faran’ny lesona
Nehemia
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hifantoka amin’ny asa nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo mba hataony.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny lisitra ahitana zavatra telo tsapany fa tian’ny Ray any An-danitra hifantohany: iray ho an’ity herinandro ity, ny iray ho an’ny taona vitsivitsy manaraka ary ny iray ho an’ny fiainany any aoriana any. Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ny mpianatra efa nandray ny tsodranon’izy ireo manokana avy amin’ny patriarika mba hamerina hamaky izany indray alohan’ny hanaovany izany lisitra izany.
-
Horonan-tsary: “Concernant les choses qui ont le plus d’importance” (1:42); “Ny Faniriana marin’ny fanahy” (3:28)
-
Votoatin-kevitra haseho: Teny nambara roa nataon’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf; torolalana ho an’ny sahanasa fandalinana
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy fotsy ampy ho an’ny vondrona mpianatra vitsivitsy mba samy hanana ny tsirairay