“Nehemia: -Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Nehemia: -Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: Lesona 93
Nehemia
“Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho”
Nanome fitaomam-panahy an’i Nehemia mba hiaro ny olony amin’ny fanorenana indray ny manda manodidina an’i Jerosalema Andriamanitra. Nila nandresy fandrahonana sy fandrebirebena tsy nitsahatra i Nehemia sy ny vahoakany mba hamitana izany asa izany. Nomen’ Andriamanitra asa manan-danja ihany koa isika, ary mety handalo fotoan-tsarotra ihany koa amin’ny fanatanterahana izany. Ity lesona ity dia natao hamporisihina ny mpianatra hifantoka hatrany amin’ny asa nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo mba hataony.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny lisitra ahitana zavatra telo tsapany fa tian’ny Ray any An-danitra hifantohany: iray ho an’ity herinandro ity, ny iray ho an’ny taona vitsivitsy manaraka ary ny iray ho an’ny fiainany any aoriana any. Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ny mpianatra efa nandray ny tsodranon’izy ireo manokana avy amin’ny patriarika mba hamerina hamaky izany indray alohan’ny hanaovany izany lisitra izany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ireo zavatra mahavariana
Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ireo zavatra izay mety hisarika ny sain’izy ireo tsy hanao ny asan’ Andriamanitra. Mba hanatanterahana izany dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Doing What Matters Most” (1:42), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na azonao atao koa ny mizara ny fampahalalana ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ary mampiseho ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf etsy ambany, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.
Taona maro lasa izay raha niomana hametraka ny fiaramanidina iray ireo mpanamory fiaramanidina dia tsy nirehitra ny jiro kely iray tao amin’ny fanamoriana. Variana tamin’ilay jiro ny ekipan’ny mpanamory ary tsy nahita fa nidina tany amin’ny honahona ilay fiaramanidina. Nianjera ilay fiaramanidina ary nahafaty olona maherin’ny 100.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra lesona manan-danja avy amin’izany loza izany:
Tsy nisy olana mekanika ilay fiaramanidina. Nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra—afa tsy zavatra iray: jiro tokana may. Ity jiro kely ity—izay tsy mihoatra ny 20 centimes ny vidiny—no niantombohan’ny toe-javatra izay niteraka loza nahafaty olona 100 mahery.
Mazava ho azy fa tsy ilay jiro tsy nandeha no niteraka ilay loza; ny nahatonga izany dia ny fifantohan’ny ekipan’ny mpanamory tamin’ny zavatra izay noheverin’izy ireo fa manan-danja tamin’izany fotoana izany ka nanadinoany ny zavatra izay tena nanan-danja indrindra.
Tsy ny mpanamory fiaramanidina ihany fa ny rehetra ihany koa no tratran’ny fironana amin’ny fifantohana amin’ny zavatra maivan-danja mihoatra amin’ny zavatra manan-danja. Samy mety ho tratran’izany avokoa isika rehetra. (“Asa lehibe no ataontsika, ka tsy afa-midina isika,” Liahona, mey 2009, 59)
Entano ny mpianatra hizara ny heviny mikasika ny fampiharana ny hafatry ny Filoha Uchtdorf eo amin’ny fiainantsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.
Azonao atao avy eo ny mampiseho ity teny nambara manaraka ity ary mangataka ny mpianatra hamaky izany mangina. Amporisiho izy ireo hangataka amin’ny Ray any An-danitra hitarika azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy mba hahatakarany ny fampiharana izany hafatra izany eo amin’ny fiainany manokana. Afaka manoratra ny heviny ao amin’ny diary fandalinany izy ireo.
Dia nanohy ny Filoha Uchtdorf:
Mijanòna kely ary hevero hoe aiza ny fo sy ny sainao. Mifantoka amin’ny zavatra tena manan-danja ve ianao? Ny fomba handanianao ny fotoana manginanao manokana dia mety hampahafantatra izany anao. Aiza no alehan’ny sainao rehefa tsy eo intsony ny fotoana maika mila enjehina? Mifantoka amin’ireo zavatra maika sy mandalo izay tsy manan-danja afa-tsy amin’izany fotoana izany ihany ve ny saina sy ny fonao sa amin’ireo zavatra manan-danja indrindra? (“Asa lehibe no ataontsika, ka tsy afa-midina isika,” Liahona, mey 2009, 60)
Ny asan’i Nehemia
Azavao amin’ny mpianatra fa ny Isiraelita iray antsoina hoe Nehemia dia mpanompon’i Artaksersesy. Maro tamin’ireo Israelita no efa niverina tany Jerosalema taona maro teo aloha mba hanangana indray ny tempoly. Ren’i Nehemia fa mandalo fandrahonana fanafihana izy ireo satria ny manda sy vavahady miaro manodidina an’i Jerosalema dia rava.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamita ity sahanasa manaraka ity ao anaty vondrona kelikely. Amporisiho ny vondrona tsy ho maika hamita ireo dingana fa hanokana fotoana tsara ary hianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Nehamia. Mba hanampiana ny vondrona hampitovy ny fotoana ampiasaina dia dingana iray amin’ireo torolalana isaky ny mandeha ihany aseho. Omeo fotoana ampy ny vondrona tsirairay hamitana izany dingana izany alohan’ny hampisehoana ny dingana manaraka.
-
Vakio ny Nehemia 1:1–4; 2:1–6, 11–12, 17–18. Tadiavo ireo zavatra mampiseho fa fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra ilay fanirian’i Nehemia hanarina ny mandan’i Jerosalema ary ifanakalozy hevitra ny momba izany.
-
Soraty amin’ny taratasy madio ny zavatra telo angatahan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny amin’ireo tanora Olomasin’ny Andro Farany mba hifantohan’izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny famerenana fohy ny lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany.
Mifanakaloza taratasy amin’ny vondrona hafa avy eo ary ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny vondrona misy anao ny zavatra nosaratan’izy ireo. (Fanamarihana: Tazomy ilay taratasin’ny vondrona hafa. Hanampy zavatra amin’izany ianao amin’ny dingana faha efatra amin’ity sahanasa ity.)
-
Vakio ny Nehemia 2:19; 4:1, 7–8 ary jereo ny fihetsik’ireo fahavalon’ny Jiosy manoloana ny asa nomen’ Andriamanitra azy ireo. Ifanakalozy hevitra ny tetikady ampiasain’i Satana tahaka izany amin’izao fotoana izao mba handrebirebena antsika tsy hifantoka amin’izay asa angatahan’ Andriamanitra ataontsika.
-
Soraty eo akaikin’ireo zavatra telo nosoratan’ilay vondrona iray hafa tao anaty taratasy ny zavatra mahavariana na zava-tsarotra mety hahatonga ny tanora hanana olana amin’ny fifantohana amin’ny asa nomen’ Andriamanitra azy ireo amin’ny alalan’ny mpaminaniny.
-
Vakio ny Nehemia 4:9, 14–20 ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranao avy amin’ny vahoakan’i Nehemia mikasika ny fandresena ireo zavatra mahavariana sy zava-tsarotra manoloana ny famitana ny asa nomen’ny Ray any An-danitra antsika.
-
Avereno amin’ilay vondrona tany am-boalohany ny taratasy. Vakio ary ifanakalozy hevitra ny zavatra mahavariana sy zava-tsarotra nosoratan’ireo vondrona hafa tao amin’ny taratasinareo. Ifanakalozy hevitra ny fomba hahafahan’ny olona mandresy izany ary hahafahana mifantoka amin’ny asa nomen’ Andriamanitra ny tanora amin’ny alalan’ny mpaminaniny.
-
Fintino amin’ny fehezan-teny iray izay nianaranao na tsapanao mikasika ny fanaovana ny asa nomen’ny Ray any An-danitra antsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.
Rehefa vita ny sahanasa dia amporisiho izay mazoto hizara amin’ny rehetra ny zavatra nianarany na tsapany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanondro famaharinana voasoratra eny amin’ny solaitrabe izay nosoratan’ny vondrona hafa ary hizara izay nianarany avy amin’izany. Rehefa mizara fahamarinana ny mpianatra, dia ampio izy ireo hifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe, “Inona no fampianarana na ohatra teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay manampy antsika hahatakatra kokoa izany fahamarinana izany?”
Fahamarinana mety ho nosoratan’ny vondrona ny hoe:
Amin’ny alalan’ny vavaka dia afaka mandray fiarovana sy hery avy amin’ Andriamanitra isika mba hamitantsika ny asany. (Nehemia 1:4; 4:9)
Hanampy ny mpanompony handresy ny fanoherana amin’ny famitana ny asany Andriamanitra. (Nehemia 4:20)
-
Amin’ny fomba ahoana ny zavatra nianaranao tao anatin’ity sahanasa ity no manampy anao hifantoka hatrany amin’ny asa nomen’ny Ray any An-danitra anao?
Ny horonan-tsary “Ny faniriana marin’ny fanahy” (3:28), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org dia afaka manampy ny mpianatra hahatsikaritra sy hifanakalo hevitra fa na ny zavatra tsara aza dia mety ho lasa fandrebirebena amin’ny fifantohana amin’ny asa manan-danja kokoa omen’ Andriamanitra antsika.
Fampiharana amin’ny tena manokana
Hazavao amin’ny mpianatra fa nokendren’ny fahavalony manokana i Nehemia. Nanandrana fomba maro izy ireo hanakanana azy tsy hanao ny asan’ Andriamanitra amin’ny fanarenana ny mandan’i Jerosalema. Tetikady iray nampiasain’izy ireo ny fisarihana azy hivoaka ny tanàna ho any amin’ny toerana ahafahan’izy ireo mandratra azy mora kokoa.
Asao ny mpianatra hamita mangina ity manaraka ity. Omeo fotoana malalaka izy ireo ary amporisiho hieritreritra hoe inona no fahatsapany mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra hamenoany ireo teny ambara.
Vakio ny Nehemia 6:1–4, 15–16 ary saintsaino izay nianaranao avy amin’ny valin-teny nasetrin’i Nehemia teo anatrehan’ireo fisarihan’ny fahavalony azy hiala amin’ny asan’ Andriamanitra. (Azonao asiana marika sy saintsainina ny mety ho dikan’ny andininy 3 eo amin’ny fiainanao.)
Fenoy miainga avy amin’ny zavatra eo amin’ny fiainanao manokana ireto teny nambara manaraka ireto. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 3 ny eritreritrao.
Mino aho fa tian’ny Ray any An-danitra aho mba hifantoka amin’ny .
Isan’ireo zavatra mahavariana na fahasarotana sasany mety hatrehako ny .
Fomba ahafahako mifantoka hatrany amin’ny asa nomen’ny Ray any An-danitra ahy ny .