“Estera: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Estera: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Estera
Estera
Topimaso
Taorian’ny nanaovan’ny Persiana fahirano ny fanjakana Babyloniana, dia nomena lalana hiverina tany Jerosalema ny Jiosy sasantsasany. Ny Jiosy hafa kosa dia nijanona tany Persia. Nandritra ny fanjakan’ny mpanjaka Ahasoerosy dia voafidy ho mpanjakavavy ny vehivavy Jiosy iray antsoina hoe Estera. Tsy nampahafantatra ny maha Jiosy azy tamin’ny mpanjaka i Estera. Nanao drafitra hamonoana ny Jiosy rehetra tao amin’ny fanjakana i Hamana, iray tamin’ny mpanolontsain’ny Mpanjaka. Naneho herim-po sy nanao vivery ny ainy tamin’ny fandehanana teo anatrehan’ny mpanjaka ary nanambara ny fikasan-dratsin’i Hamana i Estera, ary izany dia namonjy ny vahoakany.
Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Rehefa miezaka miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy isika dia tsy manaraka fitsipika fotsiny ihany fa manaraka an’i Jesoa Kristy mihitsy. Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny fitsipiky ny filazantsara rehetra. Rehefa mifantoka amin’ny ohatra tonga lafatra napetraky ny Mpamonjy isika dia manome fahafahana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mamporisika ny mpianatrao hanaraka Azy. Ho fianarana misimisy kokoa momba izany dia jereo ny “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6). Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ny ao amin’ny Lesona 95: “Estera, Fizarana 2.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Estera, Fizarana 1
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fomba ametrahan’ny Ray any An-danitra antsika ao anaty toe-javatra iray mba hanampiana Azy hanatanteraka ny asany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina amim-bavaka ny mety hanatontosan’ny Ray any An-danitra ny asany amin’ny alalan’izy ireo mandritra ity fampianarana seminera ity na any amin’ny paroasy na ny sampana, sekoly, tanàna na fianakaviana misy azy ireo.
-
Horonan-tsary: “Pray for Eyes to See as He Sees” (6:26) manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:23 ka hatramin’ny 4:54; “Ireo valim-bavaka” (12:39) manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:16 ka hatramin’ny 4:32
-
Votoatin-kevitra haseho: Solaitra filalaovana eseka (échec) sy ny piesy miaraka aminy na sarinà filalaovana eseka (échec)
Estera, Fizarana 2
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra handray dingana amim-pahasahiana mba hanao ny sitrapon’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hiomana hizara ohatra hitany tamin’ny olona fantany ka naneho fahasahiana mba hanaovany ny sitrapon’ny Tompo
-
Horonan-tsary: “Mahereza sy matanjaha” (16:18) manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:29 ka hatramin’ny 6:22; “Ho amin’izao andro izao mihitsy” (13:44) manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:12 ka hatramin’ny 9:41 sy 11:10 ka hatramin’ny 13:44; “Courage” (3:18)
-
Votoatin-kevitra haseho: Sarin’i Jesoa Kristy; Sarin’i Estera
Tombano ny fianaranao 6
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hanombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana niainany nandritra ny fandalinany ny 1 Mpanjaka 17–Estera.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara andalan-tsoratra masina izay manan-danja amin’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba hanampian’izany soratra masina izany azy ireo amin’ny fanarahany an’i Jesoa Kristy.
-
Votoatin-kevitra haseho: Ireo kisary ampiasaina mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny tanjony.