“Estera, Fizarana 2: -Raha tàhiny maty aho, dia maty,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Estera, Fizarana 2: -Raha tàhiny maty aho, dia maty,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Estera: Lesona 95
Estera, Fizarana 2
“Raha tàhiny maty aho, dia maty”
Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia ho avy ny fotoana ilantsika maneho herim-po, na dia tsy mitovy aza ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika. Naneho herim-po i Estera rehefa niantehitra tamin’ny Tompo teo am-piatrehana toe-javatra mety hiafara amin’ny fahafatesana mba hanavotana ny vahoakany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanana herim-po ka hanao ny sitrapon’ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hiomana hizara ohatra hitany tamin’ny olona fantany ka naneho fahasahiana mba hanaovany ny sitrapon’ny Tompo
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Antso mba hanana herim-po
Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fizarana zavatra niainana ahitana olona iray maneho herimpo, toy ity tantara manaraka ity.
Nizara ity tantara manaraka ity ny Filoha Thomas S. Monson:
Rehefa nanompo tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia aho tamin’ny Ady Lehibe Faharoa dia nahita izany hoe asa mendri-piderana, sy toe-javatra nisehoan’ny fahasahiana ary ohatra maneho herim-po izany. Ny iray tamin’izany izay tsy hohadinoiko velively dia ilay herim-po mangina nananan’ny tantsambo 18 taona iray—tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika—izay tsy mba menamenatra nivavaka. Tao anatin’ireo lehilahy miisa 250 tao anatin’ilay andian-tafika, dia izy irery ihany no nandohalika teo akaikin’ny fandriany isak’alina ary indraindray teo anivon’ny fandrabirabiana sy fananihaniana nataon’ireo tsy mpino. Nanondrika ny lohany izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra. Tsy mba natahotra velively izy. Tsy nisalasala velively. Nanana herim-po izy. (“Mahereza sy matanjaha,” Liahona, mey 2014, 67)
-
Iza no anarana tonga ao an-tsainao rehefa mahare ny teny hoe herim-po ianao?
-
Inona no trangan-javatra mety hilan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany maneho herim-po?
Mieritrereta trangan-javatra manokana, toy ny any am-pianarana, any an-trano, na miaraka amin’ny namana, izay ahatsapanao fa mila anao maneho herim-po bebe kokoa ny Ray any An-danitra. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany trangan-javatra izany.
Eo am-pandalinanao ny tohin’ny tantaran’i Estera dia angataho ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra fa afaka manampy anao hiatrika izany trangan-javatra izany amin-kerim-po ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ny herim-pon’i Estera
Mba hanampiana ny mpianatra hizara izay tsaroany mikasika ny tantaran’i Estera dia azonao atao ny mampiseho sarin’i Estera miaraka amin’ireto anarana manaraka ireto. Entano ny mpianatra hizara izay tsaroany mikasika ny olona tsirairay avy.
Estera
Mordekay
Ahasoerosy Mpanjaka
Hamana
Azonao atao ihany koa ny mampiseho horonan-tsary toy ny “For Such a Time as This” manomboka amin’ny 5:12 ka hatramin’ny 9:41. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ity famintinana manaraka ity dia azo ampiasaina amin’ny fanampiana antsipiriany manan-danja izay mety tsy tsaroan’ny mpianatra.
Lasa mpanjakavavin’ny Mpanjaka Ahasoerosy tao Persia i Estera. I Mordekay, mpiahy an’i Estera dia tsy nanaiky hiankohoka teo anatrehan’i Hamana, lehiben’ny mpanompon’ny mpanjaka. Tezitra ary nahazo lalana avy amin’ny mpanjaka handringana ny Jiosy rehetra tao amin’ny fanjakana i Hamana. Nangataka an’i Estera hiresaka amin’ny mpanjaka i Mordekay ary niteny azy fa mety “ho amin’izao andro izao mihitsy” (Estera 4:14) no nametrahan’ Andriamanitra azy teo amin’io toerany io.
Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana ity fanontaniana manaraka ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Estera 4:10–11.
-
Nahoana no mila herim-po lehibe ny manatona ny mpanjaka?
Vakio ny Estera 4:15–17, ary jereo ny herim-po nasehon’i Estera raha niomana hiatrika ny mpanjaka izy.
Azonao aseho ihany koa ny ambiny amin’ny horonan-tsary “For Such a Time as This” manomboka amin’ny kaodim-potoana 11:10 ka hatramin’ny 13:44.
Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ianareo dia tsara ny mampahatsiahy fa ny fankasitrahana ny fanamarihana ataon’ny mpianatra dia afaka manampy azy ireo hazoto kokoa handray anjara amin’ny manaraka.
-
Inona no zavatra nisongadina taminao momba an’i Estera?
-
Inona no fitsipika azontsika hianarana avy amin’ny andininy 15–17 izay mety afaka manampy antsika rehefa mila herim-po isika?
Isaory ny mpianatra ny amin’ny fitsipika manan-danja nozarainy. Azonao ampiana izy ireo hamantatra ireto fitsipika manaraka ireto, raha toa ka tsy mbola nisy niteny: Rehefa miantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho dia hanome herim-po ahy Izy Ireo.
-
Inona no porofo hitanao fa niantehitra tamin’ny Tompo i Estera? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izany azy?
Asa atao amin-kerim-po
Ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba nanomezan’ny Tompo an’i Estera herim-po hatrany.
Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely vitsivitsy na miaraka tsiroaroa. Omeo ny vondrona tsirairay na ny mpianatra mandeha tsiroaroa ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Na koa afaka mandalina an-dalan-tsoratra masina iray avy ny mpianatra tsirairay ao anaty vondrona iray ary miomana ny hifampizara ny momba izany.
Halalino ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ary jereo ny fomba nanehoan’i Estera herim-po.
-
Estera 5:1–4. Nanatona ny mpanjaka i Estera.
-
Estera 7:1–4. Niara-nisakafo i Estera sy ny mpanjaka ary i Hamana.
-
Estera 8:3–6. Niresaka tamin’ny mpanjaka mikasika ilay didy navoakany handringanana ny Jiosy i Estera.
Hifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Inona no maha fanehoana herim-po ny zavatra nataon’i Estera?
-
Inona, araka ny hevitrao, no zavatra tokony ho fantatry ny olona iray momba an’ Andriamanitra mba hahafahany manao safidy tahaka an’i Estera?
Asao izay mpianatra vonona hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozany hevitra.
Ny fanampiana ny mpianatra hametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fandalinany dia manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba Azy. Hanampy ny mpianatra hanana traikefa fandalinana ho an’ny tenany manokana kokoa sy mahery vaika kokoa izany. Fomba iray hanaovana izany ny fampifandraisana ny tantaran’i Estera amin’ny fiainana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.
(Raha mila fiofanana fanampiny ianao amin’ny fanampiana ny mpianatra hampifandray izay zavatra ianarany amin’ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy dia jereo ny “Antitratero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022], 5.)
Asehoy eny amin’ny solaitrabe ny sarin’iJesoa Kristy. Azonao atao ny mametraka ny iray na roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Mampahatsiahy anao mikasika ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana i Estera?
-
Inona avy ireo ohatra teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay nanehoany herim-po?
Mba hanomanana ny mpianatra hizara ny zavatra nolalovany manokana dia azonao atao ny mampiseho horonan-tsary toy ny “Having Courage and Trusting the Lord” (3:18), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
3:18 -
Oviana ianao na ny olona fantatrao no niantehitra tamin’ny Tompo dia notahiany ka nahazo herim-po?
Dingana noraisiko manokana tamin-kerimpo
Ireto soso-kevitra manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra izay nianarany avy tamin’ny tantaran’i Estera.
Saintsaino ilay trangan-javatra noeritreretinao tany am-piandohan’ny lesona. Mangataha fitarihana avy amin’ny Fanahy eo am-pisaintsainana ny fomba ahafahanao maneho herim-po sy miantehitra amin’ny Tompo ao anatin’izany trangan-javatra izany.
Avereno vakiana indray ny Estera 4:16 ary antitratero ireto teny ambara manaraka ireto: “… ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka na tsy araka ny lalàna aza, koa raha tàhiny maty aho, dia maty.”
Mba hanampiana ny mpianatra hanantitrantitra ilay teny ambara ao amin’ny andininy 16 dia azon’izy ireo atao ny manisy marika na mandoko izany raha tiany. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra izany indray ao amin’ny diary fandalinany ka mampiasa ireto tari-dresaka manaraka ireto.
Soraty amin’ny fombanao manokana izany teny ambara izany mba ahitana taratra ny fanolorantenanao haneho herim-po sy hiantehitra amin’ny Tompo ao anatin’ny toe-javatra misy anao. Mba hanampiana anao hanao izany dia hevero ny hameno ireto tari-dresaka manaraka ireto:
-
Ary amin’izany no (ilay dingana horaisinao mba hanehoana herim-po). Koa raha tàhiny (zavatra mety hitranga), dia (zavatra hataonao ho fianteherana amin’ny Tompo).
Mety hanampy ny fanomezanao ohatra toy ity manaraka ity:
Alaivo sary an-tsaina hoe tsapanao fa mitaky anao ny Ray any An-danitra mba hanana herim-po tsy hiteny ratsy sy tsy hanao teny mandratra intsony amin’ny namanao. Azonao atao ny mamerina manoratra ny Estera 4:16 hilazana ny hoe: “Ary amin’izany no tsy hampiasako intsony fiteny tsy mendrika, na dia rehefa misangisangy aza. Koa raha tàhiny hanesoeso ahy ny namako, dia hivavaka aho mba hahazoana tanjaka hiezahana hatrany.”
Manasà mpianatra maromaro manolo tena hizara izay zavatra nosoratany. Raha malalaka ny fotoana dia afaka mifanoro hevitra ny mpianatra mikasika ny trangan-javatra nifampizarany.
Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo momba ny herim-po. Asehoy ny fatokisanao ny fahaizan’ny mpianatra miatrika ny fanambin’izy ireo amin-kerim-po rehefa miantehitra amin’ny Tompo ka manao ny sitrapony izy ireo.