Seminera
Estera, Fizarana 1: Ho amin’izao andro izao mihitsy


“Estera, Fizarana 1: Ho amin’izao andro izao mihitsy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Estera, Fizarana 1: Ho amin’izao andro izao mihitsy,” Testamenta Taloha: Boky orolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Estera: Lesona 94

Estera, Fizarana 1

Ho amin’izao andro izao mihitsy

Mormon Messages: Having Courage & Trusting the Lord: Stand Up for What You Believe In

Efa nanontany tena ve ianao momba ny antony nitarihan’ny Ray any An-danitra anao eo amin’io toerana misy anao ankehitriny, amin’izao fotana izao, ary inona no asa tiany hataonao? Ilay vehivavy kamboty Jiosy antsoina hoe Estera dia mety nanana fanontaniana toy izany ihany koa. Ny fambaboana an’i Estera tany Persia dia nametraka azy teo amin’ny toerana nahafahany nanampy ny Tompo tamin’ny famonjena ny Jiosy vahoakany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fomba ametrahan’ny Ray any An-danitra antsika ao anaty toe-javatra iray mba hanampiana Azy hanatanteraka ny asany.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina amim-bavaka ny mety hanatontosan’ny Ray any An-danitra ny asany amin’ny alalan’izy ireo mandritra ity fampianarana seminera ity na any amin’ny paroasy na ny sampana, sekoly, tanàna na fianakaviana misy azy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Drafitra masina

A woman moving a piece on a chessboard

Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fampisehoana solaitra filalaovana eseka (échec) sy ny piesy miaraka aminy na sarinà filalaovana eseka. Entano ny mpianatra hizara izay fantany momba ny kilalao eseka. Raha ilaina dia hazavao fa mandeha ilay lalao rehefa mamindra ireo piesy amin’ny toerana stratejika ny mpilalao mba handresena. Azonao atao ny manontany ny hevitry ny mpianatra momba ny mahatonga ny mpilalao eseka iray ho azo lazaina hoe tena mahay. Raha tsy milaza ity ny mpinatra dia hevero ny mizara amin’izy ireo fa mamolavola stratejia mahomby mialoha be ny anjarany ny mpilalao mahay rehefa iny mandeha iny ny lalao. Azonao atao avy eo ny mangataka ny mpianatra hieritreritra hoe amin’ny fomba ahoana no tahaka ny lalao eseka ny fiainantsika ary mizara ny fanazavana nataon’ny Loholona Rasband.

Nampianatra toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Ny fiainantsika dia tahaka ny kilalao eseka iray ary ny Tompo no mamindrafindra antsika etsy sy eroa, raha toa ka mihaino ireo bitsika ara-panahy isika. Raha mijery ny lasa isika dia afaka mahita ny tanany eo amin’ny fiainantsika. (“Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 55)

  • Nahoana araka ny hevitrao no mora kokoa ny fahitana ny fitaoman’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika raha jerena ny lasa fa tsy ny amin’izao fotoana izao?

Ny tantaran’i Estera dia mampiseho ny fomba nahatonga ny fitaoman’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Estera nahafahany nanatanteraka ny asany. Handalina ny tapany voalohany amin’izany tantara izany ianao ato amin’ity lesona ity. Eo am-pandalinana dia katsaho amim-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ny antony nametrahan’ny Ray any An-danitra anao ao anaty toe-javatra iray mba hanampianao Azy amin’ny asany.

Ho amin’izao andro izao mihitsy

Rehefa nanao fahirano an’i Babylona ny Pesiana dia maro ireo Jiosy nijanona tany Persia, ka anisan’izany i Estera sy i Mordekay mpiahy azy. Lasa tsy afa-po tamin’i Vasty vadiny ny mpanjakan’i Persia, Ahaserosy koa dia nandroaka azy (jereo ny Estera 1:1–12). Nampiantso ny vehivavy rehetra manerana an’i Persia ho eo anatrehany i Ahaserosy hisafidianany izay ho vadiny vaovao (jereo ny Estera 2:1–4).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tantaran’i Estera dia azonao hatambatra ho anaty vondrona kelikely ny mpianatra mba hiaraka handalina ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto. Entano ny vondrona hamintina ny ampahany nanendrena azy amin’ilay tantara ho an’ny iray kilasy. Azonao atao ny mieritreritra fomba mahaliana hamintinan’ny mpianatra ny tantarany. Azon’izy ireo atao ny manao sary famantarana ao amin’ny taratasy hanehoana ilay tantara (ohatra amin’izany ny sary satroboninahitra na akanjo mariazy, peratra mpanjaka, na sabatra, na emoji mitomany). Azon’ny mpianatra atao ny milalao an-tsehatra ilay tantara eo am-pitantaran’ny hafa ilay izy.

Vakio ny soratra masina nanendrena anao ka jereo ny toe-javatra sarotra nandalovan’i Estera sy Mordekay.

Estera 2:5–11, 15–17

Estera 3:1–13

Estera 4:1–9

Eo am-pizaran’ny mpianatra dia araho maso tsara ny fotoana mba tsy handanian’ny mpianatra fotoana be loatra amin’ny famintinana ilay tantara.

  • Araka ny hevitrao, toy ny ahoana no fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mikasika ireo zava-nitranga ao amin’ireo andininy ireo? Momba an’i Morekay? Momba an’i Estera?

Vakio ny Estera 4:10–14, ary jereo ny fomba nanampian’i Mordekay an’i Estera hahita ny fitaoman’ny Ray any An-danitra tao anatin’ilay toe-javatra nolalovany.

Asaivo asian’ny mpianatra marika ilay fanontaniana hoe “ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?” (andininy 14).

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Rasband fa manana fitaomana eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra mba hanatanterahany ny asany.

Fantatro fa mamindrafindra antsika ny Tompo eo amin’ilay toa kilalao eseka mba hanaovana ny asany. Izay miseho ho toy ny vintana kisendrasendra, raha ny marina, dia voaramason’ny Ray any An-danitra be fitiavana izay afaka manisa ny volo eo amin’ny loha tsirairay. Tsy misy na dia varidimiventy iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Ny Tompo dia mijery ireo antsipirian-javatra bitika eo amin’ny fiainantsika, ary ireny zava-mitranga sy fahafahana misy ireny dia natao mba hanomanana antsika hampitraka ny fianakaviantsika sy ny hafa eo am-pananganantsika ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. …

Afaka mametraka antsika ao anatin’ny toe-java-mitranga manokana ny Ray any An-danitra miaraka amin’ny fikasana manokana ao an-tsainy. Nanao toy izany Izy teo amin’ny fiainako, ary manao toy izany eo amin’ny fiainanareo, (“Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 55–56)

  • Inona no fahamarinana momba ny Ray any An-danitra azontsika hianarana avy amin’ny tantaran’i Estera sy ny Loholona Rasband?

Rehefa mizara ny valin-teniny ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’izy ireo ny fahamarinana toy ny hoe Mametraka antsika amin’ny toe-javatra ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana ny asany ny Ray any An-danitra.

Fanamarihana: Ny fahasahian’i Estera hiatrika ny mpanjaka mba hamonjena ny vahoakany dia hohalalinina ao amin’ny Lesona 95: “Estera, Fizarana 2.”

Mahatsikaritra ny fitarihan’ny Ray any An-danitra

Tsara ny manamarika fa tsy voatery ho amin’ny fomba mahagaga be matetika ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo. Mety ho kely kanefa manan-danja foana ihany izany. Raha mila ohatra ny amin’ireo zavatra kely nefa manan-danja ireo ianao dia azonao atao ny mizara na ny tantaran’ny Rahavavy Michelle Craig ao amin’ny “Maso hahita” manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:23 ka hatramin’ny 4:54 (Liahona, nôv. 2020, 16) na ny tantaran’ny Loholona Brook P. Hales ao amin’ny “Ireo valim-bavaka,” manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:16 ka hatramin’ny 4:32. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ny horonan-tsary momba ireo tantara ireo.

6:27
12:39
  • Ahoana no nanomezan’ny Tompo anao na ny olona fantatrao fahafahana mba ho fitaovana eo am-pelantanany?

    Azonao atao ny mizara zavatra niainana nanomezan’ny Ray any An-danitra fahafahana ho anao mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asany.

    Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nametrahan’ny Ray any An-danitra azy ireo ho ao anaty toe-javatra iray mba hanatanterahana ny asany dia azonao atao ny manome azy ireo fotoana hisaintsainana mangina ny valim-panontaniany amin’ity fanontaniana manaraka ity. Azon’izy ireo atao ny mandray an-tsoratra ny eritreriny ao amin’ny diary fandalinany.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no milazalaza momba anao ny tenin’i Mordekay ao amin’ny andininy 14?

Raha tsapanao fa mila fanampiana fanampiny ny mpianatra hahita izany fahafahana araraotina izany eo amin’ny fiainany dia azonao atao ny mampanao azy ireo ity sahanasa manaraka ity.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny anaran’ny olona iray eo amin’ny fiainanao (ao amin’ny fianakaviana, sekoly, fiangonana na any amin’ny sehatra hafa). Dia valio ao amin’ny diary fandalinanao avy eo ny iray farafahakeliny amin’ireto manaraka ireto.

  • Inona no porofo hitanao fa napetraky ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao ho “amin’ny fotoana toy izao mihitsy” izany olona izany? (Estera 4:14)?

  • Oviana no nahitanao ny Ray any An-danitra nametraka anao manokana ho eo amin’ny fiainan’ny olona na toe-javatra sasany ho “amin’ny fotoana toy izao mihitsy?” (Estera 4:14)?

Raha mety ny hanaovana izany dia azonao atao ny manasa izay mpianatra mazoto hizara izay nosoratany amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra handray dingana amin’izay fahatsapana ara-panahy voarainy mandritra ny lesona.