“Tombano ny fianaranao 6: 1 Mpanjaka 17–Estera,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Tombano ny fianaranao 6: 1 Mpanjaka 17–Estera,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Estera: Lesona 96
Tombano ny fianaranao 6
1 Mpanjaka 17–Estera
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona izay napetrany sy ny fivoarana hitany nandritra ny fandalinany ny 1 Mpanjaka 17–Estera.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara andalan-tsoratra masina izay manan-danja amin’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba hanampian’izany soratra masina izany azy ireo amin’ny fanarahany an’i Jesoa Kristy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Mety nampifantohana tamina vokatra hafa amin’ireo notombanana ao amin’ity lesona ity ny fandalinan’ny kilasinao ny 1 Mpanjaka 17–Estera. Noho izany dia mila amboarina ny sahanasa hanombanana ny fivoarana hitan’ny mpianatra araka ny vokatra nifantohan’ny kilasinao.
Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto ny mpianatra ato amin’ity lesona ity:
-
Mahatsapa faniriana miavosa hiantehitra amin’ny Tompo mba hahazoana hery sy fanafahana. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Lesona 74: “1 Samoela 17”; Lesona 85: “2 Mpanjaka 6”; Lesona 86: “2 Mpanjaka 18–20”; Lesona 95: “Estera Fizarana 2.”)
-
Ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mety hanatrandrahana izay lesona rehetra mifantoka amin’ny famolavolana drafitra na fametrahana tanjona mba hampiharina. Tsy voatery hanana ny tsirairay amin’ny lesona notanisaina miaraka amin’ny sahanasa homanina ho an’ity fanombanana ity ny mpianatra.)
Fivoarana ara-panahy
Entano ny mpianatra hampitaha ny halavany amin’izao fotoana izao amin’ny halavany fony izy mbola kely.
Azonao atao ny mampiseho ilay sary any am-piandohan’ny lesona.
-
Amin’ny fomba ahoana no hampitahana ny fahitana ny fiovantsika teo amin’ny halavana amin’ny fahitana ny fitomboantsika ara-panahy?
-
Inona avy ireo fomba ahafahantsika mahita fa mitombo ara-panahy isika ary lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?
Raha eo am-pifanakalozana hevitra mikasika ireo fanontaniana ny mpianatra dia azonao ampiana izy ireo hatsikaritra fa ny fiovan’ny halavantsika dia tsy hita isan’andro fa ao anatin’ny fotoana maharitra. Dia toy izany koa, ny fitomboantsika ara-panahy dia matetika hita rehefa manombantombana ny fiainantsika isika rehefa mandeha ny fotoana. Ohatra amin’izany ny mety ho fahatsapantsika faniriana mitombo hanao ny tsara (jereo ny Môzià 5:2), lasa matotra kokoa amin’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina, na mandray ny hafa amim-pitiavana kokoa.
Entano ny mpianatra hisaintsaina izay zavatra nianarany nandritra ny fampianarana tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa sy izay mety ho fahatsapana ara-panahy voarainy. Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny zavatra nosoratany tao amin’ny diary fandalinany na ny soratra masina novakiany na nasiany marika. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany alohan’ny hanaovana fifanakalozan-kevitry ny iray kilasy.
-
Inona no nianaranao na tsapanao nandritra ny fandalinana ny Testamenta Taloha?
-
Tamin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana nianaranao sy nampiharinao no nanampy anao hanaraka an’i Jesoa Kristy?
Mahatsapa faniriana mitombo hiantehitra amin’ny Tompo mba hahazoana hery sy fanafahana
Rehefa nandalina ny Testamenta Taloha ny mpianatra dia mety nahazo hery avy amin’ny ohatra ahitana ny Tompo nitahy olona niantehitra Taminy mba hahazoana hery sy fanafahana izy ireo.
Azonao atao ny mampiseho ireto teny ambara manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ireo ohatra vao haingana mety nohalalininy. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana ireto teny ambara manaraka ireto kanefa tsy mampiseho ny anaran’ny olona niteny izany. Aza atao manaraka lamina ireo anarana tanisaina. Ary asao ny mpianatra avy eo hampifandray ny teny ambara amin’izay olona niteny izany.
Raha mety dia azonao atao ihany koa ny mampiseho sary mifanaraka amin’ireo olona tsirairay avy.
Davida—“Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, izay efa nohaikainao” (1 Samoela 17:45).
Elisa—“Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy” (2 Mpanjaka 6:16).
Hezekia—“Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po … fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika” (2 Tantara 32:7–8).
Estera—“Izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty” (Estera 4:16).
Mety mila mampahatsiahy ny mpianatra momba ireo sahanasa avy amin’ireo lesona mikasika ireo olona ireo ianao. Afaka manampy ny mpianatra izany hahatsiaro ny fahatsapana sy ny fanentanam-panahy voarainy nandritra ny fandalinany.
Mety hahatsiaro ilay vato nataony sary izay maneho ny fomba iray hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy manolona ny fanamby atrehiny ny mpianatra ao amin’ny Lesona 74: “1 Samoela 17.”
Mety hahatsiaro ilay lisitra ahitana ireo fomba fiahian’ny Tompo sy hikarakarany antsika tao amin’ny Lesona 85: “2 Mpanjaka 6” ny mpianatra.
Mety hahatsiaro ny nanafahan’ny Tompo an’i Hezekia Mpanjaka sy ny Jiosy tao amin’ny Lesona 86: “2 Mpanjaka 18–20” ny mpianatra.
Mety hahatsiaro ny fomba namerenany nanoratra ny Estera 4:16 tao amin’ny Lesona 95: “Estera Fizarana 2” ny mpianatra.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao hery avy amin’ny fomba nitahian’ny Tompo ny iray na maromaro tamin’ireo olona ireo?
Rehefa avy namerina nijery ny tantara tao amin’ny soratra masina dia entano ny mpianatra hisaintsaina ny fahatsapany manokana. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany. Rehefa nomena fotoana ampy izy ireo dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ny heviny sy ny fahatsapany ny mpianatra izay manolo tena.
-
Inona no nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka mety hanampy anao hiantehitra amin’ Izy Ireo mba hahazoana hery sy fanafahana?
-
Inona no zavatra niainanao tato ho ato ka nampitombo ny fanirianao hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahazoana hery sy fanafahana?
Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy
Safidy 1
Mety nanana fahafahana maro ny mpianatra tao anatin’ny lesona natao tato ho ato mba hanamafisana ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany azy ireo. Ireto misy lisitry ny lesona mety ho nametrahan’ny mpianatra tanjona mba hanamafisan’izy ireo ny maha mpianatra azy ireo:
Ao amin’ny Lesona 81: “1 Mpanjaka 17,” dia nasaina hanao asa amim-pinoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanarahana ny tenin’ny mpaminaniny.
Ao amin’ny Lesona 84: “2 Mpanjaka 5,” dia nasaina ny mpianatra hanao ny zavatra kely sy tsotra izay angatahan’ny Tompo ataontsika.
Ao amin’ny Lesona 87: “2 Mpanjaka 21–23,” dia nasaina ny mpianatra hitodika amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana manokana ny soratra masin’izy ireo.
Ao amin’ny Lesona 90: “2 Tantara 14–16,” dia nasaina ny mpianatra hanao drafitra iray hikatsahana ny Tompo.
Ao amin’ny Lesona 93: “Nehemia,” dia nasaina ny mpianatra hifantoka hatrany amin’ny asa nomen’ny Ray any An-danitra ataon’izy ireo.
Ao amin’ny Lesona 95: “Estera, Fizarana 2,” dia nasaina ny mpianatra hanana herim-po ka hanao ny sitrapon’ny Tompo.
Hevero amim-bavaka hoe inona no drafitra na tanjona napetraky ny mpianatra tamin’ireo lesona ireo mba hanamafisany ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo. Omeo fotoana ny mpianatra hanombanany ny ezaka nataony amin’ny fanatanterahany ny drafitra sy tanjona napetrany. Afaka mamantatra ny fahombiazany sy manavao ny fanolorantenany na manohy ny drafitra napetrany ny mpianatra. Ity kisary manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanohy ny ezaka fanatrarany ny tanjony.
Safidy 2
Ireto tari-dresaka sy kisary manaraka ireto dia azo ampiasaina hanampiana ny mpianatra mba hamantatra sy handraisana andraikitra manoloana ny bitsiky ny Fanahy Masina.
Hevero ny zavatra tsapanao avy amin’ny Fanahy Masina fa tokony hataonao tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Mety ho azo avy tamina sehatra samihafa izany fitarihana izany, toy ny tao an-tokantrano, tany am-piangonana, na nandritra ny seminera. Ho an’ny fitarihana tsirairay azonao dia eritrereto hoe aiza no toerana misy anao eo amin’ity kisary manaraka ity. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao mikasika ny zavatra tsapanao ho dingana manaraka mila hataonao mba hanarahana ireo fitarihana azonao.
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsaina mangina sy hanoratra ao amin’ny diary fandalinany. Rehefa nomena fotoana ampy izy ireo dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpianatra.
-
Inona araka ny hevitrareo no dingana sarotra indrindra amin’ny fantanterahana izany?
-
Amin’ny fomba ahoana no handraisantsika hery avy amin’i Jesoa Kristy mba handresena ireo sakana ireo amin’ny maha mpianatra antsika?