“1 Mpanjaka 17: –Nandeha izy ka nanao araka ny tenin’i Elia,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Mpanjaka 17: –Nandeha izy ka nanao araka ny tenin’i Elia,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Mpanjaka 12–13; 17–22: Lesona 81
1 Mpanjaka 17
“Nandeha izy ka nanao araka ny tenin’i Elia”
Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy ny Zanakalahiny Jesoa Kristy, dia matetika manome antsika fahafahana hampihatra finoana Azy ireo ao anatin’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Tao anatin’ny hain-tany dia nangataka mpitondratena iray tao Zarefata ny mpaminany Elia mba hanome azy ny sakafo sisa tao aminy. Rehefa nanao asa tamim-pinoana ilay mpitondratena dia nampanantena fitahiana lehibe ho azy ny Tompo. Tahaka ilay mpitondratena dia afaka maneho ny finoantsika an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo mpaminaniny. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana bebe kokoa an’ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana ny tenin’ireo mpaminany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady zavatra izay nasain’ny Tompo mba hataontsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny sy ny fampanantenana nomeny raha manao izany isika. Asao ny mpianatra ho tonga any an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanasana avy amin’ny mpaminany
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba hanomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fitarihana ho antsika amin’ny alalan’ireo mpaminanin’Izy ireo dia azonao atao ny mampiseho ity sahanasa manaraka ity. Hevero ny hampiditra ny mpaminany amin’izao fotoana izao sy ny fanasana nomeny vao haingana. Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny milaza anarana mpaminany maromaro (tafiditra ao anatin’izany ny mpaminany amin’izao fotoana izao) ary mitanisa fanasana iray farafahakeliny izay nomen’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny mpaminany tsirairay.
Ampifandraiso amin’ny fanasana nomen’ny Tompo ny vahoakany ireo mpaminany:
|
|
Valiny: 1–E (jereo ny Etera 2:16; 6:4, 12); 2–D (jereo ny Eksodosy 14:21–22); 3–A (jereo ny 1 Nefia 2:1–2); 4–B (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka ho nanaraka izany toromarika avy amin’ny mpaminany izany raha niaina tamin’ny andron’ireo mpaminany ireo.
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hasetrin’izy ireo an’ireo fanasana nomen’ny mpaminany velona amin’ny alalan’ny fanaovana ireto manaraka ireto.
Refeso amin’ny alalan’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 ny fahitanao ny tenanao eo anatrehan’ireto teny ambara manaraka ireto:
-
Mino aho fa miteny amin’ny alalan’ny mpaminany ny Tompo.
-
Fantatro ny zavatra ampianarin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny amin’izao fotoana izao.
-
Manaraka ny fampianaran’ny Tompo izay omena amin’ny alalan’ireo mpaminaniny aho.
Rehefa mandalina ny 1 Mpanjaka 17 ianareo dia henoy tsara ny eritreritra sy ny hevi-baovao tonga avy amin’ny Fanahy Masina. Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ny fandalinana ataonao androany eo amin’ireo zavatra tsapanao momba ireo teny ambara ireo.
I Elia sy ilay mpitondratena tao Zarefata
Azo vakina na fintinina ireto andiam-pehezan-teny roa manaraka ireto.
Noho ny faharatsiana dia nizara ho fanjakana roa ny fanjakan’i Isiraely: Isiraely sy Joda (jereo ny 1 Mpanjaka 11–12). Nandritra ny fitondran’i Ahaba Mpanjaka ratsy fanahy dia naniraka an’i Elia mpaminaniny ho any amin’ny vahoakan’i Isiraely ny Tompo.
Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny herin’ Andriamanitra dia nanakana ny orana tsy hirotsaka teo amin’ny tany i Elia, izay niteraka hain-tany nandritra ny taona maro. Namatsy izay zavatra nilain’i Elia ny Tompo ka nasainy niery teo akaikin’ny sakelidrano izy izay toerana nameloman’ireo goaika azy (jereo ny 1 Mpanjaka 17:1–6).
Ny fomba iray ahafahan’ny mpianatra mahatsapa ny herin’ny zavatra vakiny ao amin’ny soratra masina dia ny fakana sary an-tsaina ny tenany ho ao anatina toe-javatra mitovy amin’izany.
Asao ny mpianatra hamaky ireto andininy manaraka ireto ary hamaly ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fomba fijerin’i Elia na ilay mpitondratena. Ataovy izay hanazavana fa ny fomba iray ampitan’ny Mpamonjy amintsika ny teniny dia amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ary ny tenin’i Elia ao amin’ity tantara ity dia avy amin’ny Tompo.
Azo zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra, ka ny mpiara-miasa tsirairay ao anatiny dia mamaky ilay tantara amin’ny alalan’ny fomba fijery hafa. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo fanontaniana miaraka amin’izany mba hanadihadiana ny mpianatra miara-miasa amin’izy ireo mikasika ny zavatra nianarany avy amin’ny fomba fijerin’izy ireo.
Raha tsy izany dia azonareo atao ny mijery ny “Élie et la veuve de Sarepta” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:09 ka hatramin’ny 10:06, ary manaraka ny ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina.
Vakio ny 1 Mpanjaka 17:8–16.
-
Ahoana no fomba nanehoan’i Elia na ilay mpitondratena finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no fomba nahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo?
-
Nahoana no maneho an’ohatra an’i Jesoa Kristy i Elia sy ilay mpitondratena?
Asao hizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra. Ny iray amin’ireo zavatra nataon’i Elia izay mety mampahatsiahy ny mpianatra an’i Jesoa Kristy dia ny fanasany an’ilay mpitondratena mba hanaraka izay zavatra nolazainy mba ho voavonjy. Nampanantena azy koa izy fa hampitomboana ny sakafony (1 Mpanjaka 17:14–16), toy ny nampanantenain’ny Mpamonjy tamin’ny hafa (jereo Matio 14:15–21). Ny iray amin’ireo zavatra nataon’ilay mpitondratena izay mety mampahatsiahy ny mpianatra an’i Jesoa Kristy dia ny fahavononany hamoy ny zavatra rehetra nananany tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.
Anontanio ireo lesona nianaran’ny mpianatra avy amin’io tantara io. Mety hizara fitsipika samihafa izy ireo. Raha tsy voalazan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity dia ataovy izay hampidirana izany: Ny fanaovana asa amim-pinoana eo anatrehan’ny tenin’ny Mpamonjy dia mitondra ireo fitahiana nampanantenainy. Tafiditra ao anatin’izany ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
-
Inona no mety hampananosarotra ny fanaovana asa amim-pinoana eo anatrehan’ireo fampianaran’ny Mpamonjy?
-
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hanao asa amim-pinoana?
Ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo mpaminaniny
Asao ny mpianatra hizara ny toerana ahafahana mahita ny tenin’ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Ankoatra ny soratra masina sy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia mety hizara toerana toy ny hoe gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery!, Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, ary ny tambajotran-tserasera ny mpianatra.
Asao ny mpianatra hampiasa ny iray amin’ireo loharanom-pitaovana ireo mba hamitana ity sahanasa manaraka ity. Hevero ny hampiseho ireo toromarika sy hanome ny mpianatra fotoana voafaritra tsara handalinana.
-
Manaova tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra. Manaova sarina mofo iray mba hanehoana ny mofon’ilay mpitondratena ao amin’ny tsanganana havia ary sarina tavoara misy menaka sy barika misy sakafo (jereo ny 1 Mpanjaka 17:12, 16) ao amin’ny tsanganana havanana.
-
Asio lohateny hoe Zavatra angatahin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tsanganana havia. Asio lohateny hoe Ireo fitahiana nampanantenain’Izy ireo ny tsanganana havanana.
-
Tanisao ao amin’ny tsanganana havia ireo zavatra angatahin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hataontsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Tanisao ao amin’ny tsanganana havanana ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fankatoavana ny tenin’Izy Ireo.
Mety hanampy ny manome ohatra ho an’ny mpianatra. Azonao atao ny manolotra ny hoe “manaja ny Tenin’ny Fahendrena” ho an’ny tsanganana havia. Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 ny mpianatra avy eo ho an’ireo fitahiana nampanantenaina. Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara ohatra vao haingana avy amin’ny teny nambaran’ny mpaminany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Asao ny mpianatra hizara ao anatina vondrona kely ny zavatra nosoratany tao anatin’ny tsanganan’izy ireo. Ataovy izay ananan’ny mpianatra tsirairay fahafahana hizara zavatra iray farafahakeliny avy amin’ny tsanganana tsirairay. Afaka mifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana manaraka ity ireo vondrona avy eo.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ireo fitahiana avy amin’ny fampiharana finoana ny tenin’ny Tompo izay omena amin’ny alalan’ireo mpaminaniny?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo momba ny fotoana nahitan’izy ireo fitahiana avy amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. ChurchofJesusChrist.org
Manaova drafitra hanaraka ireo mpaminanin’ Andriamanitra
Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa manao ity sahanasa manaraka ity.
-
Soraty na ataovy ao anaty faribolana ao amin’ny tsanganana havia ny zavatra angatahin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny mba hataonao izay tsapanao fa tiany hifantohanao.
-
Soraty na ataovy ao anaty faribolana ao amin’ny tsanganana havanana ny fomba nampanantenain’ny Tompo fa hitahiana anao raha manaraka ny toroheviny ianao.
-
Saintsaino ny zavatra nosoratanao na nataonao anaty faribolana ary soraty avy eo ny drafitrao mba hankatoavana ny zavatra asain’ny Tompo ataonao amin’ny alalan’ny mpaminaniny.
Asao ny mpianatra hitady fomba iray hitadidiana ny zavatra kasain’izy ireo hatao. Ohatra, azon’ny mpianatra alaina sary ny valintenin’izy ireo sy ampiasain’izy ireo ho sary lafika ao amin’ny telefaoniny. Hanana fahafahana hanara-maso sy hanao tatitra ny drafitr’izy ireo ny mpianatra ao amin’ny Lesona 96: “Tombano ny fianaranao 6.”
Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ireo mpianatra amin’ny alalan’ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fanarahana ny mpaminaniny.