Seminera
2 Tantara 14–16: “Raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy”


“2 Tantara 14–16: -Raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Tantara 14–16: -Raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Tantara 14–20; 26; 30: Lesona 90

2 Tantara 14–16

“Raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy”

Jesus Christ

Ny olona sasany dia mety tsy hikatsaka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy raha tsy rehefa milamina ny zava-drehetra. Ny hafa dia mety tsy hitalaho mba hahazo ny fanampian’ Izy ireo raha tsy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra ihany. Tahaka an’i Asa, ilay mpanjakan’i Joda, dia afaka mikatsaka ny Tompo isika mandritra ny fotoana hisian’ny filaminana sy ny fotoan-tsarotra. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao drafitra hikatsahana ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ireo fomba ahafahan’izy ireo mitady ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mikatsaka mba hahita

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hitadiavantsika ireo zavatra izay very. Azonao atao ny mitanisa na mampiseho zavatra vitsivitsy izay tsy mitovy ny hasarobidiny, toy ny pensilihazo iray, enti-mody iray manan-danja asaina atao, finday iray, fanomezana avy amin’ny olona iray akaikin’ny fo sy ny sisa. Anontanio ny mpianatra ny habetsaky ny ezaka hatokan’izy ireo ho an’ireo zavatra tsirairay ireo raha toa ka very izany.

  • Nahoana ny ezaka ataonao mba hahitana zavatra iray no tsy mitovy fa miankina amin’ilay zavatra tadiavinao?

    Hevero ny hanoratra hoe Tadiavo ny Tompo eny an-tampon’ny solaitrabe.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe mitady ny Tompo?

Raha sahirana amin’ny famaliana izany ny mpianatra dia afaka manontany ianao hoe ahoana no fomba ifankahafantaran’izy ireo amin’olona ary hanorenan’izy ireo fifandraisana tsara. Avy eo dia anontanio ny fomba mety ho entin’izy ireo hamantarana sy hanorenana fifandraisana amin’ny Tompo. Azonao hazavaina fa ny teny Hebreo Mitady amin’ireo andinin-tsoratra masina hianarantsika androany (2 Tantara 14:4; 15:2, 12; 6:12) dia darash izay midika ho mitady, manontany, mizaha, manaraka, maka hevitra, na koa manome izay azonao atao.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra izay efa nataonao na nataon’ny olona hafa fantatrao mba hitadiavana ny Tompo?

  • Hatraiza ny halehiben’ny ezaka atokanao mba hitadiavana ny Tompo?

Rehefa mandalina ianao anio dia mitadiava fomba ahafahanao mitady ny Tompo. Soraty izay eritreritra na fahatsapana tonga ao aminao avy amin’ny Fanahy Masina.

Ohatra iray momba ny fitadiavana ny Tompo

Hevero ny hizara na hamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Ny bokin’ny Tantara sy ny Mpanjaka dia saika miresaka zava-nitranga tao anatina vanim-potoana iray ihany. Hitantsika ao amin’ny 2 Tantara 14–16 sy ny 1 Mpanjaka 15 ny tantaran’i Asa Mpanjaka, izay mpanjakan’i Joda fahatelo.

Azonao atao ny mamorona ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny mpianatra amin’ny sahanasa manaraka. Afaka mamorona ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany koa ny mpianatra.

Ny fomba nitadiavan’i Asa sy ny vahoakany ny Tompo

Ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo

Ny fomba nitadiavan’i Asa sy ny vahoakany ny Tompo

Ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo

Hevero ny hizarazara ny mpianatra ho vondrona efatra miavaka tsara. Angataho ny vondrona tsirairay mba hamaky andian-tsoratra masina miavaka tsara amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Afaka manoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay.

Raha mila fanampiana ny mpianatra mba hahatakarana ny hoe “Aseraha” ao amin’ny 2 Tantara 14:2 dia azavao fa toerana nitsaohan’ny olona andriamani-kafa izany.

Vakio ny iray amin’ireto andian’andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Asa sy ny vahoakany ary ny fomba nitahian’ Andriamanitra azy ireo:

  • 2 Tantara 14:3–7. Nandritra ny fotoana iray niainana filaminana

  • 2 Tantara 14:9–13. Rehefa nanafika ny Etiopiana

  • 2 Tantara 15:1–9. Nandritra ny fotoana iray niainana filaminana

  • 2 Tantara 15:10–12, 15. Nandritra ny fotoana iray niainana filaminana

    Apetraho ity fanontaniana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahita fahamarinana iray avy amin’ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Rehefa mizara ny mpianatra dia ampidiro ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny.

  • Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Asa sy ny vahoakany?

Ampio ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana, mba hahita fahamarinana toy izao manaraka izao:

  • Rehefa mitady ny Tompo amin’ny foko manontolo aho dia hanome ahy fitsaharana Izy (2 Tantara 14:7; 15:15)

  • Raha mitady ny Tompo aho dia hahita Azy (2 Tantara 15:2)

Rehefa mizara ny mpianatra dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana azy ireo hieritreritra ny mety ho dikan’ireo teny na andian-teny sasantsasany. Ohatra, afaka manontany ianao hoe, “Inona no dikan’ny hoe mitady ny Tompo araka ny eritreritrao?” na “Mety ho toy ny ahoana izany hoe omen’ny Tompo fitsaharana izany isika?”

Mba hahitana fampianarana izay mety hanampy amin’ireo fanontaniana ireo na fanontaniana hafa dia jereo ny fizarana Loharanom-pitaovana fanampiny.

Mitady sy mahita ny Tompo

Ampio ny mpianatra hampifandray ny fiainan’i Asa sy ny fiainan’izy ireo manokana. Azonao soloina ireo lohateny eo amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ho lasa hoe Ahoana no ahafahako mitady ny Tompo ho an’ny tsanganana havia ary Ahoana no mety hitahian’ny Tompo ahy ho an’ny tsanganana havanana. Avy eo dia asao ireo mpianatra hanao ity zavatra manaraka ity ao anatin’ny vondrona na izy samirery.

Ankoatra ny zavatra nataon’i Asa sy ny vahoakany dia ampidiro ao amin’ny tsanganana havia ny lisitrao izay ahitana ireo fomba ahafahanao mitady ny Tompo. Ireo fomba ireo dia mety ho tonga avy amin’ny zavatra niainanao manokana, na ohatra avy ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana, na lahateny avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Azon’ny mpianatra atao ny mampiditra ireo ohatra avy any amin’izy ireo ao amin’ny tsanganana havia eny amin’ny solaitrabe.

Raha tsapanao fa hanampy ireo mpianatra hahita fomba manan-danja hitadiavana ny Tompo ireto sahanasa manaraka ireto dia azonao atao ny iray na izy roa:

  • Asaivo mamaky ilay ampahany ahitana ny hoe “Fanasana” ao anatin’ny fizarana lehibe tsirairay ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022) ny mpianatra. Ireo fizarana lehibe dia ahitana ny hoe “Hanampy anao i Jesoa Kristy,” “Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao,” sy ny sisa.

  • Jereo ny “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 1:00 ka hatramin’ny 3:29 (izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Eo am-pihainoan’ny mpianatra ny Filoha Russell M. Nelson dia asao izy ireo hamantatra ireo fomba ahafahantsika mitady ny Tompo.

5:49

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hieritreritra ireo sakantsakana mety hatrehin’izy ireo eo am-piezahana hanao ireo asa izay vao avy nozarain’izy ireo. Mba hanaovana izany dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no mety hanelingelina antsika amin’ny fitadiavana ny Tompo?

  • Inona no zavatra manampy anao hitady ny Tompo na dia eo aza ireo zavatra manelingelina ireo?

    Hevero ny hanasa azy ireo hanisy marika ilay andian-teny “dia hahita Azy” ao amin’ny 2 Tantara 15:2. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra fomba ahafahantsika mahita ny Tompo dia anontanio ity manaraka ity.

  • Ahoana no nitahian’ny Tompo anao na ny olona iray izay fantatrao rehefa nitady Azy?

Rehefa avy mizara ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hanoratra ny eritreriny ao amin’ny tsanganana havanana eo amin’ilay tabilao. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa ireo fitahiana nozarain’ny mpianatra dia mety ho porofo fa nahita Azy izy ireo.

Manao drafitra

Ampio ny mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra izay tsapany na nianarany nandritra ny lesona. Mba hanaovana izany dia amporisiho izy ireo hieritreritra ireo fahatsapana mety azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy nandritra ny fotoam-pianarana. Ny mpianatra dia namerina nijery koa ny tanjon’izy ireo eo amin’ny fandalinana ny soratra masina tao amin’ny lesona 87, mba ho fomba iray hanakaikezana kokoa ny Tompo. Raha ilaina dia azon’izy ireo atao ny manombantombana ny fizotran’ny tanjon’izy ireo ary manapa-kevitra raha te hampiasa ny tanjon’izy ireo ao amin’io drafitra io koa izy ireo.

Misafidiana zavatra iray azonao atao mba hitadiavana ny Tompo. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto. Manaova drafitra mikasika ny fomba ahafahanao mampiditra io asa atao io eo amin’ny fiainanao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hanampy anao hahita kokoa ny Tompo eo amin’ny fiainanao io asa atao io?

  • Inona avy ireo fanamby mety hatrehinao rehefa miezaka manao izany ianao?

  • Inona avy ireo dingana manokana azonao atao mba hanaovana izany na dia eo aza ireo fanamby ireo?

Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fitahiana avy amin’ny fitadiavana ny Tompo.