“Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42
Topimaso
Lehilahy mahatoky sady nanana fiainana feno fitahiana i Joba. Tsy nampoizina anefa fa namoy ny fananany sy ny zanany ary ny fahasalamany izy. Na dia sarotra tamin’i Joba aza ireo fotoan-tsarotra ireo dia natoky ny Tompo izy hanampy azy handray ny fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Nanome fitahiana betsaka ho an’i Joba ny Tompo tany amin’ny fiafaran’ny fiainany.
Katsaho ny hahafantatra ireo mpianatra—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Rehefa mahatsapa ny mpianatra fa tena miahy azy ireo ny mpampiatra dia hazoto kokoa izy ireo ny ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hianatra ary hizara ny heviny sy ny zavatra iainany. Mitadiava fahafahana hanontaniana ny mpianatra momba ny zavatra mahaliana azy ireo alohan’ny fotoam-pianarana na mandritra izany na aorian’izany. Azonao atao ny mametraka fanontaniana amin’ny mpianatra momba ny fitaovana entin’izy ireo any am-pianarana na mandritra ireo fiaraha-mientana andraisany anjara. Jereo ny “Fantatry ny Mpamonjy isika ary takany ireo toe-javatra iainantsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny tanjatsika” raha te hianatra misimisy kokoa momba ny fomba nifandraisan’ny Mpamonjy tamin’ny hafa (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 13). Raha mila fiofanana fanampiny mikasika ny fomba fandinihana sy fametrahana fanontaniana momba ny zavatra mahaliana ny mpianatra ianao dia jereo ny “Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra misy azy, ireo filany ary ireo tanjany.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Joba 1–3; 12–13
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana mitombo hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ireo fisedrana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisaintsaina ny fihetsiny eo anatrehan’ireo fisedrana lalovany. Amporisiho ny mpianatra ho tonga vonona ao an-dakilasy hifanakalo hevitra mikasika ny zavatra niainany.
-
Horonan-tsary: “Mountains to Climb” (5:05)
Joba 14; 19
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanantenana tonga avy amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kirsty tamin’ny maty.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hihaino na hamaky ny tonon’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy.” Afaka misafidy izay andian-teny tiany indrindra avy amin’izany hira izany izay hitany fa mitondra fanantenana ho an’ny olona mandalo ady sarotra izy ireo.
-
Votoatin-kevitra haseho: Fanontaniana ao amin’ny fiandohan’ny lesona; torolalana ao amin’ny hoe “Fahatakarana ny Fitsanganana amin’ny maty”
-
Horonan-tsary: “Until We Meet Again” (3:39) manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:28 sy 2:28 ka hatramin’ny 3:39; “Because of Him” (2:44)
Joba 21–24; 38–40; 42
Tanjon’ny lesona: Hanomezana fahafahana iray ho an’ny mpianatra mba hanampy ny hafa handray ny fitsapana lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
-
Fanomanana ny mpianatra: Omeo an’ity fanontaniana ity ny mpianatra “Nahoana Andriamanitra no mamela antsika handalo fitsapana?” Entano izy ireo hitady ny valin’izany fanontaniana izany amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra toy ny soratra masina, fampianarana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ny ray aman-dreniny. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olona ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny fomba hamaliany an’izany fanontaniana izany.
-
Sary: Joba
-
Taratasy zaraina: “Fahatakarana ny fitsapana”
-
Horonan-tsary: “Why Do Bad Things Happen to Good People?” (4:39)
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Kodiakely iray isaky ny mpianatra roa
-
Votoatin-kevitra haseho: Toromarika ho an’ny lalao kodiakely