“Joba 14; 19: -Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Joba 14; 19: -Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy,-” Testamenta Taloha: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra seminera
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: Lesona 98
Joba 14; 19
“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy”
Mety ho sarotra ny mahita fanantenana ao anatin’ny fanamby, anisan’izany ny fahafatesan’ny olona akaikin’ny fo. Nandefa ny Zanany hanantateraka ny Sorompanavotana ny Ray any An-danitra, izay nifarana tamin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty avy tao am-pasana. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia afaka manana fanantenana isika. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fanantenana tonga avy amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hihaino na hamaky ny tonon’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy.” Afaka misafidy izay andian-teny tiany indrindra avy amin’izany hira izany izay hitany fa mitondra fanantenana ho an’ny olona mandalo ady sarotra izy ireo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny trangan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantara
Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary entano ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba izany ao anaty vondrona madinika.
-
Inona avy ireo trangan-javatra izay lazain’ny olona ho manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona? Nahoana?
Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nizara izao manaraka izao:
Ny zava-niseho lehibe indrindra teo amin’ny tantara dia ireo izay nahakasika olona maro indrindra nandritra ny vanim-potoana lava indrindra. Raha araka io fenitra io dia tsy nisy zava-niseho manan-danja kokoa ho an’ny isam-batan’olona na ny firenena noho ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. (Enseignements des Présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 94)
Makà fotoana hisaintsainana izay zavatra fantatrao mikasika ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny maha zava-dehibe izany aminao. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny mahatonga ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho ny zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantara.
Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahatakatra kokoa momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny fanantenana mety ho entin’izany.
Ireo fanontanian’i Joba
Raha nampianatra ny Lesona 97: “Joba 1–3; 12–13” ianao dia azon’ny mpianatra atao ny mizara izay tsaroany mikasika ny fitsapana nahazo an’i Joba. Na azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.
Lehilahy marina nandalo fahoriana mafy i Joba. Ringana avokoa ny fananany rehetra, maty avokoa ny zanany miisa 10 rehefa nirodana ny tranony, ary nijaly noho ny fanaintainana mafy tamin’ny vatany izy.
-
Inona no fanontaniana mety ho anananao raha teo amin’ny toeran’i Joba ianao?
Vakio ny Joba 14:7–14, ary mariho ny fanontaniana roa napetrak’i Joba raha nitady fanantenana tao anatin’ny fahoriany izy.
Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana ny fanontanian’i Joba ao amin’ny andininy 10 ny mpianatra dia azonao hazavaina fa ny zavatra nanontanian’i Joba dia hoe “Ho aiza moa isika rehefa maty?”
-
Oviana ianao no naheno na nametraka fanontaniana mitovy amin’izany?
Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hieritreritra ny mety hamaliany ny fanontaniana napetrak’i Joba.
Mba hahitana izay mety havaliny ny amin’ny fanontanian’i Joba ao amin’ny andininy 10, dia azon’ny mpianatra atao ny mampitahy na mampifandray ny andininy 10 amin’ny Almà 40:6, 11–14. Azavao fa i Almà, izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra fa rehefa maty isika dia mitoetra ao anatin’ny fifalilana na fahoriana ny fanahintsika mandrapahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Entano ny mpianatra hieritreritra ny mety havaliny an’ilay fanontanian’i Joba ao amin’ny andininy 14. Eo am-pisaintsainana izany dia azonao vakiana na ampamakiana mpianatra ity teny ambara manaraka ity. Na ihany koa azonao atao ny mijery ny “Until We Meet Again,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:28.
I Arthur Patton, iray tamin’ny naman’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) tamin’ny fahazazany dia maty tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nizara ny zavatra niainany ny Filoha Monson rehefa avy nitsidika ny tranon’i Arthur raha vao nahare ny vaovao:
Tamin’ny vavaka tao am-poko, dia nanatona ilay lalana nahazatra mankany amin’ny tranon-dry Patton aho, ary nanontany tena hoe inona re no teny fampiononana hivoaka ny vavan’ity zazalahy ity.
Nisokatra ny varavarana ary namihina ahy Rtoa Patton toy ny ho nataony amin’ny zanany lahy. …
[Rehefa avy niara-nivavaka izahay], dia nijery ahy mivantana Rtoa Patton ary niteny hoe: “Tommy a, tsy manam-piangonana tahaka anao aho. Lazao ahy, mbola ho velona indray ve i Arthur?” (“Rtoa Patton—mitohy ny tantara,” Liahona, nôv. 2007, 22)
Alaivo sary an-tsaina hoe teo amin’ny toeran’ny Filoha Monson ianao. Soraty ao anaty andiam-pehezan-teny fohy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin-teninao amin’ny fanontaniana napetrak’i Rtoa Patton.
Amporisiho ny mpianatra hanampy izay nosoratany eo am-panohizana ny fandalinana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy”
Vakio ny Joba 19:23–27, ary jereo ny valiny nomen’i Joba tamin’ny fanontaniany.
-
Inona no zavatra fantatr’i Joba fa marina?
Ny mpianatra dia mety hizara zavatra toy ny hoe noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika ary hahita an’ Andiamanitra indray.
-
Inona no ampianarin’ny andininy 23–24 antsika mikasika ny fahatsapan’i Joba mikasika io fahamarinana io?
-
Inona no mety ho fiantraikan’izany fahalalana momba an’i Jesoa Kristy izany teo amin’i Joba raha niaritra fitsapana izy?
-
Ahoana no ahafahan’io fahalalana io manampy antsika?
Afaka mamaky ity teny nambara manaraka ity samirery ny mpianatra ary mizara izay nisongadina taminy avy amin’izany.
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia mizara ireo fomba vitsivitsy hitondran’ny fahalalana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty fanantenana ho antsika:
Ny Fitsanganana amin’ny maty no andry azo antoka ho an’ny tena manokana iankinan’ny finoantsika. Mampisy lanja ny fotopampianarantsika izany, hery mandrisika ny fitondrantenantsika, ary fanantenana ho an’ny hoavintsika. …
Ny Fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olona ankamamiantsika. Manome antsika fomba vaovao hiheverana ireo tsy fahatomombanana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po ananantsika amin’ny fahaterahana na azontsika mandritra ny fiainana an-tany izany. Manome antsika tanjaka hazakana ny alahelo, ny tsy fahombiazana ary ny fahasorenana izany. Koa satria efa azo antoka ny hahazoan’ny tsirairay amintsika ny fitsanganana amin’ny maty dia fantatsika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany sy fanoherana izany dia mandalo fotsiny ihany. (“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75)
-
Oviana ianao no nahita olona nahazo fanantenana noho ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?
Mahatakatra ny Fitsanganana amin’ny maty
Alohan’ny hampisehoana ity torolalana manaraka ity dia azonao atao ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hanamafisantsika orina ny teny lazaintsika na soratantsika amin’ny alalan’ny fampifandraisana izany amin’ny tenin’ny Mpamonjy sy ny an’ny mpaminaniny. Fomba iray ahafahantsika manao izany ny fampiasana fehezan-teny avy amin’ny soratra masina.
Ataovy ao amin’ilay andiam-pehezan-teny nosoratanao ho valin’ny fanontaniana napetrak’i Rtoa Patton izao manaraka izao:
-
Ampio fehezan-teny iray na roa avy amin’ny zavatra nianaranao na tsapanao androany mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana azontsika noho ny Fitsanganany tamin’ny maty izany. Asio fehezan-teny avy amin’ny Joba 19:25–27 ao anatiny.
-
Ampio fehezan-teny iray na roa izay mampiasa teny na fehezan-teny avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izany. Rehefa manao izany dia afaka mitady ny teny hoe “Fitsanganana amin’ny maty” ao amin’ny Sujets de l’Évangile ianao, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na Lohahevitra sy fanontaniana. Azonao atao ihany koa ny mijery ny ao amin’ny pejy 48, 55–56, sy 58 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023).
Raha ilaina dia afaka manome ny sasany amin’ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto ianao:
1 Korintiana 15:20–22; Môzià 16:7–8; Almà 11:42–44; Helamàna 14:17; Môrônia 7:41
Azonao alefa ny “Because of Him” (2:44), izay hita ao amin’nyChurchofJesusChrist.org ary manentana ny mpianatra hanampy ao amin’izay nosoratany.
Rehefa mahavita ny mpianatra dia zarazarao ho vondrona vitsivitsy izy ireo. Entano ny mpianatra hizara amin’ny vondrona misy azy izay zavatra nosoratany mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Eo am-pizaran’ny mpiara-mianatra aminy dia azon’ny mpianatra atao ny manampy zavatra ao amin’ny andiam-pehezan-teniny manokana.
Ho famaranana ny fampianarana dia azonareo jerena ny ambin’ny “Until We Meet Again,” manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:28 ka hatramin’ny 3:39 mba hihainoana izay nolazain’ny Filoha Monson tamin’i Rtoa Patton.