Seminera
Joba 1–3; 12–13: “Mbola hanantena Azy ihany aho”


“Joba 1–3; 12–13: -Mbola hanantena Azy ihany aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Joba 1–3; 12–13: -Mbola hanantena Azy ihany aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: Lesona 97

Joba 1–3; 12–13

“Mbola hanantena Azy ihany aho”

The Old Testament prophet Job depicted kneeling on the ground looking up to the light of the Lord. His friends are in the background of the painting. Job has one hand stretched toward the light. (Job 42:1-8)

Efa nisy fotoana ve sarotra taminao ny nahatoky an’ Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra? Lehilahy mahatoky sady nanana fiainana feno fitahiana i Joba. Tsy nampoizina anefa fa namoy ny fananany sy ny zanany ary ny fahasalamany i Joba. Kanefa dia tsy nanary ny finoany an’i Jesoa Kristy i Joba. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana miavosa hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ireo fisedrana.

Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisaintsaina ny fihetsiny eo anatrehan’ireo fisedrana lalovany. Amporisiho ny mpianatra ho tonga vonona ao an-dakilasy hifanakalo hevitra mikasika ny zavatra niainany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Alohan’ny hanomboana ny lesona androany dia mety hanampy ny milaza amin’ny mpianatra fa ny boky maromaro manaraka (Joba–Tononkiran’i Solomona) dia antsoina hoe boky tononkalo na literatioran’ny fahendrena. Amin’ny endrika tononkalo no nanoratana ireo boky ireo fa tsy natao hilazana tantara. Tahaka ny soratra masina hafa dia mitondra antsika mankany amin’i Jesoa Kristy ireo boky ireo ary manampy antsika hanaraka Azy. (Fanamarihana: Ambaran’i Joseph Smith ho “asasoratra tsy nentanim-panahy” ny Tononkiran’i Solomona [Dikantenin’i Joseph Smith, fanamarihana momba ny Tononkiran’i Solomona].)

Ahoana no fomba hiantrehantsika ny fitsapana

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe hoe “Olona A” sy “Olona B”. Entano ny mpianatra hamorona rafi-tantara ho an’ireo olona roa ireo, ny iray mandalo fitsapana maharitra ary ny iray hafa mandalo fitsapana mandritra ny fotoana fohy. Mety hanampy ireto tari-dresaka manaraka ireto.

  1. Hatramin’ny fahazazan’i Olona A, izy dia voatery niatrika …

  2. Miharatsy hatrany ny tontolo andron’i Olona B. Izany dia nanomboka tamin’ny …

Rehefa voafaritry ny mpianatra ny rafi-tantara ho an’ireo olona roa ireo, dia entano izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny “Olona A” sy ny “Olona B.” Azon’izy ireo atao ny manao izany tsiroaroa na ao anaty vondrona madinika.

  • Inona no mety hitranga raha ohatra ka tsy dia mahay miatrika an’io fisedrana io araka ny tokony ho izy io olona io?

  • Inona no mety hitranga raha ohatra ka mahay miatrika tsara an’io fisedrana io ilay olona?

  • Inona no mety hitranga raha amin’ny fahatokiana ny Ray any An-danitra no hiatrehan’io olona io an’io fisedrana io?

Rehefa nomena fotoana hifanakalozan-kevitra ny mpianatra, dia ampio izy ireo hieritreritra ny fomba hiatrehany ny fitsapana manokana eo amin’ny fiainany. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.

Amin’ny mari-drefy 1–5 (ny 1 dia hoe tsy marina velively ary ny 5 dia marina lalandava), dia hevero ny fahamarinan’ireto teny ambara manaraka ireto raha ny momba anao:

  • Haiko tsara ny miatrika ireo fitsapana.

  • Mahita hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho mandritra ireo fitsapana.

Misokafa amin’ny fahatsapana na zavatra nianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka hanampy anao amin’ny fiatrehana ireo fisedrana mahazo anao miaraka amin’ny fahatokiana betsaka kokoa Azy Ireo.

Ny fiainan’i Joba

Vakio ny Joba 1:1–3 dia tadiavo izay zavatra azonao ianarana momba an’i Joba. (Fanamarihana: ny teny hoe tanteraka dia adika hoe “feno, nahavita, manana fahamarinana.”)

  • Inona no hitanao?

Azonao atao ny manoratra ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Alohan’ny hanohizana ny tantaran’i Joba dia hevero ny hamaky na hamintina ireto manaraka ireto.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa olona tena nisy i Joba (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:10), saingy ny fomba nitantarana ny fiainan’i Joba dia misy endrika tononkalo vitsivitsy. Eo am-piandohan’ny tantaran’i Joba ohatra, dia nofariparitana ho niresadresaka in-droa ny Tompo sy i Satana. Tsy tena nisy fifandraisana anefa teo amin’ny Tompo sy i Satana fa hoentina hanehoana ny anjara asan’i Satana amin’ny maha mpifanandrina na fahavalontsika azy fotsiny izany. Afaka ny ho fomba amin’ny endrika tononkalo hanomanana ny mpamaky ny amin’ny tohin’ny tantaran’i fiainan’i Joba izany—ny fahoriany, ny fakam-panahiny, ary ny fahaverezan’ny fananany ara-materialy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay resadresaka voalohany dia azonao atao ny mangataka mpianatra manolo tena telo hamaky. Ny iray dia hamaky ny tenin’ilay mpitantara, ny iray hafa hamaky ny tenin’ny Tompo ary ny fahatelo ny tenin’i Satana. Entano ny mpianatra hamaky ireo teny amin’ny fomba tsy manitatra izany. Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra eo am-pihainoan’izy ireo izany.

Vakio ny Joba 1:6–12 hitadiavana ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nambaran’i Satana mikasika ny fahamarinan’i Joba?

  • Inona no tian’i Satana hitranga tamin’i Joba?

Avelao ny mpianatra hizara ny valiny avy amin’izy ireo. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra fa i Satana dia nanambara fa noho ny fitahian’ny Tompo azy ihany no nahatonga an’i Joba handeha araka ny fahamarinana. Tian’i Satana esorina tamin’i Joba izany fitahiana izany mba hanaporofoana izany fanambarany izany.

Ny ohatra nasehon’i Joba

Ao amin’ny fizarana manaraka amin’ny tantara dia afaka manao sarina tabilao tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ianao. Azonao atao ny manambatra ny mpianatra tsiroaroa na anaty vondrona madinika avy eo mba hameno ilay tabilao. Angataho ny vondrona hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety hanampy ny fivezivezenao manakaiky ny mpianatra ary mamporisika azy ireo. (Fanamarihana: Ny vay dia aretin-koditra manaintaina be. “Nandriatra” na nandrovitra ny lambany sy nanaratra ny lohany ho mariky ny fisaonana i Joba.)

Inona no fijaliana nahazo an’i Joba?

Inona no nasetrin’i Joba izany?

Inona no fijaliana nahazo an’i Joba?

Vakio ny Joba 1:13–19; 2:7.

Inona no nasetrin’i Joba izany?

Vakio ny Joba 1:20–22; 2:9–10; 13:15; 23:10.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny teny na zavatra nasetrin’i Joba?

  • Inona no zavatra mety ho fantatr’i Joba momba an’ Andriamanitra ka nahatonga azy nanao fihetsika toy izany?

    Mety hilaza ny mpianatra fa neken’i Joba fa avy amin’ Andriamanitra ny fitahiana azony (jereo ny Joba 1:21), takany fa ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fitsapana (jereo ny Joba 2:10), ary fantany fa tsy nanadino azy Andriamanitra ary ny fitsapana natrehany dia hanefy azy (jereo ny Joba 23:10).

    Rehefa vitan’ny mpianatra ny sahanasa, dia ampio izy ireo hamantatra fahamarinana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joba ka mety hanampy antsika ao anatin’ny fitsapana mahazo antsika?

Ankoatra ny valiny omen’ny mpianatra dia mety hahita zavatra toy izao manaraka izoa izy ireo: afaka misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra isika mandritra ny fitsapana antsika.

Azonao atao ny manentana ny mpianatra hitady sy hanisy marika ny toerana nahitany izany fahamarinana izany ao amin’ny Joba 13:15.

Ohatra ao amin’ny soratra masina

Hevero ireo fomba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fatokiany ny Ray any An-danitra ao anatin’ny fitsapana mahazo azy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny fanentanana ny mpianatra hijery soratra masina mampiseho olona manazava ny antony hitokiany amin’ Andriamanitra mandritra ny fitsapana iray. Azon’ny mpianatra atao ity sahanasa manaraka ity.

  1. Mitadiava ohatra ao amin’ny soratra masina ahitana olona nisafidy ny hatoky an’ Andriamanitra nandritra ny fitsapana azy.

  2. Mariho ny teny na andian-teny manazava ny antony nitokian’io olona io an’ Andriamanitra.

  3. Miomàna hanazava ny antony mahatonga an’io foto-kevitra nasianao marika io manampy na mety hanampy anao hatoky an’ Andriamanitra.

Raha mila fanampiana hitadiavana tantara ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia azonao ato ny manasa azy ireo hitady ny teny hoe “matoky” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Na azonao atao ny manome ohatra toy ireto:

Daniela 2:19–23—Niatrika ny baikon’ny Mpanjaka Nebokadnezara i Daniela fa ho vonoina ny olo-kendry rehetra ao amin’ny fanjakana (anisan’izany i Daniela) raha tsy misy olona afaka manazava ny hevitry ny nofiny.

2 Nefia 4:17–23—Nalahelo noho ny fahalemeny i Nefia ary nahatsiaro ho tsy mahay.

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra dia entano hizara izay hitany ao anaty vondrona madinika na amin’ny iray kilasy izy ireo. Azonao aseho ny mpianatra ihany koa ny “Mountains to Climb” (5:05), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asaivo jeren’izy ireo ny zavatra nozarain’ny Filoha Eyring izay mety hanampy azy ireo hampitombo ny fitokiany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ireo fitsapana.

5:5

Fehiny

Azonao faranana ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hanoratra teny kely ho an’ny tenany na handefa hafatra ho an’ny tenany izay hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha manoratra teny kely izy ireo dia asao izy ireo hanaforitra izany ary hametraka izany ao am-paosiny na amin’ny toerana hahitany izany any aoriana any amin’io andro io. Azonao atao ny mandefa hira malefaka mandritra ny fotoana hanoratan’ny mpianatra.

  • Inona no tsapanao androany ka nanampy anao haniry hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny fitsapana?