Seminera
Joba 21–24; 38–40; 42: Mandray ireo fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay


“Joba 21–24; 38–40; 42: Mandray ireo fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Joba 21–24; 38–40; 42: Mandray ireo fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: Lesona 99

Joba 21–24; 38–40; 42

Mandray ireo fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Job and His Friends by Ilya Repin. Job's wife grieves behind him, while his friends, Eliphaz, Bildad, and Zophar, observe his impoverished condition.

Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? Nisy fanontaniana hafa ve napetrakao nandritra ny fitsapana nolalovanao? Sasa-poana i Joba sy ireo namany raha niezaka nitady ny anton’ny fijaliana nahazo an’i Joba. Na dia tsy nanome antony aza Andriamanitra dia nanampy an’i Joba Izy hahita ireo fitsapana iainany amin’ny fomba ambony sy masina kokoa. Ity lesona ity dia manoro ny mpianatra hanampy ny hafa ahita ireo fitsapana lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Fanomanana ny mpianatra: Omeo an’ity fanontaniana ity ny mpianatra “Nahoana Andriamanitra no mamela antsika handalo fitsapana?” Entano izy ireo hitady ny valin’izany fanontaniana izany amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra toy ny soratra masina, fampianarana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ny ray aman-dreniny. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olona ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny fomba hamaliany an’izany fanontaniana izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fa nahoana no misy zavatra ratsy mitranga?

Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanoratana ity fanontaniana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ny iray kilasy hamorona fanontaniana roa fanampiny mety hapetraky ny olona eo am-piezahana mahatakatra ny fitsapana lalovan’izy ireo. Ampio an’ireo fanontaniana roa ireo eny amin’ny solaitrabe ary omeo laharana 5 sy 6. Horesadresahana mandritra ny lesona ireo fanontaniana ireo.

  1. “Tsy misy mety daholo izay ataoko rehetra. Nahoana àry ny fiainana no toa sarotra be toy izao amiko?”

  2. “Raha manaraka ny filazantsara aho dia nahoana aho no tsy afaka miala amin’ny fitsapana sy fijaliana?”

  3. “Nihevitra aho fa tia ahy Andriamanitra. Nahoana no ataony sarotra be toy izao ny fiainako? ”

  4. “Raha tena misy Andriamanitra, nahoana Izy no tsy manakana ny fijalian’ny olona?”

Mety hanampy ny manaiky fa mety efa nametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ny mpianatra sasany nandritra ny fitsapana. Amporisiho ny mpianatra mba haneho hatsaram-panahy sy fanajana rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy ireo fiheverana sasantsasany mety ho ataon’ny olona rehefa mametraka fanontaniana toy izany izy ireo?

    Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia azonao asaina ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity. Azon’izy ireo soratana ao amin’ny diary fandalinany ny valintenin’izy ireo.

  • Mieritreritra ve ianao fa afaka manampy olona iray hitodika amin’ny Tompo ary hahita valiny amin’ireo karazam-panontaniana ireo? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?

Ny fandalinana ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra dia afaka manasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fianarantsika. Henoy tsara ireo hevi-baovao mety hampianariny anao rehefa mamaky ny soratra masina sy ireo teny nambara ato amin’ity lesona ity ianao. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo hevi-baovao ireo manampy ny hafa hamaly fanontaniana momba ny fitsapana lalovany. Ny fanaovana izany dia mety hanampy anao hahazo fahatakarana bebe kokoa momba ny fitsapana lalovanao manokana.

I Joba sy ireo namany

Asehoy ny sarin’i Joba, toy ilay iray tany am-piandohan’ity lesona ity. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra fohifohy amin’ny namana iray momba ny zavatra tsaroan’izy ireo tamin’ny tantaran’i Joba. Azonao zaraina avy eo izao manaraka izao:

Nandritra ny fitsapana niainan’i Joba dia nisy namany telo nitsidika azy. Niezaka namaritra ny anton’ny fijaliana nahazo azy i Joba sy ireo namany. Voafetra anefa ny fomba fijerin’izy ireo ka nahatonga fiheverana tsy marina.

Amin’ny fampiasana ireo andininy etsy ambany dia asao ny iray kilasy amin’ny ilany havia handalina izay fihevitr’i Joba momba ny fijaliany ary ny ilany havanana handalina izay fihevitr’i Elifaza naman’i Joba. Na azonao fintinina ireo andininy ireo dia atomboka ilay lohateny hoe “Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.” Ny famintinana dia hanome fotoana misimisy kokoa ny mpianatra handalinana ny fiafaran’ny tantaran’i Joba sy hifanakalozana hevitra momba ilay taratasy zaraina.

  1. Vakio ny Joba 19:6–11, dia tadiavo ny zavatra noheverin’i Joba momba an’ Andriamanitra.

  2. Vakio ny Joba 22:5–10, dia tadiavo ny zavatra noheverin’i Elifaza momba an’ Andriamanitra.

  • Inona avy ireo fiheverana tsy marina nananan’ny olona tsirairay?

Raha mila fanampiana ahatakatra ny zavatra novakiany ny mpianatra dia azavao fa tsapan’ i Joba ny avy amin’ Andriamanitra ny fitsapana nahazo azy sy ny nandaozany . Niampanga an’i Joba ho nampijaly ny hafa tamim-pahadisoana i Elifaza. Nihevitra izy fa vokatry ny faharatsiana no anton’ny fijalian’i Joba.

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Raha mbola nitolona tamin’ireo fitsapana niainany i Joba dia niresaka taminy Andriamanitra. Nametraka fanontaniana maro momba ny nahariana an’izao tontolo izao tamin’i Joba Andriamanitra, izay tsy voavalin’i Joba (jereo ny Joba 38–41).

Vakio ny Joba 38:4–7, dia tadiavo ireo ohatra amin’ireo fanontaniana napetrak’ Andriamanitra tamin’i Joba.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny valintenin’ Andriamanitra ny amin’ny tsy nahaizan’i Joba namaly Azy:

Elder Dale G. Renlund takes an official portrait in 2021.

Toy ny niteny tamim-paharetana sady tamin-katsaram-panahy tamin’i Joba Andriamanitra hoe: “Raha tsy mahay mamaly na dia ny iray amin’ireo fanontaniako momba ny tany izay nohariako ireo ianao, mety misy ve lalàna mandrakizay izay tsy takatrao? Misy fiheverana tsy mitombina nataonao ve? Takatrao ve ny antony nanosika ahy sy ny fomba fiasan’ny drafitry ny famonjena sy ny fisandratana? Ary afaka fantatrao mialoha ve ny hoavinao?”

Fantatr’ Andriamanitra noho ny fahendreny fa ampahany manan-danja amin’ny zavatra iainantsika eto an-tany ny tsy hamantarantsika ny zava-drehetra. Ny fahatokiana Azy dia mamela antsika hivoatra ho tonga tahaka Azy. (“Matokia an’ Andriamanitra ary aoka Izy hanjaka,” Liahona, aog. 2022, 5)

  • Inona no anampian’io fanambarana io anao amin’ny fahatakarana momba an’ Andriamanitra sy ny fitsapana?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia mariho fa tsy nanome antony natonga ny fijalian’i Joba Andriamanitra.

Vakio ny Joba 42:1–6 hitadiavana ny valintenin’i Joba tamin’ny Tompo.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny valintenin’i Joba?

  • Inona no nianaranao avy amin’ny tantaran’i Joba ka afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa momba ireo fitsapana lalovantsika?

Mety hahita fahamarinana maro ny mpianatra, anisan’izany ny hoe Andriamanitra dia afaka manampy antsika handray ireo fitsapana lalovantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Niaiky i Joba fa voafetra ny fahatakarany raha ampitahaina amin’ny fahalalan’ Andriamanitra ary nanova ny fomba fijeriny momba ireo fitsapana nolalovany i Joba. Lasa nahalala izy fa tsy vokatry ny fahotana na ny famaizana avy amin’ Andriamanitra ny fijaliany. Nitahy an’i Joba fatratra Andriamanitra tamin’ny fiafaran’ny fiainany (jereo ny Joba 42:12–13).

Fahatakarana ireo fitsapana

Mety tsy ho takatsika foana ny anton’ireo olana atrehantsika. Na izany aza, ny Tompo dia nanome loharanom-pahalalana masina izay afaka manampy antsika handray ireo fitsapana mahazo antsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

sary famantarana ny seminera Hevero ny hanome ny mpianatra ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fahatakarana ireo fitsapana.” Azon’ny mpianatra atao ny mamita izany samirery mba hahafahan’izy ireo misaintsaina manokana. Na azon’izy ireo atao ny mandalina tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ilay taratasy zaraina mba hampitomboana ny fahatakarany na ny fandraisana anjaran’ny mpianatra.

Ho solon’ny fampiasana ilay taratasy zaraina dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hikaroka teny toy ny hoe “fahoriana” na “fitsapana” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahazoana hevi-baovao izay afaka manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa momba ny fitsapana.

Rehefa vitan’ny mpianatra ilay taratasy zaraina dia hevero ny hanasa azy ireo hamerina hamaky ireo fanontaniana enina momba ny fitsapana izay nosoratana teny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona. Avy eo dia azonao atao ny mitarika fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manampy olona iray manana ireo fanontaniana ireo handray ny fitsapana lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao fa marina amin’ny fitsapana lalovanao manokana ireo fampianarana nohalalininao?

  • Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mihaino ny zavatra zarain’ny hafa ianao?

4:39

Tsoakevitra

Avelao ny mpianatra hilalao an-tsehatra ny fanampiana ny hafa mba handray ny fitsapana lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fizarana ny mpianatra ho tsiroaroa. Omeo kodiakely iray isaky ny mpianatra tsiroaroa. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Azonao ovaina ireo toromarika raha tsy misy kodiakely.

Jereo ireo fanontaniana enina momba ny fitsapana voasoratra eny amin’ny solaitrabe rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity ianao sy ny namanao:

  1. Misafidiana olona iray hanipy an’ilay kodiakely.

  2. Raha ianao no nanipy ny kodiakely dia apetraho amin’ny namanao ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe izay mifanaraka amin’ny tarehimarika mipoitra. (Ohatra, raha iray no mipoitra dia ilay fanontaniana hoe: “Tsy misy mety daholo izay ataoko rehetra. Nahoana àry ny fiainana no toa sarotra be toy izao amiko?”)

  3. Raha tsy ianao no nanipy ny kodiakely dia valio ny fanontaniana napetraky ny namanao. Ampiasao ireo hevi-baovao azonao avy amin’ny lesona mba hanampiana ny namanao handray ireo fitsapana lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ampidiro ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

  4. Ampifamadiho ny fandraisana anjara ary avereno indray ilay sahanasa. Raha mbola isa mitovy no miseho dia atsipàzo indray.

Hevero ny hamarana amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo zavatra izay nozarain’ny mpianatra androany.