Seminera
Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Topimaso


“Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46

Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46

Topimaso

Ny bokin’ny Salamo dia ahitana fanehoana fitsaohana ny Ray sy ny Zanaka amin’ny alalan’ny tononkalo ary koa ireo faminaniana momba ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny Salamo 23 i Davida dia namariparitra ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny andiana sary tsara tarehy. Ao amin’ny Salamo 24 i Davida dia nanampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika miomana “hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo” (Salamo 24:3).

Two people sitting at a table. Text boxes representing communication.Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Afaka manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy mamorona fahatsapana feno fanajana ao an-dakilasy ny hira manentana fanahy. Ahitana ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 100: “Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1.”

Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fanampiana ny mpianatra ho ampianarin’ny Fanahy Masina dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanolotra fahafahana ho an’ny olona mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, p. 17–18).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.

Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy araka ny naminaniana azy ireo tao amin’ny Salamo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ampianaran’ireo fihirana tian’izy ireo indrindra sy hijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hiomana hizara fihirana tiany indrindra momba an’i Jesoa Kristy ao an-dakilasy. Raha tsapan’ny mpianatra fa tsy manana fihirana tiany indrindra izy ireo dia asao izy ireo hijery ao amin’ny boky fihirana ireo fihirana izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy.

  • Votoatin-kevitra haseho: Fanontaniana mampandinika momba ny Mpamonjy sy ireo fihirana; andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Salamo

  • Horonantsary:Tsy avy amin’izao tontolo izao ity ny fanjakako” (5:25) jereo manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 3:18

Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra haneho ny fahatsapany fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana fahafahana izy ireo hisaintsaina ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo zavatra masina ho fiomanana hizara ireo fahatsapana ireo ato amin’ity lesona ity. Amporisiho ny mpianatra hihaino hira maneho fanajana sy hamerina hijery ireo soratra masina, na teny nindramina, na sary masina tiany indrindra, ka hijery ireo zavatra miavaka mety tiany hozaraina. Ny fanaovana izany dia afaka manomana ny fony sy ny sainy amin’ny sahanasa atao ato amin’ity lesona ity.

  • Miomàna hizara amin’ny mpianatra: Ny sasany amin’ireo fomba tianao indrindra nanehoan’ny olona ny fahatsapan’izy ireo fitsaohana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, toy ny eritreritra, tononkalo, horonantsary tiana indrindra, na sombin-kira masina

  • Votoatin-kevitra haseho: Lisitry ny salamo hohalalinina sy ireo fanontaniana hifanakalozana hevitra; safidy azon’ny mpianatra atao hanehoana ny fahatsapan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy any amin’ny faran’ny lesona

  • Horonan-tsary:Matokia an’i Jehovah: Horonantsary an-kira” (4:11); “Inty Aho, hanaraka an’i Jesoa Kristy” (3:07); “Fiadanana ao amin’i Kristy” (4:09); Mizara ny sary hosodoko nataony momba ny Mpamonjy ao amin’ny Facebook ny Rahavavy Kristin Yee (1:25)

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy, pensilihazo miloko, marker, sy ny toy izany ho an’ireo mpianatra izay maniry ny hamorona sary maneho ny fahatsapan’izy ireo ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Salamo 23

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny toetra malefaka sy feno fitiavana ananan’i Kristy amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina ireo kisaritsary ara-tsoratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mampatsiahy azy ireo ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny zavatra hitany isan’andro. Ohatra, “Ny orana dia mampahatsiahy ahy ny Mpamonjy satria …”. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny Salamo 23 ary hisafidy izay fampitahana nataon’i Davida tamin’ny Mpamonjy na ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ho antsika.

  • Sary: Olona mitomany; olona mandihidy; I Jesoa Kristy aseho amin’ny maha-mpiandry ondry azy

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay, pensilihazo miloko na marker

  • Votoatin-kevitra haseho: Toromarika momba ny fizàrana maka sary an-tsaina amin’ny fampiasana ny Salamo 23:2–6

Salamo 24

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana sy hitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, hieritreritra ny fiomanan’izy ireo ara-panahy manokana ho any amin’ny tempoly. Ireo fanontaniana ireo dia hita ao amin’ny tovana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022].

  • Sary: Zatovo iray mihoso-potaka; ny ao anatin’ny tempoly

  • Fitaovana haseho: Vilia baolina misy fotaka ao anatiny mba ho solon’ny fampisehoana sarina zatovo mihoso-potaka

  • Votoatin-kevitra haseho: Torolalana ho an’ny fandalinana ireo andian-teny ao amin’ny Salamo 24:4

  • Horonan-tsary:Mijoro amin’ny toerana masina” (5:36)