Seminera
Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2: Mitsaoka ny Tompo sy midera ny Anarany Masina


“Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2: Mitsaoka ny Tompo sy midera ny Anarany Masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2: Mitsaoka ny Tompo sy midera ny Anarany Masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Lesona 101

Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2

Mitsaoka ny Tompo sy midera ny Anarany Masina

Photos taken of David A. Bednar during his visit to Africa South East area in October & November 2013.Youth Devotional held in Durban, South Africa.  Some youth singing in the congregation.  Similar outtakes, also some exterior shots of the chapel.

Fomba iray hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fanehoana ny fitiavanao sy ny fanolorantenanao ho Azy Ireo. Maro amin’ireo Salamo no ohatra tononkalo amin’ny fitsaohana ny Ray sy ny Zanaka amin’ny fiderana sy fitalahoana ary vavaka. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra haneho ny fahatsapany fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fiomanan’ny mpianatra: Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana fahafahana izy ireo hisaintsaina ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo zavatra masina ho fiomanana hizara ireo fahatsapana ireo ato amin’ity lesona ity. Amporisiho ny mpianatra hihaino hira maneho fanajana sy hamerina hijery ireo soratra masina, na teny nindramina, na sary masina tiany indrindra, ka hijery ireo zavatra miavaka mety tiany hozaraina. Ny fanaovana izany dia afaka manomana ny fony sy ny sainy amin’ny sahanasa atao ato amin’ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mitsaoka an’ Andriamanitra

Fanamarihana: Ny sahanasa any amin’ny faran’ity lesona ity dia ho anisan’ny fandinihana atao ao amin’ny Lesona 112: “Tombano ny fianaranao 7.” Ataovy izay hamelana fotoana betsaka ho an’ny mpianatra hanombohan’izy ireo manao ilay sahanasa mandritra ny fotoam-pianarana.

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia omeo iray minitra ireo mpianatra hisaintsainana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Midika inona aminao ny hoe “mitsaoka an’ Andriamanitra”?

Ny Loholona Dean M. Davies, izay nanompo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nizara fomba vitsivitsy ahafahantsika mitsaoka an’ Andriamanitra rehefa nampianatra izy hoe:

Former Official Portrait of Dean M. Davies.  Portrait was replaced in May 2016.  Bishop Davies was sustained as second counselor in the Presiding Bishopric at the April 2012 General Conference.  He was called and sustained as first counselor in the Presiding Bishopric during the October 2015 General Conference.  Former Managing Director for Temple and Special Projects Department..

Rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika dia manatona Azy amin’ny fitiavana sy fanetrentena ary fiderana feno fanehoam-panajana. Miaiky isika ary manaiky Azy ho Mpanjakantsika mahefa, ilay Mpahary an’izao rehetra izao, Raintsika malala ary feno fitiavana tsy manam-petra.

Hajaintsika sy omentsika voninahitra Izy.

Mampanoa ny tenantsika Aminy isika.

Manandratra ny fontsika isika amin’ny vavaka feno hafanam-po, mankamamy ny teniny, mifaly amin’ny fahasoavany, ary manolotena hanara-dia Azy omban’ny fahatokiana mahafatrapo. (“Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 94)

  • Ahoana no hamaritanao ny fahasamihafana misy eo amin’ny fandehanana fotsiny any am-piangonana, na any amin’ny tempoly, na any amin’ny seminera raha ampitahaina amin’ny fitsaohana an’ Andriamanitra rehefa manatrika izany ianao?

Zarao fohifohy amin’ny mpianatra ny iray na roa amin’ireo fomba tianao indrindra izay nanehoan’ny olona ny fahatsapan’izy ireo fitsaohana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ohatra amin’izany ny tononkalo, horonan-tsary, haikanto, na asa soratra, na sombin-kira masina. Azonao ampidirina ao ireo zavatra nosoratanao na noforoninao. Hazavao amin’ny mpianatra fa maro ireo fomba ahafahan’ny olona iray maneho fahatsapana fitsaohana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hanehoan’izy ireo ny fahatsapany fitsaohana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mandritra ny lesona dia fantaro tsara ary henoy tsara ireo mpianatra izay mety tsy hahatsapa fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao.

Ao anatin’ny diary fandalinanao dia misafidiana fanontaniana iray na mihoatra mba hovalianao. Azonao ampiasaina ny sasany amin’ny hafatry ny Loholona Davies na ny teninao manokana mba hamintinana ny zavatra tsapanao.

  • Inona no tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, sy ireo zavatra masina?

  • Ahoana no fomba tsara indrindra hanehoanao fitiavana, na fanajana, na fanajana ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ireo fitahiana ara-panahy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona androany dia hanomboka hamorona fanehoana ny zavatra tsapanao ianao. Tadidio hatrany izany rehefa mandalina ianao. Eritrereto ny fomba tianao hanehoana ny zavatra nianaranao sy tsapanao. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao amin’ny ezaka ataonao.

Fitsaohana ny Tompo ao amin’ny salamo

Salamo maro no fanehoana tononkalo sy tonom-bavaka ireo eritreritra masina, fahatsapana, fanantenana ary fanirian’ireo mpanoratra. Na dia maro aza ny soratra masina mirakitra ny tenin’ny Tompo amintsika, dia matetika ny salamo no ahitana taratra ny tenin’ireo mpanoratra ho Azy. Vakio ny Salamo 18:1–6, dia tadiavo ireo teny sy andian-teny nampiasain’i Davida mba hanehoana ny fahatsapany momba ny Tompo.

Asao ireo mpianatra hanoratra ireo teny sy andian-teny hitany eny amin’ny solaitrabe. Mety hahita andian-teny maro isankarazany ny mpianatra, toy ny hoe:

  • Ny Tompo no heriko (andininy 1).

  • Ny Tompo no harambatoko, batery fiarovana ho ahy, Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako, tandroka famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy (andininy 2).

  • Mendrika ny hoderaina ny Tompo (andininy 3).

  • Mihaino ny fitarainantsika Aminy ny Tompo (andininy 6).

Ireo mpianatra izay nanoratra andian-teny dia afaka mizara ny antony mety nahatonga an’i Davida naniry ny mpamaky hahafantatra izany momba ny Tompo. Hevero ny manontany ny mpianatra ny fomba nanatanterahan’ny Tompo ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asao ireo mpianatra hisafidy iray amin’ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray. Amporisiho izy ireo hiato matetika sy hifampizara ny eritreriny sy ny fahatsapany.

Ny salamo dia maneho fomba maro ahafahantsika mizara ny fahatsapantsika manoloana ny Tompo. Halalino tsikelikely ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary asio marika ireo teny sy andian-teny izay ahitana taratra ny fahatsapanao momba ny Tompo.

Salamo 8:1–9

Salamo 27:1–9

Salamo 30:1–12

Salamo 46:1–11

Hevero ny hampiseho ny mpianatra fomba hafa ankoatra ny fanoratana mba hanehoana fitsaohana. Azonao atao ny misafidy horonantsary iray izay maneho ny fahatsapana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandihizana, na mozika, na zavakanto, toy ireto horonantsary manaraka ireto izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra heverin’izy ireo fa nasehon’ireo mpahary tamin’ny alalan’ny tononkira, sary hosodoko, sns.

4:11
4:10

Maneho ny fahatsapanao fitsaohana

Omeo ny mpianatra ny fotoana ambiny amin’ny fotoam-pianarana hamoronana zavatra iray maneho taratra fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tombano ny zavatra ilain’ny mpianatrao, ary asehoy ny sasany amin’ireto safidy manaraka ireto na izy rehetra.

Azonao atao ny manome fitaovana fanaovana zavakanto toy ny taratasy, pensilihazo miloko, marker, sy ny sisa ho an’ireo mpianatra izay maniry hamorona fanehoana hita maso momba ny fahatsapan’izy ireo.

Satria atrikasa manokana ity dia afaka mandehandeha manerana ny efitrano ianao ary manolotra fanampiana sy fitarihana ary famporisihana araka izay ilaina. Raha mety dia hevero ny mandefa mozika malefaka sy masina mandritra ilay sahanasa.

Mety hanampy ny fanehoana ny fitiavanao sy ny fahatokianao ireo mpianatra tsirairay izay mety ho sahirana amin’ny eritreriny na ny fahatsapany momba ny Tompo. Ny sahanasa 6 dia mety ho safidy tsara ho an’ireo mpianatra izay mbola misalasala momba ny finoan’izy ireo.

Makà fotoana hanehoana ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo zavatra masina. Ampiasao ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto na mamorona iray manokana ho anao: Mety tsy hanana fotoana hamitana ny asanao ao an-dakilasy ianao anio, saingy azonao atao ny manomboka mamorona hira iray na tononkalo iray na mamorona hevitra sary na horonantsary. Afaka manohy miasa amin’ny fanehoana ataonao ianao any ivelan’ny kilasy. Azonao atao ny misafidy ny hampiditra soratra masina iray avy ao amin’ny Salamo izay hitanao fa manan-danja.

  1. Mamoròna hira na tononkalo izay maneho ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  2. Mandraketa horonantsary na raki-peo izay hizaranao ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ho an’ny horonantsary dia azonao atao ny mampiditra sary masina tianao indrindra avy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  3. Matetika ny Mpanao Salamo no nampitaha ny Mpamonjy tamin’ny zavatra hafa mba hanehoana ny tiany holazaina momba Azy. Ohatra amin’izany ny hoe “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy” (Salamo 18:2) sy ny hoe “Jehovah no fahazavako” (Salamo 27:1). Ataovy lisitra ireo zavatra eo amin’ny fiainanao izay mety maneho ny fahatsapanao momba ny Tompo.

  4. Mamoròna sary, sary hosodoko, sary mahatsikaiky, fanehoana an-tsary, na haikanto hafa izay maneho ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  5. Mikaroha sary masina maromaro ary atambaro izany. Misafidiana sary izay maneho zavatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsara izay manan-danja aminao. Manaova fanamarihana ho an’ny sary tsirairay izay mamintina ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao.

  6. Soraty ny eritreritrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety tianao ny hizara zavatra niainana iray izay nisy fiantraikany teo amin’ny zavatra tsapanao momba Azy Ireo.

Azonao atao ny mamela ny mpianatra hizara ny zavatra noforoniny androany. Azonao atao ny manokana fotoana hizaran’ny mpianatra ny asany mandritra ny lesona manaraka aorian’ny nahavitan’izy ireo ny zavatra noforonon’izy ireo. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanampy ao amin’ny zavatra noforoniny rehefa manohy mianatra momba an’i Jesoa Kristy izy ireo mandritra ireo lesona maro manaraka. Lazao ireo mpianatra fa hisaintsaina io traikefa famoronana io izy ireo ao amin’ny Lesona 112: “Tombano ny fianaranao 7.”