“Salamo 24: ‘Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Salamo 24: ‘Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Lesona 103
Salamo 24
“Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah?”
Ny tempoly dia toerana masina izay madio sy tsisy pentina. Afaka manampy antsika izy ireny haka sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana izany eo anatrehan’ny Tompo izany. Ao amin’ny Salamo 24, i Davida Mpanjaka dia manasa antsika hiezaka ny ho madio sy mendrika ara-panahy mba hahafahantsika miditra ny tempolin’ny Tompo sy ny fanatrehany indray andro any. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana hiditra amim-pahamendrehana ny tempoly ary hitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, hieritreritra ny fiomanan’izy ireo ara-panahy manokana ho any amin’ny tempoly. Ireo fanontaniana ireo dia hita ao amin’ny tovana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022].
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Maloto sa madio?
Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny Salamo 24, dia hevero ny hampiseho ny sarin’ny zatovo mihoso-potaka iray.
Azonao atao ihany koa ny mitondra fotaka ao anaty lovia baolina iray ary manasa mpianatra vitsivitsy hanao ny tanany ao anatin’izany. Avy eo dia ampifanaraho amin’ny zavatra tsapan’ny mpianatra ny fanontaniana etsy ambany.
-
Oviana no fotoana farany nampihosim-potaka na nampaloto anao? Inona no zavatra tsapanao tamin’izany?
Hevero ny hampiseho ny sarin’ny tempoly ao anatiny.
Raha toa ka tsy mbola tany amin’ny tempoly ny mpianatrao dia hevero ny hanamboatra ity fanontaniana manaraka ity mba hanontaniana ny fihevitr’izy ireo izay tsapany rehefa ao anatin’ny tempoly.
-
Ahoana no fahatsapanao rehefa miditra ny tempoly ianao?
Hevero ny hampiseho ny sarin’ilay zatovo mihoso-potaka eo akaikin’ilay sarina tempoly.
-
Inona no mety ho tsapanao raha toa ka mihoso-potaka ianao no miditra ao amin’ny tempoly? Nahoana?
-
Inona avy ireo lesona ara-panahy azontsika ianarana avy amin’izany?
Saintsaino ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ka mijoro eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao nefa mihoso-potaka sy maloto ara-panahy. Avy eo dia saintsaino ny zavatra mety ho tsapanao raha mijoro eo anatrehan’Izy Ireo rehefa avy nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no manan-danja aminao ny fahamendrehana hiditra ny tempoly? Nahoana?
-
Amin’ny fomba ahoana no mana-danja aminao ny hoe mitoetra miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany indray andro any? Nahoana?
Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hamafantatra ny zavatra tian’ny Tompo hataonao mba ho mendrika ny hitsaoka Azy any amin’ny tempoly ary ny hiditra eo anatrehany sy eo anatrehan’ny Ray any An-danitra indray andro any.
“Tendrombohitr’i Jehovah”
Mba hanombohana ny fandalinana ny Salamo 24, dia hevero ny hanao sarina tendrombohitra tsotsotra eny amin’ny solaitrabe. Afaka manao sary tahak’izany ao amin’ny diary fandalinany ihany koa ny mpianatra. Vakio na fintino ny andiam-pehezan-teny etsy ambany.
Ao amin’ny Salamo 24, i Davida Mpanjaka dia nampiasa sarina havoana iray. Ny andinin-tsoratra masina sasany dia mampiasa tendrombohitra na havoana ho tandindon’ny tempoly (jereo ny Isaia 2:2–3). Azo eritreretina fa i Davida dia niresaka momba ny tempoly, na ny fanatrehan’ Andriamanitra, na izy roa.
Mety tianao asina sarina tempoly tsotsotra eo an-tampon’ilay tendrombohitra miaraka amin’ny teny hoe Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Azonao atao ny manao sarin’olona tsotsotra eo ambanin’ilay havoana izay maneho antsika.
Vakio ny Salamo 24:3–6, dia tadiavo ny fiomanana tokony hataontsika mba hidirana ny tempoly sy hiverenana eo anatrehan’ny Tompo indray andro any.
Ny Salamo 24:3–4 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra dia mety hanana fanontaniana momba ny sasany amin’ireo teny na andian-teny izy ireo. Asao ny mpianatra hametraka izay fanontaniana mety hananan’izy ireo na ny olona iray amin’ny ankapobeny rehefa mamaky io andinin-tsoratra masina io izy ireo. Raha manampy dia hazavao fa ny hoe “zava-poana” dia entina ilazana ny fieboeboana na ny fireharehana. Ilay andian-teny hoe “na mianiana hamitaka” dia mety hilazana ny fahamarinan-toetra amin’ny tena manokana sy amin’ny hafa ary amin’ Andriamanitra.
Hevero ny hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny sisin’ilay havoana. Ny hiafaran’ilay sary dia tokony hitovy amin’ny sary etsy ambany.
-
Inona no nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo mikasika ny fiomanana hiditra ny tempoly sy ny fiverenana eo anatrehan’ny Tompo indray andro any?
Rehefa mizara ny zavatra hitany ao amin’ny andininy 3–6 ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Tsy maintsy miomana ara-panahy isika hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny sy hitoetra eo anatrehany.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mila vonona ara-panahy isika hiditra ny tempolin’ny Tompo ary hiafara eo anatrehany?
-
Nahoana no porofom-pitiavany ho antsika ny fitakian’i Tompo antsika mba ho vonona ara-panahy?
Fiomanana ara-panahy
Hevero ny hanome ireto torolalana manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hamita izany samirery ao amin’ny diary fandalinany na miaraka amin’ny namana iray.
Misafidiana iray amin’ireto andian-teny avy ao amin’ny Salamo 24:4 manaraka ireto izay tianao hianarana misimisy kokoa.
-
madio tanana
-
mahitsy (madio) fo
-
tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny zava-poana (fanetrentena)
-
na mianiana hamitaka (fahamarinan-toetra)
Mitadiava soratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay manampy anao hahatakatra misimisy kokoa ilay andian-teny. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ity ampahany amin’ny fiomanana hitsaoka any amin’ny tempoly ity sy ny miara-mitoetra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy indray andro any?
-
Inona avy ireo fomba manokana azon’ny zatovon’ny Olomasin’ny Andro Farany atao amin’ny lafiny fiomanana io?
-
Inona no tianao hozaraina momba ny Mpamonjy amin’ny namana iray izay manana olana amin’izany lafiny fiomanana izany?
Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia omeo andinin-tsoratra masina tahaka ireto manaraka ireto izy ireto:
-
tanana madio (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:86)
-
mahitsy (madio) fo (Môzià 5:2)
-
tsy nanandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10)
-
Na mianiana hamitakaa (Almà27:27)
Azonao atao ny mitarika azy ireo any amin’ny Topical Guide, na Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Bibliothèhe de l’Évangile.
Azonao atao ihany koa ny manome ny teny nambaran’ny Loholona Bednar ao amin’ny loharanom-pitaovana fanampiny amin’ity lesona ity.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra iray hafa na mpiara-miasa iray hafa izay nandalina andian-teny hafa. Azonao atao avy eo ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy.
Ny fiomanako manokana
Mba hanomanana ny mpianatrao hametraka tanjona manokana dia hevero ny hampiseho horonantsary toy ny “Mitoetra amin’ny toerana masina” (5:36), izay hita ao ChurchofJesusChrist.org. Azo asaina ireo mpianatra hitady ireo fomba niomanan’ilay zatovovavy mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly.
Mety hahitan’ireo mpianatra tombony ihany koa ny fifampihainoana ny zavatra niainan’ny tsirairay. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mizara ny zavatra tsapany rehefa ao amin’ny tempoly na ny fomba hitahiana ny fiainan’izy ireo avy amin’ny fihazonana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly.
Diniho ny fomba ataonao amin’ny fiomananao ara-panahy. Saintsaino ny zavatra tsapanao momba izay mahafaly ny Ray any An-danitra sy ireo lafiny azonao hatsaraina.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao mba hanomanana ny tenanao ho any amin’ny tempoly sy hiara-hiaina Aminy indray andro any?
-
Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny fanampian’i Mpamonjy?
Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana nianaran’ny mpianatra. Omeo toky ny mpianatra ny amin’ny fahafahan’ny Mpamonjy manadio sy manampy azy ireo. Azonao atao ny mizara ireto fanambarana ireto hamaranana ny lesona.
Nizara an’izao manaraka izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
ny faniriako ho anareo sy ireo havan-tianareo dia hitomboanareo ao amin’ny faniriana sy ny fahavononana ho mendrika ny handeha any amin’ny tranon’ny Tompo matetika araka izay tratranareo.
Te handray anareo ao Izy. (“Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Liahona, mey 2021, 31)
Fanaovana tsianjery
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Soratra Masina ho an’ny Salamo 24:3–4 dia ny hoe “Iza no hitoetra eo amin’ny fitoerany masina? Izay madio tanana sy mahitsy fo.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fitadidiana.