Seminera
Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1: Ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Salamo


“Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1: Ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Salamo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1: Ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Salamo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Lesona 100

Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 1

Ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Salamo

An open hymnbook with a violin in the background.

Inona no ampianarin’ireo fihirana tianao indrindra anao momba an’i Jesoa Kristy? Ireo fihirana dia nahafahan’ireo mpahay mozika sy tononkalo maneho ny fihetseham-pon’izy ireo momba ny Mpamonjy nandritra ny taonjato maro. Tahaka ireo fihirana maoderina maro dia betsaka amin’ireo salamo no mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy araka ny naminaniana azy ao amin’ny Salamo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ampianaran’ireo fihirana tian’izy ireo indrindra sy hijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hiomana hizara fihirana tiany indrindra momba an’i Jesoa Kristy ao an-dakilasy. Raha tsapan’ny mpianatra fa tsy manana fihirana tiany indrindra izy ireo dia asao izy ireo hijery ao amin’ny boky fihirana ireo fihirana izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ireo fihirana izay mampianatra an’i Jesoa Kristy

sary famantarana ny seminera Ny fampiasana hira masina ao am-pianarana dia afaka mamorona fahatsapana feno fanajana, sy manasa ny Fanahy Masina, ary mampitombo ny fahatsapana firaisankina. Azo ampiasaina ihany koa ny hira mba hampifandraisana ny hafatra ao amin’ny fihirana amin’ireo fahamarinana ianaran’ny mpianatra.

Azonao ampiasaina ny fihirana masina hanombohana ity lesona ity. Fomba iray azo anaovana izany ny fanasana ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Fihirana (1985) na ny Fihirana—ho an’ny tokantrano sy Fiangonana (2026). Asao ny mpianatra hisafidy fihirana iray eo ambanin’ilay lohahevitra hoe “Jesoa Kristy.” Omeo fotoana ireo mpianatra hamakiana sy hisaintsainana ny tonon’izany fihirana izany. Azonao marihina ny anaran’ireo mpanoratra sy ireo andinin-tsoratra masina mifandray eo ambanin’ny feony sy tonony. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hizara ny valinteniny amin’ny namana iray.

(Ho fiofanana fanampiny momba ny fampiasana hira masina ao an-dakilasy, dia jereo ny “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy sy ny fiainany avy amin’ny tonon’io fihirana io?

  • Misy fihirana hafa momba ny Mpamonjy ve izay manana heviny manokana aminao? Raha eny, dia nahoana?

Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahatsapa ny herin’ny tonony sy feony izay mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Ny bokin’ny Salamo

Ny bokin’ny Salamo dia fitambarana vavaka sy tononkalo ary fihirana izay mitovitovy amin’ny fihiranantsika amin’iao fotoana.

Asao ny mpianatra hijery ny bokin’ny Salamo. Omeo roa na telo minitra ireo mpianatra mba hanopy maso ny sasany amin’ireo salamo ka hitady fahatsapana ankapobeny.

  • Rehefa manao topy maso ilay boky ianao dia inona no tsikaritrao momba ny Salamo izay mahatonga izany ho miavaka?

  • Inona no fanontaniana anananao momba io boky io?

Jereo haingana ny Salamo 3 dia asio marika isaky ny mahita ny teny hoe Sela ianao. Na dia tsy azo antoka tsara aza ny dikan’ny hoe Sela dia mety natao marika ho an’ny mpihira na ny mpamaky izany mba hiatoana kely sy hisaintsaina (toy ny fiatoana amin’ny mozika).

Vakio ny Salamo 3, miatoa isaky ny mamaky ny teny hoe Sela. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hisaintsaina ireo andininy ireo.

  • Inona no mety ho antony nahatonga mpanoratra mila antsika miato sy misaintsaina eo amin’ireo toerana ireo?

  • Ahoana no manampy na mankahery tanora iray ankehitriny ny fisaintsainana eo amin’ny iray na maromaro amin’ireo toerana ireo?

Miankina amin’ny fanontanian’ny kilasinao sy ny zavatra iainany dia azonao atao ny manamarika fohifohy ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra:

  • Maro amin’ireo salamo no natokana ho an’ny mpanoratra manokana toa an’i Davida (Salamo 3). Ny salamo hafa dia tsy fantatra ny mpanoratra azy (jereo ny Salamo 1).

  • Hita manerana ny Salamo ny endrika tononkalo hebreo.

    • Ny mirazotra dia endrika tononkalo izay ahitana andalana roa na maromaro mizara hevitra mifandray (jereo ny Salamo 29:4).

    • Ny famerimberenana dia fomba fanao amin’ny tononkalo hebreo izay manamafy andalana iray amin’ny alalan’ny famerimberenana izany (toy ny “Derao Izy” ao amin’ny Salamo 150).

  • Amin’ny fiteny Hebreo, ny Salamo 119 dia ohatra iray amin’ny tononkalo akrostika. Ny tononkalo akrostika dia mampiasa ny litera voalohany isaky ny andalana mba hanononana teny na ny abidia hebreo.

  • Ny bokin’ny Salamo dia voatonona ao amin’ny Testamenta Vaovao mihoatra ny in-115 (jereo ny Salamo 6:8 sy Lioka 13:27).

  • Taorian’ilay Fanasana Farany dia nihira fihirana iray i Jesoa sy ireo mpianany (jereo ny Matio 26:30). Azo inoana izany fa ny Salamo 113–118, ny “Hallel,” ilay fihirana araka ny fomban-drazana hiraina amin’ny Paska (jereo ny Merrill J. Bateman, “The Power of Hymns,” Ensign, jolay 2001, 17).

Vakio ny Lioka 24:44 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany momba ny salamo fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Raha niresaka momba ny iray amin’ireo hafatra manan-danja indrindra hita ao amin’ny bokin’ny Salamo ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland.  Photographed January 2018.

I Jesoa dia nampiasa ny bokin’ny Salamo imbetsaka mihoatra noho ireo lahatsoratra hafa ao amin’ny Testamenta Taloha. … Azo lazaina fa ao anatin’ny soratra masina rehetra, dia tsy misy boky soratra masina miresaka betsaka mikasika ny iraka nampanaovina ny Mesia na ny fiandrasana sy ny faniriana ny hiverenany toy ny hita ao amin’ireo hiran’ny mpanao Salamo. (For Times of Trouble: Spiritual Solace from the Psalms [2012], 7–8)

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Lioka 24:44 sy avy tamin’ny Filoha Holland? Nahoana no ilaina ny mandalina ny bokin’ny Salamo?

Ampio ny mpianatra hahafantatra fa afaka mianatra momba ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny salamo. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo fanambarana mifono faminaniana ao amin’ny Salamo momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy, dia omeo ny sasany na izy rehetra amin’ireto andinin-tsoratra masina etsy ambany ireto. Ireto manaraka ireto dia fomba vitsivitsy azonao ampanaovina ny mpianatra entina mandalina ireo andininy ireo:

  • Soraty amin’ny taratasy kely ireo andinin-tsoratra masina tsiroaroa ary apetrapetraho manerana ny efitrano ny taratasy tsirairay. Omeo fotoana ny mpianatra hivezivezena manerana ny efitrano ary mamaky ny maromaro amin’ireo faminaniana sy fahatanterahana.

  • Afangaroy ireo soratra masina tsiroaroa ary asao ireo mpianatra hampifandray ireo faminaniana ao amin’ny Salamo amin’ny fahatanterahan’izany.

  • Ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Salamo ihany no asehoy. Asao ny mpianatra hampiasa ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny soratra masina sy ireo fitaovana fandalinana soratra masina hafa mba hahitana andinin-tsoratra masina avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mahatanteraka ny faminaniana tsirairay.

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Faminaniana tanteraka

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 22:1

Faminaniana tanteraka

Matio 27:46

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 22:7–8

Faminaniana tanteraka

Matio 27:41–43

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 22:16

Faminaniana tanteraka

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 22:18

Faminaniana tanteraka

Jaona 19:23–24

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 31:5

Faminaniana tanteraka

Lioka 23:46

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 34:20

Faminaniana tanteraka

Jaona 19:31–36

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 41:9

Faminaniana tanteraka

Lioka 22:47–48; Asan’ny Apostoly 1:16–17

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 69:20–21

Faminaniana tanteraka

Jaona 19:28–29

Ireo Salamo izay maminany momba an’i Jesoa Kristy

Salamo 118:22

Faminaniana tanteraka

Asan’ny Apostoly 4:10–12

Mieritrereta toe-javatra iray izay niainanao na ny olona iray akaiky anao ka manampy ny fahafantarana ny zavatra nianaranao momba ny fiainan’ny Mpamonjy na ny iraka nampanaovina Azy avy amin’ireo faminaniana ireo. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny fahatanterahan’ny sasany amin’ireo faminaniana dia azonao atao ny mampiseho horonantsary maneho ireo fotoana teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Ohatra, azonao ampiasaina ny “Tsy avy amin’izao tontolo izao ity ny fanjakako,” mari-potoana 0:00 hatramin’ny 3:18, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Io horonan-tsary io dia maneho ireo faminaniana ao amin’ny Salamo 22:1, 7–8, 16.

5:25

Rehefa mijery ilay horonantsary ny mpianatra dia asao izy ireo hanangan-tanana rehefa mahita tranga iray izay naminaniana tao amin’ny Salamo. Hevero ny hampiato ilay horonantsary sy hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra tian’izy ireo ho takatry ny olona iray momba io fotoana teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy io.

Ny fiainan’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hilaza ny fahatakarany ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy araka ny faminaniana ao amin’ny Salamo. Safidy iray azo atao ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray, na anaty vondrona kely, na amin’ny iray kilasy.

Misafidiana iray amin’ireo faminaniana avy ao amin’ny Salamo izay hitanao fa manan-danja manokana.

  • Inona no ampianarin’io faminaniana io anao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny zavatra nianaranao momba Azy?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanohy hikaroka ireo andinin-tsoratra masina milaza an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny bokin’ny Salamo izy ireo mandritra ireo herinandro vitsivitsy manaraka. Tsara ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fihirana na fihainoana fihirana momba ny Mpamonjy, araka izay nosafidin’ny mpianatra.

Ao amin’ny Lesona 101: “Teny fampidirana ny Salamo, Fizarana 2,” ny mpianatra dia hamorona fanehoana ny fitiavany sy ny fanolorantenany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tahaka ny nataon’ireo mpanao Salamo. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanomboka hieritreritra momba izany sahady amin’izao. Angataho izy ireo hisaintsaina ny zavatra tsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba hanehoan’izy ireo izany fahatsapana izany.