Seminera
Salamo 23: “Jehovah no Mpiandry ahy”


“Salamo 23: -Jehovah no Mpiandry ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Salamo 23: -Jehovah no Mpiandry ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: Lesona 102

Salamo 23

“Jehovah no Mpiandry ahy”

A lamb drinking water from the cupped hands of Jesus Christ.

Ny fiatoana mba hakana sary an-tsaina ireo famaritana sy fampitahana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina dia afaka mitondra hatsarana sy hery amin’ireo teny vakiantsika. Ao amin’ny Salamo 23, i Davida Mpanjaka dia namariparitra ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny andiana sary izay maneho ny fitiavana sy ny fiahian’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatsapa ny toetra malefaka sy feno fitiavana ananan’i Kristy amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina ireo kisaritsary ara-tsoratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mampatsiahy azy ireo ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny zavatra hitany isan’andro. Ohatra, “Ny orana dia mampahatsiahy ahy ny Mpamonjy satria …”. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny Salamo 23 ary hisafidy izay fampitahana nataon’i Davida tamin’ny Mpamonjy na ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ho antsika.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fakana sary an-tsaina ireo kisaritsary ara-tsoratra masina

Mba hanampiana ny mpianatra hanao fanazarana handalina avy amin’ny kisary ao amin’ny soratra masina, dia hevero ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’olona misaona sy sarin’olona mandihy. Avy eo dia anontanio ny mpianatrao hoe inona no eritreritra na fahatsapana tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny hoe misaona izy ireo. Mety hizara zavatra toy ny ranomaso, na fahalasan’olona iray, na fahoriana, na alahelo ny mpianatra. Avereno ilay fanontaniana momba ilay hoe mandihy.

Coping with Grief
A Young Woman Dancing

Vakio ny Salamo 30:11, dia tadiavo ny fomba nampiasan’i Davida ny kisarin’ny fisaonana sy ny fandihizana mba hamaritana ny herin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Ahoana no hanampian’ireo kisary ireo anao hahatakatra ny zavatra nampianarina an’i Davida momba an’i Jesoa Kristy rehefa niteny izy hoe: “Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao”?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fampiasana ireo kisary ireo mba hahatakarana bebe kokoa ny andininy 11 dia ohatra iray amin’ny fahaiza-manao enti-mandalina ny hoe maka sary an-tsaina. Hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky ity famaritana manaraka ity momba io fahaiza-mandalina io.

Ny fakana sary an-tsaina dia fahaiza-mandalina izay miteraka sary ara-tsaina avy amin’ny famariparitana ireo antsipiriany ao amin’ny soratra masina. Afaka maka sary an-tsaina ny tenanantsika isika manatrika ireo zava-niseho voasoritsoritra ao amin’ny soratra masina. Afaka miato kely isika ary maka sary ireo andian-teny toy ny hoe “Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao” (Salamo 30:11). Ny dingana manaraka dia ny fisaintsainana ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo kisary. Ny fanaovana izany dia afaka manasa ny Fanahy Masina rehefa miato sy misaina kely isika ary mikatsaka ny hahatakatra amin’ny fo sy ny saina.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Impiry ianao no miato sy misaina kely mba haka sary an-tsaina ny zavatra halalininao ao amin’ny soratra masina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fiatoana sy fisainana kely mba haka sary an-tsaina ny zavatra vakinao manampy anao hahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy?

Mifantoha amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hanampy anao hianatra momba an’i Jesoa Kristy rehefa maka sary an-tsaina ireo famaritana ao amin’ny Salamo 23 ianao anio.

“Jehovah no Mpiandry ahy”

Ity fizarana amin’ny lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hiara-hizatra haka sary an-tsaina miaraka amin’ny iray kilasy alohan’ny hanandramany izany samirery.

Vakio ny Salamo 23:1 ary asio marika ilay kisary ampiasaina mba hamaritana an’i Jesoa Kristy.

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ny Mpamonjy dia azonao atao ny manasa azy ireo haka sary an-tsaina Azy ho mpiandry ondry eo am-pamakian’izy ireo ny Ezekiela 34:11–16 na ny Jaona 10:11–15, na rehefa mihira ny “Au Berger elles sont chères” (Cantiques, no. 142) ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampifandray na mampifandrohy ireo andalana ireo amin’ny Salamo 23:1.

Makà iray minitra hiezahana hakana sary an-tsaina mpiandry ondry iray miahy na miaro ny ondriny.

Avy eo dia manorata fanambarana iray momba an’i Jesoa Kristy izay nianaranao avy amin’ny fakana sary an-tsaina Azy ho mpiandry ondry.

Hevero ny haneho sarin’i Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe izay maneho Azy ho mpiandry ondry tahaka ilay iray any am-pandohan’ny lesona. Manasà mpianatra vitsivitsy hanoratra ny fanambaran’izy ireo ny fahamarinana momba Azy eny amin’ny solaitrabe manodidina ilay sary. Mety hizara fanambarana toy izao ny mpianatra: Miahy izay zavatra ilaiko ny Tompo.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha mpiandry ondry an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao na tamin’ny fiainan’ireo manodidina anao?

Mahafantatra an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hamantatra bebe kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fakana sary an-tsaina samirery na ao anatina vondrona kely. Fomba iray anaovana izany ity sahanasa manaraka ity. Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra dia omeo taratasy fotsy ny mpianatra tsirairay. Azonao atao ihany koa ny manome pensilihazo miloko na marker izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hanaovana sary.

  1. Halalino ny Salamo 23:2–6. Avy eo dia misafidiana andininy iray izay nanaitra anao manokana mba hifantohana amin’ny ambin’ity sahanasa ity.

  2. Alaivo sary an-tsaina ilay kisary nampiasain’i Davida Mpanjaka ao amin’ny andinin-tsoratra masinao mba hamaritana ny toetran’i Jesoa Kristy na ny zavatra ataony ho antsika. Ataovy saryny zavatra alainao sary an-tsaina na mitadiava sary nomerika izay afaka maneho ilay sary ao an-tsainao.

  3. Manorata fanambarana fahamarinana momba ny Mpamonjy iray farafahakeliny ao amin’ny taratasinao izay nianaranao avy tamin’ny fakana sary an-tsaina ny famariparitan’i Davida.

  4. Ataovy miavaka ny zavatra nianaranao amin’ny alalan’ny fisaintsainana (na fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny vondrona misy anao) ny antony maha-manan-danja izany aminao na ny fomba ahafahan’izany manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Eo am-panaovan’ny mpianatra izany dia hevero ny handehandeha manerana ny efitrano mba hianarana avy amin’izy ireo sy hanampy ireo izay mety mila fanampiana. Raha sahirana ireo mpianatra amin’ny fakana sary an-tsaina ilay kisary dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Toy ny ahoana izany hoe eo amoron’ny rano fialan-tsasatra izany?” na “Maneho inona araka ny eritreritrao ny tsorakazo sy ny tehina?” Ankoatra izany, ny fankasitrahana ny sary nataon’ny mpianatra na ny hevi-baovao hitany dia mety ho fomba tsara hamporisihana azy ireo sy hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’izy ireo.

Mety hanoratra fanambarana fahamarinana momba ny Mpamonjy ny mpianatra toy ny hoe: Ny Tompo dia mamerina amin’ny laoniny ireo fanahy trotraka sy ireo fanahy torotoro (andininy 3) na Hamahana antsika ny Tompo na dia mandritra ireo toe-javatra sarotra aza (andininy 5).

Rehefa avy nahavita io sahanasa io ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy. Mba hanaovana izany dia azon’izy ireo atao ny mampiseho ny sariny manerana ny efitrano, mizara ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra hafa na amin’ny vondrona hafa, na manampy ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto rehefa avy nizara ny mpianatra.

  • Moa ve misy zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay mety tsy ho hitanao raha tsy niato sy nisaina kely ianao mba haka sary an-tsaina ilay kisary ao amin’ny Salamo 23? Raha eny, dia inona?

  • Iza amin’ireo kisary ireo no manampy anao hahita ilay toetra malefaka sy feno fitiavana ananan’i Jesoa Kristy? Nahoana?

Azonao atao ny mamarana amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hampiasa ny fakana sary an-tsaina ao anatin’ny fandalinany soratra masina entina hanohizana ny fahafantarana bebe kokoa ny Mpamonjy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay nampianarina ao amin’ny Salamo 23.