“Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86
Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86
Topimaso
Rehefa avy nanao fahotana goavana i Davida dia naneho ny faniriany hibebaka sy hodiovina ao amin’ny salamo (jereo ny Salamo 51). Ny ankamaroan’ny soratra masina dia Andriamanitra miresaka amin’ny olona, fa ny ankamaroan’ireo salamo dia tenin’olona miresaka amin’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Salamo ireo mpanao salamo no naneho ny fanantenan’izy ireo sy ny fihetsehampon’izy ireo tamin’ny vavaka tahaka ny teny. Rehefa mandalina ny vavak’ireo mpanao salamo isika dia afaka mianatra fomba hampitomboana ny fifandraisantsika manokana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.
Ampianaro ny fotopampianarana. Rehefa nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana ny Mpamonjy dia navelany hifandray amin’ny ampahany samihafa ao amin’ilay tantara ny mpianatra. Izany dia nanampy ny mpianatra hahita zavatra manan-danja manokana ao amin’ireo fampianarany. Rehefa mampianatra ny fotopampianaran’ny Mpamonjy isika dia afaka manampy ireo mpianatra ahita zava-manan-danja ho an’ny tena avy amin’ny zavatra ianarany. Fomba iray ahafahantsika manao izany ny fanampiana ny mpianatra handinika ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Raha te hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “The Savior Helped People Find Personal Relevance in His Doctrine” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 23). Ahitana ohatra amin’ny fomba fanaovana izany ao amin’ny Lesona 105: “Salamo 61–86.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Salamo 51
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mibebaka izy ireo dia afaka manadio azy ireo ny Mpamonjy.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny tenan’izy ireo ao anatin’ity toe-javatra manaraka ity: Alaivo sary an-tsaina ny namanao iray mizara aminao fa fantany ny ilan’izy ireo mibebaka kanefa manontany tena momba ny fomba hanaovany izany izy. Inona no tianao ho takany momba ny fibebahana sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fandresena ny fahotana?
-
Votoatin-kevitra haseho: Ireo toromarika hamaliana ny mety ho fanontaniana mipetraka avy ao amin’ny Gazetyboky Ho Zatovo Mahery; ireo toromarika rehefa mandalina ny Salamo 51:1–19 ny mpianatra
Salamo 61–86
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hifandray bebe kokoa amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handinika tsara eo anelanelan’ny kilasy amin’izao fotoana izao sy ny manaraka momba ny zavatra tsapany ny amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka ataony.
-
Votoatin-kevitra haseho: Ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny salamo sy ireo fanontaniana miaraka amin’izany; ilay kisary izay manampy ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany momba ny vavaka
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 7
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hitadidy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra ahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny lisitr’ireo Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Azon’ny mpianatra atao ny maka andinin-tsoratra masina iray sy andian-teny manan-danja iray avy ao amin’ilay lisitra. Omeo minitra vitsy ny mpianatra hanaovana tsianjery ny andalana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nosafidiny. Azon’izy ireo ampiasaina ny application Maîtrise de la doctrine ho fitaovana hanampiana azy ireo hanao tsianjery.
-
Zavatra tokony homanina: Taratasy kely efatra mipaingotra miaraka ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Votoatin-kevitra haseho: Torolalana ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery; sarina rafitra efajoro roa.
-
Horonan-tsary “Fandinihana fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” (2:56)