“Salamo 51: -Diovy aho mba ho afa-pahotana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Salamo 51: -Diovy aho mba ho afa-pahotana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: Lesona 104
Salamo 51
“Diovy aho mba ho afa-pahotana”
I Davida dia nanoratra salamo iray izay naneho ny faniriany ho voavela heloka noho ny fahotana nataony. Nasehony ny faniriany hibebaka tamin-kitsimpo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mibebaka izy ireo dia afaka manadio azy ireo ny Mpamonjy.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny tenan’izy ireo ao anatin’ity toe-javatra manaraka ity: Alaivo sary an-tsaina ny namanao iray mizara aminao fa fantany ny ilan’izy ireo mibebaka kanefa manontany tena momba ny fomba hanaovany izany izy. Inona no tianao ho takany momba ny fibebahana sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fandresena ny fahotana?
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fibebahana
Ity sahanasa manaraka ity dia manome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny fahatakarany amin’izao fotoana izao momba ny fibebahana. Azonao atao ny mampiseho ireo torolanana.
Alaivo sary an-tsaina hoe nampidirina tao anatin’ny edisiona Ho zatovo mahery tamin’ity volana ny fanontaniana avy amina zatovo iray tsy mionona anarana:
“Vao haingana aho no nanao fahotana goavana izay ahatsapako fanenenana lehibe. Tsy tena azoko antoka ny fomba fibebahana. Raha tsorina dia manontany tena mihitsy aza aho raha tsy afaka mibebaka intsony. Misy afaka manampy ve?”
Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, amin’izay zavatra fantatrao momba ny fibebahana, ny zavatra tsapanao ka mety hanampy ilay olona hahafantatra sy hahatakatra momba izany.
Rehefa mamaky ilay fanontaniana tsy mitonona anarana ny mpianatra sy mirakitra an-tsoratra ny valinteniny dia mety hanana fanontaniana fanampiny izay tonga ao an-tsainy izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra fanontaniana hafa mety hananan’izy ireo momba ny fibebahana. Ampio izy ireo hahafantatra fa mandritra ny lesona dia hanana fahafahana izy ireo handalina misimisy kokoa momba ny fibebahana. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Fanahy dia afaka manome azy ireo ny valin’ny fanontaniany momba ny fibebahana rehefa mikatsaka valiny ombam-bavaka izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinany na ao an-dakilasy na any ivelany.
Fibebahana amin-kitsimpo
Anontanio ny mpianatra ny zavatra fantany momba an’i Davida Mpanjaka. Azonao atao ny mangataka azy ireo hizara ny sasany amin’ireo zavatra tsara nataony ary koa ny sasany amin’ireo fahotana vitany. Zarao amin’ny mpianatra ny iray amin’ireto sahan-kevitra manaraka ireto izay tsy voalazan’izy ireo tamin’ny famintinana nataony.
I Davida dia “meloka tamina heloka bevava; saingy … nahatsapa nenina marina izy ary afaka nisitraka famelan-keloka, afatsy tamin’ny famonoana an’i Oria” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Davida”, jereo ihany koa ny Fotompampanarana sy fanekempihavanana 42:18). Ao amin’ny Salamo 51, i Davida dia nirakitra salamo iray ho an’ Andriamanitra izay nanehoany ny fahatsapany nenina taorian’ny fahotany niaraka tamin’i Batseba (jereo ny 2 Samoela 11–12). Ny fanetrentenan’i Davida sy ny faniriany tena avy amin’ny fo mba haverina amin’ny laoniny tamin’ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fanekena azy dia maneho ny fihetsiky ny olona izay tena mikatsaka ny hibebaka marina.
Azon’ny mpianatra atao aloha ny mandalina manokana ny Salamo 51 ka mitady izay nianarany momba ny fibebahana; avy eo dia azonao omena fahafahana izy ireo hizarana ny zavatra hitany sy nianarany. Ireto misy torolalana vitsivitsy azonao aseho mba ho arahan’ny mpianatra. Afaka amboarinao ny iray amin’ireo torolalana ireo ianao mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Halalino manokana ny Salamo 51:1–19 ka tadiavo ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny salamo nataon’i Davida momba an’ (1) Andriamanitra, na ny (2) fibebahana. Mariho ny zavatra hitanao.
Avaho ireo andian-teny telo nasianao marika ary ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
-
Manorata fanambarana fahamarinana iray izay ampianarin’ilay andian-teny momba an’ Andriamanitra na ny fibebahana.
-
Mitadiava soratra masina mifandray izay manamarina na manamafy na ny fahatakaranao ny hevitr’ilay andian-teny.
-
Mitadiava teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy amin’ny fahatakarana izany.
-
Manorata fanontaniana iray momba ilay andian-teny.
Fomba iray azonao hanampiana ny mpianatra hiomana hanao fizarana ny manao lisitra 1–19 eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra ny anarany eo akaikin’ireo laharan’ny andinin-tsoratra masina izay ahitana andian-teny tiany hizaràna andinin-tsoratra masina mifandray, na teny nindramina, na fanontaniana. Rehefa vitan’izy ireo izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara. Eo am-pizaran’izy ireo izany dia azonao atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny fanambarana fahamarinana.
Ireto ambany ireto misy votoatin-kevitra azonao zaraina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra. Ireo soratra masina sy fanambarana dia arindra ho andiana andinin-tsoratra masina sy fahamarinana amin’ny sora-matevina. Ataovy izay hanarahana ny bitsiky ny Fanahy izay mety ho azonao momba ny zavatra hozaraina na ny zavatra tokony hangatahina.
Salamo 51:1–2, 7, 9: Manana hery hanadiovana ahy amin’ny fahotako Andriamanitra.
Isaia 1:18
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
[Na] betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao … na dia lavitra toy inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy. (“Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33)
Salamo 51:3–4: Ny fiaikena ny fahotantsika eo anatrehan’ Andriamanitra dia ilaina amin’ny fibebahana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43
Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia manazava hoe:
Ny fibebahana dia mitaky ny famborahana ireo fahotana amin’ny Ray any An-danitra. …
Rehefa manao fahotana goavana ny mpikamban’ny Fiangonana dia tafiditra ao amin’ny fibebahan’izy ireo koa ny fibabohana amin’ny evekany na ny filohan’ny tsatòkany. Amin’izay dia afaka mampiasa ireo fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ho azy ireo Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27; 107:18, 20). Manampy azy ireo ho sitrana sy hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara izany amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
… Ny fibabohana an-tsitrapo dia maneho fa maniry ny hibebaka ny olona iray. (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 32.4.1, Médiathèque de l’Évangile)
Salamo 51:10–12: Rehefa mibebaka isika dia afaka manampy antsika hiova sy hahatsapa fifaliana ary hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika Andriamanitra.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy! (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67)
Salamo 51:16–17: Tsy maintsy manana fo torotoro sy fanahy manenina aho raha hibebaka marina eo anoloan’ Andriamanitra.
Nanazava izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fananana fo torotoro dia mba hanetren-tena, hibebahana, ary halemy fanahy, mora mahatakatra ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fanahy manenina dia mametraka ny tombontsoan’ny tena manokana eo am-pelatanan’ Andriamanitra, ary mino fa ny sitrapony, fa tsy ny sitrapontsika, dia hanampy antsika ho lasa ilay tokony hahatongavantsika. (The Divine Gift of Forgiveness [2019], 153)
Azavao ny atao hoe fibebahana
Mba hanampiana ny mpianatra haneho ny fahatakarany ny fibebahana amin-kitsimpo sy ny anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’izany dia asao izy ireo hamerina hijery ny zavatra nianarany tao an-dakilasy anio.
Avereno jerena ny zavatra nosoratanao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana momba ilay fanontaniana ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery. Amin’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany momba ny fibebahana amin-kitsimpo, dia ampio fehezanteny roa na telo ilay valinteninao tany am-boalohany.
Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara izay hamaliany ilay fanontaniana. Amporisiho ny mpianatra hizara ny hafatr’izy ireo amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviany izay tsapan’izy ireo fa ho tahiana amin’ny fandrenesana izany.
Farano ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hitodika amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny heriny mba hanadio antsika rehefa mibebaka