“Salamo 61–86: -Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Salamo 61–86: -Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: Lesona 105
Salamo 61–86
“Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô”
Mety ho tsaroanao ny fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao faniriana hanakaiky ny Ray any An-danitra. Maro amin’ireo Salamo no vavaka vokatry ny fo izay manome ohatra amin’ny fanatonana ny Ray any An-danitra amin’ny finoana feno fanetrentena. Ny vavaka dia fitaovana mahery vaika izay ahafahan’ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra, hiantso an’ Andriamanitra mba hampionona, na hanome hery, na fitarihana. Tahaka ireo fitaovana maro hafa dia azontsika ampiasaina amin’ny fomba mahomby kokoa ny vavaka. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hifandray amin’ny fomba manan-danja kokoa amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handinika tsara eo anelanelan’ny kilasy amin’izao fotoana izao sy ny manaraka momba ny zavatra tsapany ny amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka ataony.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy
Mialohan’ny fanombohan’ny kilasy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “mitandrina” sy “tsy miraharaha”. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra tsara ny famaritana ireo teny manaraka ireo. Mitandrina: atao amim-pisainana na amin’ny fifantohana. Tsy miraharaha: Tsy miraika na manahy.
Alamino tsiroaroa na ho vondrona kely ny mpianatra mba hizara izay hiheverany ny atao hoe mitandrina na tsy miraharaha amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa mpinamana roa na vondrona mba hampiseho ireo zavatra tena notandreman’izy ireo sy ireo zavatra tsy noraharahian’izy ireo.
Fanaovana fanatanjahantena
Mianatra momba ny fitaovana iray
Fampiasana any an-tsekoly
Rehefa avy nomena fahafahana hizara ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “vavaka.”
-
Mety ho toy ny ahoana izany hoe mitandrina na tsy miraharaha amin’ny vavaka izany?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba mahazatra azy ireo rehefa mivavaka. Fomba iray anaovana izany ity manaraka ity. Omeo toky ny mpianatra fa tsy hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny hafa akory izy ireo.
Diniho mangina ny valinteninareo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Heverinao ho amim-pitandremana kokoa ve sa tsy ampiiraharahiana ireo vavaka ataonao? Nahoana?
-
Ahoana no mety hitahiana anao raha toa ka am-pitandremana sy manan-danja kokoa ny vavaka ataonao?
Ireo fanontaniana teo aloha dia manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny toe-javatra iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao.
Rehefa hitan’ny mpianatra ny fomba ifandraisan’ny zavatra ianarany amin’ny toe-javatra iainany eo amin’ny fiainany, dia azo inoana kokoa fa hampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany izy ireo. Afaka ampianao ny mpianatra hahita zavatra mifandray ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny fanomezana tosika izay manampy ny mpianatra hieritreritra ny toe-javatra iainany amin’izao fotoana izao. (Mba hahitana fiofanana fanampiny amin’ny famoronana traikefa fandalinana manan-danja dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022].)
Afaka manasa ny mpianatra ianao hametraka fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny vavaka.
Maro amin’ireo salamo no vavaka vokatry ny fo izay manome ohatra amin’ny fanatonana ny Ray any An-danitra amin’ny finoana feno fanetrentena. Rehefa mandalina ireo salamo ireo ianao dia aoka hiaino tsara ireo eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba hifandraisana amin’ny fomba manan-danja kokoa amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.
Ny salamo dia afaka mampianatra antsika momba ny vavaka
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mifandray amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka, dia asehoy ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Afaka mamaky andalana iray ny mpianatra, ary avy eo dia mandinika ny mety hamalian’izany fanontaniana iray na maromaro amin’ireo.
Mety hanampy ny mandefa feon-kira moramora eo ampandalinan’ny mpianatra.
Mamakia farafahakeliny telo amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny valin’ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka reto.
Salamo 55:16–17
Salamo 61:1–3
Salamo 63:1–7
Salamo 69:13–18
Salamo 86:3–12
-
Amin’ny fotoana inona aho no tokony hivavaka amin’ny Ray any An-danitra?
-
Ahoana no ahafahako mitandrina bebe kokoa amin’ny vavaka ataoko?
-
Toy ny ahoana no tokony ho fihetsiko rehefa manatona ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka aho?
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity mba hifanakalozana hevitra: Mety ho lasa manan-danja kokoa ny vavaka ataontsika amin’ny Ray any An-danitra rehefa … isika .
Asao ny mpianatra hameno ny banga amin’ilay fehezanteny amin’ny zavatra nianarany momba ny vavaka avy amin’izay novakiany tao amin’ny salamo. Anisan’ny mety ho valintenin’ny mpianatra ny hoe:
mivavaka amin’ny fotoana rehetra (jereo ny Salamo 55:16–17).
mivavaka rehefa mahatsapa ho tototra (jereo ny Salamo 61:2).
mivavaka mba hahazo fanafahana (jereo ny Salamo 69:13–18).
mivavaka mba hahazo famindram-po (jereo ny Salamo 86:3–5).
mivavaka amin’ny toetra feno fitiavana sy fanajana ary fiderana (jereo ny Salamo 63:4–6; 86:8–13).
Mivavaka amim-pitiavana sy amim-panehoana fanajana ny Ray any An-danitra
Ity ampahany amin’ny lesona ity dia mifantoka amin’izao fahamarinana izao: Lasa manan-danja kokoa ny vavaka ataontsika amin’ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka amim-pitiavana sy amim-panajana ary amim-piderana isika.
Ny fomba iray ahafahantsika mivavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fihetsika maneho fitiavana sy fanajana lehibe kokoa dia amin’ny alalan’ny feo sy ny fitenin’ny vavaka ataontsika.
Nampianatra izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Manaraka endrika samy hafa amin’ny fiteny samy hafa ny fiteny manokana ampiasaina amin’ny vavaka, kanefa mitovy hatrany ilay fitsipika. Tokony amin’ny Raintsika any An-danitra isika no hivavaka amin’ny fampiasana ireo teny izay ampiarahan’ireo mpampiasa izany fiteny izany amin’ny fitiavana, fanajana lalina, ary ny fifanakaikezana am-po. …
… Maniry ny hanaraka ny fampianaran’i Mpamonjy isika hoe: “Rehefa mivavaka kosa ianareo, dia aza manao famerimberenana foana tahaka ny mpanompo sampy, satria heveriny fa hohenoina izy noho ny habetsahan’ny teniny.” [Matio 6:7; jereo koa ny 3 Nefia 13:7.] Tokony ho tsotra sy mivantana ary vokatry ny fo ny vavaka ataontsika. (“The Language of Prayer,” Ensign, Mey 1993, 16.)
Azonao atao ny manazava fa afaka maneho fitiavana sy fanajana ary fankatoavana ny Ray any An-danitra isika rehefa miresaka Aminy ka mampiasa ny teny hoe ianao, anao. Jereo ny “The Language of Prayer,” Ensign, Mey 1993, mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa.
Eritrereto ny fiteny ampiasainao amin’ny vavaka ataonao sy ny fomba anehoan’izany ny fitiavanao ny Ray any An-danitra.
-
Nahoana no mendrika ezaka ny fampiasana fiteny feno fanajana sy fankatoavana ao anatin’ny vavaka ataonao?
Vakio ny Matio 6:5–13 ka tadiavo ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy fitiavana sy fanajana ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka.
-
Inona no ianaranao avy amin’ireo fampianarana sy ohatra nasehon’ny Mpamonjy izay afaka miantraika amin’ny fomba fivavakao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny vavaka tamin-kintsimpo ny fiainanao?
Fampiharana
Ity kisary manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra fomba hampiharana ny zavatra nianarany momba ny vavaka. Asao ireo mpianatra hamerina ilay kisary ao amin’ny diary fandalinany. Avy eo dia asao izy ireo hanoratra ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ny kisary isaky ny fizarana tsirairay.
Ampio ny mpianatra hamantatra fa azon’izy ireo ampiharina manomboka androany ny zavatra nosoratany dia zavatra . Asao izy ireo hanao zavatra mifanaraka amin’ny iray na roa amin’ireo zavatra nosoratany. Raha mazoto ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo haka sary ny kisary nataony mba hitadidiana ny zavatra nosoratany.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba ahafahantsika mifandray amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fomba manan-danja bebe kokoa amin’ny alalan’ny vavaka.