Seminera
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 7: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy


“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 7: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 7: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitisipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: Lesona 106

Fampiharana fifehezana fotopampianarana 7

Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

A Korean young man sits on a bench outside and reads the Book of Mormon.

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra ny fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny lisitr’ireo Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Azon’ny mpianatra atao ny maka andinin-tsoratra masina iray sy andian-teny manan-danja iray avy ao amin’ilay lisitra. Omeo minitra vitsy ny mpianatra hanaovana tsianjery ny andalana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nosafidiny. Azon’izy ireo ampiasaina ny application Maîtrise de la doctrine ho fitaovana hanampiana azy ireo hanao tsianjery.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Famerenana fifehezana fotopampianarana: Fanaovana tsianjery

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny Soratra Masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha, dia azonao tsinjaraina ho vondrona ahitana olona efatra izy ireo. Omeo taratasy kely miisa efatra mipaingotra miaraka ny mpianatra tsirairay. Lazao amin’izy ireo fa hifanakalo taratasy ilay nopaingorina izy ireo ao anatin’ny vondrona misy azy. Ao anatin’ity sahanasa ity dia hisy ny fanaovan’ny mpianatra sary. Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy tokony haneho andriamanitra ny sary ataon’izy ireo.

Azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto indray mandeha eo ampamitan’ny mpianatra ny sahanasa tsirairay. (Ho an’ny dingana 1 sy 3, dia omeo iray minitra ny mpianatra hamitana izany. Ho an’ny dingana 2 sy 4, dia omeo 30 segondra izy ireo mba hamitana izany.)

  1. Misafidiana andian-teny manan-danja iray ao amin’ny soratra masina avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy zarainao ao anaty vondrona. Ao amin’ny taratasy kelinao voalohany, dia manaova sary izay maneho ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  2. Ahodino manaraka ny fihodin’ny famantaranandro ao anaty vondrona ny taratatasy. Jereo ilay sary eo amin’ny pejy voalohany. Soraty eo amin’ny pejy faharoa ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay eritreretinao fa mifandray amin’ilay sary.

  3. Ahodino manaraka ny fihodin’ny famantaranandro ny taratatasy. Vakio ny andininy fifehezana fotopampianarana ao amin’ny pejy faharoa, sady tsy mijery ilay sary ao amin’ny pejy voalohany. Eo amin’ilay taratasy fahatelo, dia manaova sary tsotsotra maneho ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  4. Ahodino manaraka ny fihodin’ny famantaranandro ny taratatasy. Jereo ilay sary ao amin’ny pejy fahatelo, tsy an-kijery ilay andinin-tsoratra masina eo amin’ny pejy faharoa. Eo amin’ny pejy fahefatra, dia soraty ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay eritreretinao fa mifandray amin’ilay sary.

Asao ny mpianatra hamerina ireo taratasy any amin’ny tompony. Asao ny olona tsirairay hizara ireo sary sy vinavina ao amin’ny taratasin’izy ireo amin’ny vondrona misy azy. Afaka mizara ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay nosafidiany tamin’ny voalohany ny mpianatra tsirairay.

Asao ireo mpianatra hitanisa amin’ny feo mafy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ampiasaina amin’ity sahanasa ity miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo. Azon’izy ireo averina imbetsaka izany.

Raha ampy ny fotoana, dia azonao averina amina andian-tsoratra masina hafa ity sahanasa fanaovana sary ity. Ataovy izay hananan’ny mpianatra fotoana ampy (25–30 minitra) hanaovana ireo sahanasa atao ao amin’ny fizarana “Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy” etsy ambany.

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ampio hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Ireo sahanasa famerenana naroso dia tafiditra ao amin’ny fizarana ao amin’ny tovana mitondra ny lohateny hoe “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.” Tsy voatery hibahana fotoana betsaka ity famerenana ity, saingy mila mamerina mijery tsy tapaka ireo fitsipika ireo ny mpianatra mba ho afaka hampiasa izany amin’ny fiainany manokana. Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Aorian’ny famerenana dia asaivo manao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ireo fitsipika ireo miaraka amin’ity rafi-tantara manaraka ity ny mpianatra.

Taorian’ny lesona iray tao amin’ny sekoly Alahady vao haingana momba ny maha-zava-dehibe ny fandehanana any amin’ny tempoly dia tsapan’i Solo fa tsy tao amin’ny tempoly nandritra ny fotoana ela izy. Noho ny fahadisoana sasany nataony dia tsapany fa tsy mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo izy. Nieritreritra i Solo hoe: “Tsy tian’ Andriamanitra ho any amin’ny tempoliny aho noho ny zavatra nataoko.”

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy ny olona iray izay manana fahatsapana tahaka an’i Solo?

Amporisiho ny mpianatra hampiseho ny fomba ahafahan’ny fitsipika tsirairay manampy an’i Solo. Ny ambin’ny votoatin-kevitr’ity lesona ity dia mifantoka amin’ny fanampiana ny mpianatra hamakafaka ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Raha tsapanao fa afaka mampiasa fanazaran-tena bebe kokoa amin’ireo fitsipika hafa ny mpianatra dia amboaro mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao ity votoatiny ity.

Fomba iray ahafahantsika mamakafaka fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny fametrahana fanontaniana amin’ny endriny hafa (na mijery izany amin’ny fomba hafa) miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Tompo (jereo ny andiam-pehezanteny 8–9 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2023]).

Ankoatra ny fitarihana ireo mpianatra mankany amin’ny Tahirin-kevitra fototra, dia azonao atao ihany koa ny mampitodika ny mpianatra amin’ny “Manome fomba fijery lavitra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena” hita ao amin’ny fizarana “Ataovy ivon’ny fiainanao i Jesoa Kristy” ao amin’ny “Teny fanolorana” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana, Médiathèque de l’Évangile. Mba hanehoana ohatra ny zavatra azon’ny mpianatra atao amin’ny fanontanian’i Solo dia azonao atao ny mampiseho ny “Examining Questions with an Eternal Perspective” (2:56), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:56

Hevero ny hanao sarina efajoro eny amin’ny solaitrabe. Soraty eo afovoan’ilay efajoro ny ahiahan’i Solo. Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto manodidina ilay efajoro.

  • Inona no fihevitr’i Solo momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba hitondrany ireo zanany? Inona no mety ho fihevitr’i Solo momba ny tenany?

    Anisan’ny valinteny mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe “Tsy tia ahy Andriamanitra,” “ny tempoly dia natao ho an’ireo izay tonga lafatra ihany,” ary “ny fahadisoako no mamaritra hoe iza aho.”

  • Inona no fiantraikan’ireo fihevitr’i Solo ireo amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fafao ireo fihevitra ary manaova sarina efajoro vaovao eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manao fanazaran-tena amin’ny fanamboarana indray ny efajoro ahitana ny ahiahan’i Solo. Asao ny mpianatra hanoratra fahamarinana sy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe manodidina ilay efajoro vaovao.

  • Inona avy ireo fahamarinana mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra na avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy izay afaka manampy an’i Solo hanitsy ireo ahiahiny na hahita izany amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra?

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mety hozarainao amin’i Solo? Nahoana?

Mety ahitana izao ny valintenin’ny mpianatra:

  • Mila mendrika isika miditra ny tempoly (jereo ny Salamo 24:3–4).

  • Afaka manadio antsika amin’ny fahotantsika ny Tompo ary mahatonga antsika ho mendrika (jereo ny Isaia 1:18; 53:3–5).

  • Isika dia voafaritra araka ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika (jereo ny Genesisy 1:26–27), fa tsy araka ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika.

Hevero ny hizara ny teny nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny loharanom-pitaovana fanampiny

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany dia asao izy ireo hanao izao manaraka izao:

Amin’ny alalan’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany dia manorata valinteny ho an’i Solo izay hanampy azy hijery ny fanontaniany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay momba ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy.

Asao ihany koa ny mpianatra izay vonona mba hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy. Raha eo ampihainoana ny hafa ny mpianatra dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’i Solo rehefa maheno ireo valinteny ireo.

Raha misy traikefa iray tonga ao an-tsaina dia mety tianao ny hizara ny fomba nanampian’ny fitsipiky ny famakafakana hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay anao hamaha fanontaniana na olana.