Seminera
Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50: Topimaso ankapobeny


“Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50

Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50

Topimaso ankapobeny

Ao anatin’ny Salamo isika dia mahita fampitahana izay manampy antsika hahatakatra ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ary mahita famporisihana mba haneho fankasitrahana ny Tompo sy ireo fitahiana avy Aminy ary ny fitiavany mandrakizay.

sary famantarana ny semineraAsao ny mpianatra hiomana hianatra. Manan-danja ny fiomanana ara-panahy ho anao sy ho an’ny olona izay ampianarinao. Rehefa nitsidika an’i Amerika ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ny valalabemandry hoe: “Koa modia any an-tranonareo, ary … omany ho amin’ny ampitso ny sainareo” (3 Nefia 17:3). Mitadiava fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy mamporisika ny mpianatrao hiomana hianatra ao amin’ny seminera. Mba hianarana bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hiomana hianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 25). Misy ohatra iray amin’ny fanomanana ny mpianatra hianatra afaka hita ao amin’ny fanomanana ny mpianatra ho an’ny Lesona 107: “Salamo 119” (jereo etsy ambany).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Salamo 119

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra handalinana ny tenin’ Andriamanitra.

sary famantarana ny semineraNy fanasana ny mpianatra hamita asa kely nampiandraiketina na sahanasa alohan’ny fotoam-pianarana manaraka dia afaka manomana azy ireo hianatra misimisy kokoa. Ireo sahanasa ireo dia afaka manome fahafahana ny mpianatra mba handalina ny soratra masina, mba hisaintsaina ireo lohahevitry ny filazantsara, ary mba hampianarin’ny Fanahy Masina. Ohatra iray amin’izany ity fanomanana ny mpianatra manaraka ity:

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina manokana ny soratra masina mialoha ny fotoam-pianarana manaraka. Angataho izy ireo hisaintsaina raha mahatsapa ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinany ny soratra masina. Raha izay no izy dia afaka mieritreritra ohatra ve izy ireo?

Mba hahitana fanofanana fanampiny momba ny fanomanana ny mpianatra dia jereo ny “Mamoròna fanasana izay hanampy ireo mpianatra hiomana amin’ny traikefa amin’ny fianarana manaraka” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.

  • Fanomanana fanampiny ny mpianatra: Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra mba hitondra fitaovana azo tsapain-tanana izay hanampy amin’ny famaranana ity fehezan-teny manaraka ity: “Ny soratra masina dia satria .”

  • Fitaovana: Jiro kely na jiro fanao am-paosy; boky fihirana; vola madinika (na zavatra maneho harena); tantely (na zavatra mamy); sary azo tsapain-tanana iray mampiseho lalana; sary azo tsapain-tanana iray mampiseho mpanolontsaina (ohatra: mpanolontsaina iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana na mpanolontsaina iray ao am-pianarana)

  • Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny mpianatra mba handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina dimy

  • Horonan-tsary:#ÉcoutezLe : David A. Bednar” (1:15)

Salamo 136

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa maneho fankasitrahana Azy ireo izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanolotra vavaka fisaorana ny Ray any An-danitra kanefa tsy mangataka na inona na inona ho valin’izany. Afaka miomana hizara ny zavatra tsapany avy amin’ilay zavatra niainany amin’ny iray kilasy ny mpianatra.

  • Taratasy zaraina:Salamo 136: Fankasitrahana ny Tompo