Seminera
Salamo 136: “Miderà an’i Jehovah”


“Salamo 136: –Miderà an’i Jehovah–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Salamo 136: –Miderà an’i Jehovah–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50: Lesona 108

Salamo 136

“Miderà an’i Jehovah”

Woman and angels praying.

Tahaka ny hira maro ao amin’ny fihirana, ny Salamo dia mampahatsiahy antsika mba hanolotra fisaorana amin’ny zava-drehetra. Ny fanehoana fankasitrahana amin-kitsimpo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manokatra ny masontsika sy ny fontsika amin’ny fitiavan’Izy Ireo sy ny famindram-pon’Izy Ireo ary mamela ny fitiavantsika Azy Ireo hitombo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa maneho fankasitrahana Azy Ireo izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanolotra vavaka fisaorana ny Ray any An-danitra kanefa tsy mangataka na inona na inona ho valin’izany. Afaka miomana hizara ny zavatra tsapany avy amin’ilay zavatra niainany amin’ny iray kilasy ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no ahafahako mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity.

Indray andro nisy namana iray nilaza taminao hoe: “Indraindray any am-piangonana sy mandritra ny seminera dia miresaka momba ny fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona. Tsy azoko antoka fa mahatsapa izany aho. Inona no azoko atao mba hahatsapako ny fitiavany eo amin’ny fiainako?”

  • Inona no mety havalinao ilay namanao?

Mety hanana valinteny isan-karazany ny mpianatra, na mety tsy ho fantatr’izy ireo izay holazaina. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka ity.

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanazava ny zavatra azontsika atao mba hahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra:

Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ry rahalahy sy anabavy, moa ve tsy hadinontsika ny maneho fisaorana noho ireo fitahiana noraisintsika? Ny fanehoana fisaorana amin-kitsimpo dia tsy vitan’ny hoe manampy antsika fotsiny hamantatra ireo fitahiana azontsika, fa manokatra koa ny varavaran’ny lanitra izany ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. (“The Divine Gift of Gratitude,” Liahona, Nov. 2010, 87)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Filoha Monson?

Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny fanehoana fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika dia manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Vakio ny Salamo 136:1–3, 26, ka tadiavo ny antony hanehoan’ilay mpanao salamo fankasitrahana an’ Andriamanitra.

  • Inona no tsikaritrao?

    Mety ho tianao ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Fa mandrakizay ny [famindram-pony]”. Azonao atao ny manamafy fa isaky ny maneho fankasitrahana ilay mpanoratra salamo dia miaiky ny fitiavan’ Andriamanitra izy. Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Hebreo ny teny hoe famindram-po ao amin’ireo andininy ireo dia hesed, izay “karazana fitiavana sy famindram-po miavaka izay tsapan’ Andriamanitra ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana Taminy” (Russell M. Nelson, “Ny Fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, Liahona, ôkt. 2022, 6).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ny fanehoana fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika?

Mamantatra ireo fitahian’ Andriamanitra

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana hoe hatraiza ny fanehoan’izy ireo fankasitrahana amin’ny Tompo dia azonao atao ity sahanasa manaraka ity. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahatsiaro mba hahafahantsika mianatra sy mivoatra. Asao ny mpianatra hihaino ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny valintenin’izy ireo izy ireo.

Eritrereto ireo zavatra niainanao nandritra ny herinandro lasa. Valio ao anatin’ny diary fandalinanaoireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny alalan’ireo andian-teny Tsy mbola nisy velively, na indray na indroa, na iindraindray, na imbetsaka.

  • Impiry ianao no nahita fitahiana manokana avy amin’ny Tompo teo amin’ny fiainanao?

  • Impiry ianao no naneho fankasitrahana ny Tompo noho ireo fitahiana azonao?

  • Impiry ianao no nahatsapa ny fitiavany?

Rehefa mandinika ny valinteniny ny mpianatra dia mety hieritreritra izay fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo izy ireo izay tsy fantatr’izy ireo na tsy nanehoan’izy ireo fankasitrahana.

sary famantarana ny semineraMba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana azon’izy ireo dia ampiasao ilay taratasy zaraina hoe “Salamo 136: Fankasitrahana ny Tompo”.

Azon’ny mpianatra atao ny manao samirery ilay asa ao amin’ilay taratasy zaraina, na afaka mangataka mpianatra ianao mba hameno ny efajoro voalohany ao amin’ilay taratasy zaraina, ary hampiampita izany eny amin’ny mpiara-mianatra iray hafa avy eo mba hofenoiny ilay efajoro manaraka. Manohy mampitapita izany ny mpianatra mandra-pahafenon’ ny efajoro tsirairay. Avy eo dia azo averina any amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ilay taratasy zaraina mba hahitany ny zavatra nosoratan’ireo mpiara-mianatra aminy. Omeo fotoana ampy ireo mpianatra hanomezany valiny voahevitra tsara ho an’ny fizarana tsirairay.

Aorian’ilay sahanasa dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’ny mpianatra na tsapan’izy ireo momba ny fanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny manamafy fa ny fahatsapana sy ny fanehoana fankasitrahana dia afaka manampy antsika hahatsapa fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy hahatsapa ny fitiavana avy amin’Izy ireo.

ChurchofJesusChrist.org

2:33

Fanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra

Mba hanampiana ny mpianatra hanao fanazaran-tena haneho fankasitrahana an’ Andriamanitra dia azonao asaina izy ireo hanao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto.

Misafidiana iray amin’ireto safidy atolotra manaraka ireto mba hanehoana ny fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Mifantoha amin’ny fitiavana izay mety ho tsapanao avy amin’Izy ireo rehefa manao izany ianao.

  • Manehoa fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny zavatra apetraka ao amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny alalan’ny fanoratana ao amin’ny diarinao.

  • Tanisao ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana anao. Aza hadinoina ny mampiditra ireo zavatra ireo ao anatin’ny vavaka ataonao amin’ny manaraka.

Ho famaranana dia azonao atao ny mizara ny fomba hanampian’ny fanehoana fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy antsika mba hahatsapa ny fitiavan’Izy ireo sy hanome fahafahana ny fitiavantsika Azy Ireo hitombo.