Seminera
Salamo 119: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”


“Salamo 119: –Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Salamo 119: —Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Salamo 102–3; 110; 116–19; 127–28; 135–39; 146–50: Lesona 107

Salamo 119

“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”

Oil Lamp lit

Mahatsapa ve ianao fa mitondra any amin’ny fitarihan’ny Tompo ny fandalinanao soratra masina? Ny Salamo 119 dia maneho fankasitrahana noho ny tenin’ Andriamanitra ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao drafitra handalinana ny tenin’ Andriamanitra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina manokana ny soratra masina mialoha ny fotoam-pianarana manaraka. Angataho izy ireo hisaintsaina raha mahatsapa ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinany ny soratra masina. Raha izay no izy dia afaka mieritreritra ohatra ve izy ireo?

Sahanasa fianarana azo atao

Fitarihana sy ireo soratra masina

Mba hanomanana ny mpianatra handalina momba ny soratra masina dia asao izy ireo hisaintsaina ireo toetra samihafa asehon’ny olona samihafa manoloana ny soratra masina. Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hamenoan’ireo olona samihafa ireo ity fehezan-teny manaraka ity. Azonao atao koa ny mampiasa ity sahanasa ity ho fanomanana ny mpianatra. Azonao atao ny mizara ilay fehezan-teny alohan’ny fotoam-pianarana ary manasa ny mpianatra hitondra zavatra iray azo tsapain-tanana izay hanampy amin’ny famaranana izany.

Ny soratra masina dia tahaka ny satria .

Raha mila ohatra iray ny mpianatra dia azonao atao ny miteny hoe, “Ny soratra masina dia toy ny sarintany na GPS satria mitarika ahy izy ireo.”

Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny. Azonao atao ny manontany hoe nahoana ny olona sasany no tia mandalina ny soratra masina fa ny hafa kosa tsy tia.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mameno ilay fehezanteny mba hanehoana ny toetran’izy ireo manoloana ny soratra masina.

Any amin’ny faran’ny lesona dia hanombantombana ny tanjonao eo amin’ny fandalinana soratra masina ianao na hametraka tanjona vaovao. Hevero ny hivavaka mangina amin’ny Ray any An-danitra mba hitarika anao androany rehefa mandalina ny Salamo 119 ianao. Mikatsaha fitaomam-panahy mba hametraka ilay tanjona izay tena hanampy anao.

Ny tenin’ Andriamanitra dia toy ny …

Ny mpanoratra ny Salamo 119 dia nampiasa tandindona mba hamaritana ny tenin’ Andriamanitra. Ireo tandindona ireo dia nanamafy ny fitiavan’ilay mpanao salamo ny tenin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny fankatoavana amim-pahavitrihana ny teniny.

Ohatra, vakio ny Salamo 119:105–106 ka tadiavo ny zavatra nampitahain’ilay mpanoratra salamo tamin’ny tenin’ Andriamanitra.

Hevero ny hanena ny hazavan’ny jiro na hamono ny jiro ao amin’ny efitrano ary hampirehitra jiro kely na jiro fanao am-paosy. Avelao hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra.

  • Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny tenin’ Andriamanitra amin’ny hazavana na jiro kely iray?

    Raha mizara zavatra toy ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany: Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra isika dia manome fitarihana antsika Izy.

    Raha mila fanampiana bebe kokoa amin’ny famantarana ilay fitsipika ny mpianatra dia hevero ny hanontany hoe: “Inona no tsy mampitovy ny fandehanana ao amin’ny hazavana amin’ny fandehanana ao anatin’ny haizina?” na “Ahoana no ahafahan’ny soratra masina manampy antsika handeha ao amin’ny hazavana?” Na azonao soratana ilay fitsipika ary manontany hoe,:“Ahoana no anehoan’ireo andininy ireo ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe?”

    Areheto indray ny jiro ao amin’ilay efitrano. Hevero ny hanasa ny mpianatra hampifandray ny Salamo 119:105 amin’ny 2 Nefia 32:3. Angataho ny mpianatra mba hijery ny mampitovy an’ireo andininy ireo.

    1:16

    Vakio na asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary asao ny mpianatra vitsivitsy hifidy iray avy ka hamaly izany:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no te hitarika antsika Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa Andriamanitra dia afaka mitarika antsika amin’ny alalan’ny soratra masina manosika ny olona iray handalina izany?

  • Oviana ny tenin’ Andriamanitra no tahaka ny jiro kely na fahazavana ho anao na ho an’ny olona fantatrao?

Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra dia azonao atao ny manontany ny fiantraikan’ireo hevitra sy zavatra niainana ireo teo amin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra.

Tandindona hafa

Nanao fampitahana hafa ilay mpanoratra salamo. (Fanamarihana: ilay mpanoratra salamo dia miresaka momba ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny voambolana isan-karazany toy ny fijoroana ho vavolombelona, fitsipika, lalàna, didy ary fomba.)

Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny Salamo 119, dia adikao eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Salamo 119:14–16, 72, 127

Salamo 119:22–24

Salamo 119:33–35

Salamo 119:50–52, 54

Salamo 119:102–104

Zarao ho vondrona dimy ny mpianatra, ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Asehoy ireto zavatra ireto na ny sarin’ireto zavatra ireto: fihirana, vola madinika (na zavatra maneho harena), tantely (na zavatra mamy), sarina lalana, ary sarina mpanolotsaina iray (ohatra hoe mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany an’ny Fiangonana na mpanolotsaina iray any an-tsekoly).

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto:

  1. Miaraha mamaky ny soratra masina nampiandraiketina anareo, ka tadiavo ny zavatra nampitahain’ilay mpanoratra salamo tamin’ny tenin’ Andriamanitra.

  2. Alaovy ilay zavatra na sary izay mifanaraka amin’ny andinin-tsoratra masina nampiandraiketina anao.

  3. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ilay zavatra na sary manampy olona iray hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tenin’ Andriamanitra.

  4. Mizarà ohatra na zavatra niainana teo amin’ny fiainanao, na ny fiainan’ny hafa, na avy ao amin’ny soratra masina izay maneho ny maha-toy ny tenin’ Andriamanitra ilay zavatra na sary.

Asao ny mpianatra hameno ity fitsipika manaraka ity araka ny zavatra izay nohalalinin’izy ireo: Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra isika dia omeny … isika.

Ny valiny sasany azo eritreretina dia fifaliana (jereo ny andininy 14, 16, 35, 103), fampiononana (jereo ny andininy 50, 52), torohevitra (jereo ny andininy 24), ary ny fahatakarana (jereo ny andininy 104).

  • Ahoana no ahafahan’ilay fitsipika hitanao manampy olona iray haniry handalina ny tenin’ Andriamanitra?

  • Ahoana no nanomezan’ Andriamanitra anao na ny olona fantatrao fifaliana, na fampiononana, na torohevitra, na fahatakarana rehefa nandalina ny teniny ianao na izy ireo?

Rehefa mizara ny valinteniny mikasika ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia azonao atao ny manontany ny fiantraikan’ireo zavatra niainana ireo teo amin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra.

Ny tanjonao

Asao ny Fanahy rehefa misaintsaina ny fandalinanao soratra masina ianao. Raha efa manana tanjona eo amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra nizotra tsara vita sy ny zavatra mety ho tianao hotohizana. Azonao ampidirina ao ny antony nisafidiananao io tanjona io sy ny fomba hanampian’izany anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Tompo. Anontanio ombam-bavaka ny Ray any An-danitra raha tiany hanao fanitsiana amin’ny tanjonao ianao.

Raha tsy manana tanjona eo amin’ny fandalinana soratra masina ianao amin’izao fotoana izao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa manao izany ianao. Azonao ampidirina ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

  • Ny habetsaky ny fotoana hianaranao

  • Ny hatetiky ny fanaovanao fandalinana (raha azo atao, dia miezaha mandalina isan’andro)

  • Ny zavatra hataonao mba hikatsahana ny fanampian’ny Tompo amin’ny fandalinanao (ohatra, mivavaka alohan’ny handalinanao na mikatsaka fanambarana momba ny zavatra halalininao)

  • Ny fomba ahafahanao mitadidy, na misaintsaina, na mampihatra ny zavatra nianaranao (ohatra, manoratra ao anatin’ny diary ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinanao soratra masina, mirakitra an-tsoratra ny zavatra ezahinao ampiharina, na mifanakalo hevitra indray mandeha isan-kerinandro amin’ny olona iray hafa mikasika ny zavatra ianaranao)

Manasà mpianatra manolo-tena hizara ny tanjon’izy ireo amin’ny fandalinany ny soratra masina ary koa izay olana mety hananan’izy ireo. Raha mizara olana ny mpianatra dia asao ny iray kilasy hizara soratra masina, na teny nambaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, na zavatra niainana manokana izay mety hanampy.

Lazao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny “Tombano ny fianaranao 7”, dia hanana fahafahana hanao tatitra momba ny tanjony izy ireo. Hizara ny fizotran’ny fandalinany ny soratra masina izy ireo sy ny fitahiana tsapan’izy ireo fa omen’ny Tompo azy ireo noho izany.

Raha mbola misy fotoana ao an-dakilasy dia asao ny mpianatra handalina mangina ny soratra masina. Asao izy ireo hitady ireo fahamarinana omen’ Andriamanitra antsika izay afaka mitarika azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo ankehitriny. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika ao amin’ity lesona ity.