“Tombano ny fianaranao 7: Joba–Mpitoriteny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Tombano ny fianaranao 7: Joba–Mpitoriteny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Lesona 112
Tombano ny fianaranao 7
Joba–Mpitoriteny
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana hitany nandritra ny fandalinana ny Testamenta Taloha nataony tato ho ato.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga any am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara tantara na fampianarana iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay nisy fiantraikany teo amin’ny fivoaran’izy ireo ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fandalinan’ny mpianatrao ny Joba ka hatramin’ny Mpitoriteny dia mety niompana tamina vokatra hafa fa tsy tamin’izay notombanana tato amin’ity lesona ity. Raha izay no nitranga dia amboary ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoarana niainan’ny mpianatra avy amin’ny vokatra nifantohana tao amin’ny kilasinao.
Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto ny mpianatra ato amin’ity lesona ity:
-
Manazava fa anisan’ny mandrafitra ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fitsanganana amin’ny maty. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny fampianarana avy amin’ny Lesona 98: “Joba 14, 19” ity sahanasa ity.)
-
Mahatsapa faniriana bebe kokoa hitsaoka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny sosokevitra avy amin’ny Lesona 101: “Fampahafantarana ny Salamo, Fizarana 2” ity sahanasa ity. Ireo lesona hafa avy amin’ny Salamo sy ireo boky hafa ao amin’ny Testamenta Taloha dia mety nanampy ny mpianatra koa hampitombo ny faniriany hitsaoka ny Tompo.)
-
Manao fandalinana manokana tsy tapaka ny soratra masina. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny fampianarana ao amin’ny Lesona 107: “Salamo 119” ity sahanasa ity. Ny fanasana matetika ny mpianatra hanombana ny fandalinany manokana ny soratra masina dia afaka manampy azy ireo eo amin’ny fivoarany ara-panahy na dia tsy nandalina ity lesona manokana ity aza ny iray kilasy.)
Fanaraha-maso tsy tapaka
Hanombohana ny lesona dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fanaraha-maso tsy tapaka ny zavatra manan-danja fa tsy miandry olana hitranga vao hifantoka amin’izany. Azonao atao ny mampiseho sarina fitaovana izay ilaina arahina maso tsy tapaka. Na afaka mitantara tantara manokana mikasika ny fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fanokanana fotoana hanaraha-maso zavatra iray ianao.
-
Inona no maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso matetika ireto zavatra manaraka ireto? Inona no mety hitranga raha tsy manokana fotoana hanaraha-maso azy ireto isika?
-
Fiara
-
Fivoarana eo anatrehan’ny famitana ny fianarana eny amin’ny lisea
-
Fahasalaman’ny vatana (ohatra, ny maso, ny sofina, ny nify ary ny fahasalamana ankapobeny)
Azonao tohizina mba hiompana amin’ny zavatra ara-panahy ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe:
-
Inona araka ny eriteritrao no maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso matetika ny fivoarantsika ara-panahy?
-
Nahoana no manampy ny mahita ny fivoarantsika ary koa ny fanitsiana izay azontsika atao?
Manokàna fotoana hanombanana ny fanampiana nentin’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha teo amin’ny fivoaranao ara-panahy tamin’ity taona ity. Eo am-panombananao ny fivoaranao dia azonao atao ny misaintsaina na manoratra ny valinteninao amin’ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana ireto:
-
Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ka manan-danja aminao?
-
Moa ve nisy tantara manokana na fampianarana tao amin’ny soratra masina izay nisy fiantraikany teo aminao? Raha izany no izy, dia tamin’ny fomba ahoana?
-
Mahafaly anao ve ny fivoaranao? Inona no nitondra nankany amin’izany na inona no azonao atao hanampiana anao hahazo ny vokatra katsahinao?
Rehefa ampy ny fotoana nisaintsainana sy nanoratana dia manasà mpianatra mazoto mba hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.
Manazava fa anisan’ny mandrafitra ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fitsanganana amin’ny maty
Hevero ny hanoratra ity fanontaniana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Aza avela valin’ny mpianatra ilay fanontaniana fa asao izy ireo hizara ny heviny mikasika ny hoe iza no mety hametraka izany fanontaniana izany na ao anatina toe-javatra manao ahoana no mety hametrahan’ny olona izany fanontaniana izany.
-
Mbola hiaina indray ve isika aorian’ny fahafatesana?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahalalantsika momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia afaka manampy antsika hamaly izany fanontaniana izany.
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazava izay takany mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Tao amin’ny Lesona 98: “Joba 14, 19”, ny mpianatra dia mety ho nanoratra andiam-pehezan-teny iray ho valin’ny fanontaniana napetrak’i Joba manao hoe “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”. (Joba 14:14). Asao ny mpianatra hamerina hijery izany andiam-pehezan-teny izany ao amin’ny diary fandalinany ary hamaky ny soratra masina izay mety nampidiriny tao amin’ny valinteniny.
Raha tsy nanoratra valiny ho an’ny fanontanian’i Joba ny mpianatra dia azonao atao ny manome ireto andinin-tsoratra masina ireto mba hovakiany.
-
1 Korintiana 15:20–22
Rehefa nomena minitra vitsivitsy mba hijerena indray izay nosoratany na hamakiany ireo soratra masina voalaza etsy ambony ny mpianatra dia asao izy ireo mba samy hisafidy tarehimarika iray manomboka amin’ny iray ka hatramin’ny efatra. Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary ampiaraho amin’ny olona izay nisafidy tarehimarika hafa. Asao izy ireo hizara amin’ny vondrona misy azy ny fomba hanazavany ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy tao anatin’izany ao anatin’ny toe-javatra etsy ambany izay mifanarana amin’ilay tarehimarika nosafidin’izy ireo.
-
Mpiara-mianatra iray any am-pianarana izay liana ny hamantatra ny fampianaran’ny fiangonantsika mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesasna
-
Namana iray any am-piasana izay vao nahare fa ny iray tam-po aminy dia tratran’ny aretina izay hahafaty azy tsy ho ela
-
Ankizy any amin’ny sekoly ambaratonga fototra
-
Mandray fitenenana mandritra ny fotoam- pandevenana ny iray amin’ny rainao na renibenao
Rehefa nanana fahafahana nifampizarana ny mpianatra dia afaka mangataka mpianatra manolo-tena vitsivitsy ianao mba hizara izay nianarany avy tamin’izany fifampizarana izany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fianarana zava-baovao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganana amin’ny maty, na zavatra hafa nianarany tamin’ny alalan’ny fanazavana izany tamin’ny hafa.
Mahatsapa faniriana bebe kokoa hanompo ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy
Tao anatin’ny Lesona 101: “Fampahafantarana ny Salamo, Fizarana 2”, dia mety ho nanomboka namorona horonan-tsary, na tononkalo, na mème na fomba hafa hanehoany ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Asao ny mpianatra hitady na hitadidy izany tetikasa nataony izany. Asehoy ny mpianatra ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto mba hovaliany ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao ny mandefa hira malefaka eo am-panaovan’ny mpianatra izany sahanasa izany.
Makà fotoana hieritreretana ny zavatra niainanao teo am-pamoronana izany asa izany. Asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatsiaro ny zavatra tsapanao tamin’izany.
-
Inona no nianaranao na tsapanao mikasika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy hatramin’ny namoronanao i io fanehoana fitsaohana io?
-
Inona no fiovana tsikaritrao, raha misy, teo amin’ny eritreritrao na ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy hatramin’ny namoronanao izany? Inona ny zavatra tsapanao amin’izao fotoana izao?
-
Rehefa mijery ilay tetikasa ianao, inona no tianao hanampiana izany? Inona no hovainao?
Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra manolo-tena izay tsy mbola nizara ny tetikasany, mba hizara izay zavatra noforoniny, na ny zavatra manan-danja taminy tao anatin’izany traikefa izany, na ny zavatra tsapany.
Manaova fandalinana manokana tsy tapaka ny soratra masina
Tao amin’ny Lesona 107: “Salamo 119”, dia mety nanao lesona nampiasana zavatra azo tsapain-tanana ianao tamin’ny alalan’ny fampihenana ny hazavana tao amin’ny efitrano sy ny fampirehetana jiro kely na jiro fanao am-paosy. Raha nanao izany ianao dia azonao atao ny mamerina ilay lesona nampiasana zavatra azo tsapain-tanana ary mangataka ny mpianatra hamaky ny Salamo 119:105. Asao izy ireo hizara izay tadidiny tao amin’izany lesona izany, ka anisan’izany ny fomba maha-toy ny fahazavana eo amin’ny fiainantsika ny tenin’ Andriamanitra.
Mety ho nasaina mba hamorona tanjona eo amin’ny fandalinana soratra masina manokana ny mpianatra tao anatin’izany lesona izany na nasaina mba handinika ny fivoarany eo anatrehan’ny tanjona izay efa napetrany. Asao izy ireo hanombana ny fivoarany eo anatrehan’ny tanjony eo amin’ny fandalinana sy ny fomba anampian’izany azy ireo. Azonao aseho ireto toromarika manaraka ireto mba hanaovana izany.
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny fivoaran’ny fandalinanao soratra masina. Azonao soratana ao ny valin’ny sasany amin’ireto manaraka ireto:
-
Manao ahoana ny fanatanterahanao tsy tapaka ny tanjonao?
-
Moa ve ianao mahatsapa fa mitarika anao ny Tompo rehefa mandalina ny soratra masina ianao? Nahoana raha eny, ary nahoana raha tsia?
-
Inona no sakana lalovanao raha misy?
-
Ahoana no fomba tianao hanohizana ny fanatsarana ny fandalinanao ny soratra masina?
Asao ireo mpianatra hizara ny eritreriny. Raha mizara fahombiazana izy ireo dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?” na koa hoe “Inona no nataonao izay nanampy anao hahazo izany vokatra izany?” Raha mizara olana ananany izy ireo dia hevero ny hanasa ny iray kilasy hikaroka soratra masina, na teny nambaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana na hizara zavatra niainana manokana manokana izay mety hanampy. Miezaha mamorona tontolo ahafahan’ny mpianatra manao ezaka mba hifanampy sy hifanohana.
Hevero koa ny hizara ny tanjonao eo amin’ny fandalinana soratra masina sy ny zavatra niainanao.