Seminera
Fampahafantarana ny Ohabolana: “Jehovah no manome fahendrena”


“Fampahafantarana ny Ohabolana: –Jehovah no manome fahendrena–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fampahafantarana ny Ohabolana: –Jehovah no manome fahendrena–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12; Lesona 109

Fampahafantarana ny Ohabolana

“Jehovah no manome fahendrena”

Jesus Christ depicted as a young boy in the carpenter shop of Joseph. Joseph is standing behind the young Christ.  Christ is reading the scriptures from a scroll resting on a table. There are wood shavings on the table.

Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny torohevitra hendry avy amin’ireo olona akaikin’ny fo izay itokisana fitahiana teo amin’ny fiainanao? Ny fandalinana ny bokin’ny Ohabolana dia mety hitovy amin’ny fikatsahana fahendrena avy amin’ny namana mikarakara, olona iray ao amin’ny fianakaviana, ary ny Tompo. Ny fampiharana ny fahendreny eo amin’ny fiainantsika dia afaka mihazona antsika eo amin’ny lalana ety sy terin’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanaraka ny lalan’ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy torohevitra sarobidy iray na torohevitra tena manampy izay noraisin’izy ireo avy tamin’ireo ray aman-dreny, mpitarika, ary namana azo atokisana. Asao ny mpianatra hiomana hizara ilay torohevitra sy ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Torohevitra azo antoka

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana taratasy kely ny mpianatra. Angataho izy ireo hanoratra torohevitra sarobidy iray izay nomen’olona azy ireo. Rehefa voangonao ireo taratasy dia afaka mamaky valinteny vitsivitsy ianao. Asao ilay mpianatra nanoratra ilay valinteny mba hizara ny fomba nanampian’izany torohevitra izany azy. Azon’ny mpianatra atao ny mifampizara ireo taratasy ambiny ka mamaky ny torohevitry ny mpiara-mianatra hafa. Avy eo dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no mahatonga ny torohevitry ny olona iray ho manan-danja aminao?

  • Ahoana no hamaritanao hoe iza no azonao atokisana eo amin’ny resaka torohevitra?

    Rehefa avy nizara ny valinteniny ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina ombam-bavaka ireo fanontaniana manaraka.

  • Isaky ny inona ianao no manaraka ny torohevitra mahasoa avy amin’ny hafa?

  • Isaky ny inona ianao no mikatsaka sy manaraka ny torohevitry ny Tompo?

Ny fahendrena avy ao amin’ny Ohabolana

Ny bokin’ny Ohabolana dia amboaran-tonokalo feno fahendrena izay nosoratana ho an’ireo Isiraelita. Ny andinin-tsoratra masina sasany ao amin’ny Ohabolana dia voatondro fa an’ny Mpanjaka Solomona (jereo ny Ohabolana 1:1; 10:1; 25:1; jereo koa ny 1 Mpanjaka 4:32), fa tsy fantatra kosa ireo mpanoratra hafa. Rehefa mandalina ny Ohabolana ianao dia jereo tsara ny fomba ijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehefa mamantatra ny fitarihana tian’ny Tompo hampiharinao eo amin’ny fiainanao ianao.

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny Ohabolana (tahaka ny Joba sy ny Mpitoriteny) dia mampiasa ireo singa ao amin’ny tononkalo Hebreo izay mety ho saro-takarina ho an’ireo mpamaky. Raha ilaina dia zarao fa na dia mifono zavatra ara-panahy lalina aza ny Ohabolana maro dia torohevitra tsotra ho an’izao tontolo izao ny sasany.

Vakio ny Ohabolana 1:1–7, ka tadiavo ny sasany amin’ireo tanjon’ny ohabolana.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Raha ilaina dia azonao atao ny manontany hoe nahoana no zava-dehibe ny fianarana momba ny fahendrena ankehitriny.

Hevero ny hanazava fa ny hoe “ny fahatahorana an’i Tompo” (andininy 7) dia entina ilazana ny fahatsapana momba Azy sy ny fanehoana fanajana Azy. Mety maniry ny hanoratra izany fanazavana izany ao amin’ny soratra masiny ny mpianatra.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho “fiandoham-pahalalana” ny fanehoana fanajana ny Tompo? (andininy 7).

Vakio ny Ohabolana 2:6–9, ka tadiavo ny loharanon’ny fahendrena marina. Hevero ny hampifandray ireo andininy ireo amin’ny Môzià 4:9.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao ao anatina fehezan-teny manambara fahamarinana?

    Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe, Ny Tompo dia manome fahendrena antsika mba hanampiana antsika hanaraka ny lalany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao amin’ny fitaovany fandraisana an-tsoratra, na ao amin’ny soratra masiny, na ao amin’ny diary fandalinany eo am-panoratanao izany eny amin’ny solaitrabe. Afaka mizara ohatra momba ireo fotoana nanampian’ny fahendren’ny Tompo azy ireo ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny mety ho tsy mampitovy ny fahendreny amin’ny fahendren’izao tontolo izao. Ny mpianatra dia mety hilaza zavatra toy ny hoe, ny fandoavana fahafolonkarena dia mitondra mankany amin’ireo fitahian’ny Tompo (Malakia 3:10) na ny fanarahana ny lalàn’ny Mpamonjy momba ny fahasalamana dia mitondra fitahiana ara-batana sy ara-panahy ho antsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21).

  • Ahoana no nanampian’ny fanarahana ny torohevitra hendry nomen’ny Tompo anao hijanona eo amin’ny lalany?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany momba ireo fotoana nikatsahan’ny Mpamonjy fahendrena avy tamin’ny Rainy fa tsy avy amin’ireo loharano hafa?

sary famantarana ny semineraRaha mila fanampiana fanampiny amin’ny fieritreretana fotoana nanarahan’ny Mpamonjy ny fahendren’ny Rainy ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ohatra tahaka ny Matio 14:23; 26:36–39. Afaka miaina traikefa amin’ny fianarana izay manazava ny saina amam-panahy ireo mpianatra rehefa mieritreritra ny fomba maha-ohatra an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo fahamarinana hitany izy ireo. (Mba hahitana fanofanana fanampiny momba ny fanampiana ny mpianatra hahita fa ny Mpamonjy dia ohatra iray ao anatin’ny fitsipika iray, dia jereo ny “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Ny fahendren’ny Tompo dia afaka manampy antsika hanaraka ny ohatra nasehony

Ampio ny mpianatra hitady ireo fahamarinana izay manasa azy ireo hanaraka ny Mpamonjy sy hitovy bebe kokoa Aminy. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny manome ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka avy ao amin’ny Ohabolana ireto na izy rehetra. Azonao soratana eo amin’ny taratasy lavalava ireo andinin-tsoratra masina nosafidinao. Azonao omena taratasy iray ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hamaky ilay toko sy andininy ary hanao ireo dingana roa etsy ambany. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manolotra ny taratasin’izy ireo amin’ny mpianatra iray hafa ary mamerina ireo dingana roa. Avereno ilay fampitapitana taratasy mandra-pahavitan’ny mpianatra mandalina andinin-tsoratra masina maromaro.

Fanamarihana: Ny Lesona 110: “Ohabolana 3” dia hifantoka amin’ireo fahamarinana hita ao amin’izany toko izany.

Halalino ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka avy ao amin’ny Ohabolana ireto, ary ataovy ireto manaraka ireto:

  1. Soraty ao anatina fehezan-teny iray manambara fahamarinana ny zavatra nianaranao.

  2. Manorata famaritana fohy momba ny fomba ahafahan’io fahendrena io manampy olona iray hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy na ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Ohabolana 1:8

Ohabolana 4:14–15

Ohabolana 4:26

Ohabolana 6:23

Ohabolana 11:17

Ohabolana 15:1

Ohabolana 16:16

Ohabolana 16:18–19

Ohabolana 17:22

Ohabolana 23:17

Ohabolana 28:13

Ohabolana 29:18

Ohabolana 30:5

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazava ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinany ny Ohabolana. Azon’ny mpianatra atao manokana ity sahanasa ity, na azonao atao ny mizarazara azy ireo ho vondrona. Azonao atao ny manome taratasy sy fitaovana mba hamoronana peta-drindrina, na afaka mamorona zavatra ao amin’ny findain’izy ireo ny mpianatra. Mba hanampiana ny mpianatra dia asehoy ireto toromarika manaraka ireto.

2026 Old Testament Seminary Teacher Materials

Alaovy sary an-tsaina hoe nangatahina ianao mba hamorona fitaovana jeren’ny maso izay mampiasa ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Ohabolana mba hanampiana ireo zatovo ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Misafidiana Ohabolana iray ary mamoròna peta-drindrina toy ilay iray izay mety ho hitanao ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!. Tokony hahitana izao manaraka izao ny fitaovana jeren’ny maso izay hataonao:

  1. Sary tsotra, zavatra mifono fahaiza-mamorona ary afaka ny hisarika ny sain’ny zatovo iray

  2. Ilay toko sy andininy ao amin’ny Ohabolana sy ny fahamarinana ampianarin’izany

  3. Fanazavana ny fomba ahafahan’ilay andininy avy ao amin’ny Ohabolana manampy ny zatovo iray hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy na ho tonga tahaka Azy bebe kokoa

Zarao ny fahendren’ny Ohabolana

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara na hampiseho ny fitaovana jeren’ny maso nataony. Raha nanao ity sahanasa ity tao anatina vondrona ny mpianatra dia afaka misafidy olona iray izy ireo mba hampiseho ny zavatra jeren’ny maso nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mampiseho ireo peta-drindrina manodidina ny efitrano, ary afaka mamerina mijery ny asan’ny mpiara-mianatra aminy ny mpianatra. Ho famaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto na hamaly izany ao amin’ny diary fandalinany.

Miatoa ary eritrereto ireo fahatsapana mety nanananao nandritra ny lesona androany. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana nohalalininao androany teo amin’ny fanirianao hanaraka ny Tompo?

  • Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa?