“Mpitoriteny: –Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra amin’ny fitsarana–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mpitoriteny: –Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra amin’ny fitsarana–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Lesona 111
Mpitoriteny
“Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra amin’ny fitsarana”
Mora indraindray ny mifantoka amin’izay mitranga eto amin’izao fiainana izao ka hadino ny mijery ny fiainantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ao amin’ny Mpitoriteny, ilay Mpitoriteny dia mampahatsiahy antsika fa mandalo ihany ireo zavatr’izao tontolo izao. Manoro hevitra antsika izy hiomana amin’ilay fotoana izay hitsaran’ Andriamanitra ny zanany rehetra. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa hanampy azy ireo hanao safidy tsara ny fifantohana amin’ny fihaonana amin’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hifampiresaka amin’ny ray na reny na mpitarika azo atokisana iray mikasika ny fomba nahitany fiantraikany maharitra avy tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisiny hatrizay naha zatovo azy.
Sahanasa fianarana azo atao
Mandray fanapahan-kevitra
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa fa ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia miantraika amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto manaraka ireto mba hahafahana manao izany. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny hoe ahoana no fiantraikan’ny tsirairay amin’ireto fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo ao anatin’ny fahatanorany ireto eo amin’ny hoavin’izy ireo.
-
Ny fomba hitondrako ny vatako
-
Ny fomba handaniako ny fotoanako malalaka
-
Ny fomba hitondrako ny olona
Avy eo dia zarao ireto teny nambara manaraka ireto ary asao ny mpianatra hampifandray ireo fanapahan-kevitra etsy ambony sy ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson.
Toy izao manaraka izao no nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny safidy ataontsika.
Ny safidy marina rehetra ataonareo eto dia hitondra tombontsoa lehibe amin’izao fotoana izao. Saingy ny safidy tsara eto amin’ny fiainana an-tany dia hitondra tombontsoa mandrakizay tsy azo eritreretina. …
Mazava ho azy fa tsy tian’ny fahavalo hieritreritra ny ampitso ianao, mainka fa ny fiainana mandrakizay. (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], Médiathèque de l’Évangile)
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny tsy fahaizana mijery ireo safidy ataontsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay eo amintsika?
Soraty izay fanapahan-kevitra atrehinao ankehitriny ka mety “hitondra tombontsoa mandrakizay tsy azo eritreretina”.
Mety hanampy ny fanomezana ny mpianatra hevitra momba ny karazana fanapahan-kevitra azony soratana, toy ny hoe:
-
Hanohy hanokana fotoana hiarahana amina vondrona namana iray ve sa tsia.
-
Hibebaka amin’ny fahotana izay efa tao an-tsain’izy ireo ve sa tsia.
-
Inona ireo zavatra izay safidian’izy ireo mba hatao mandritra ny Sabata.
Saintsaino ny antony itiavan’ny Ray any An-danitra anao hieritreritra momba ny hoavy eo am-pandraisanao fanapahan-kevitra. Inona no mety hitranga raha tsy manao izany ianao?
Raha mandalina ny Mpitoriteny ianao anio dia katsaho ny hahatakatra fahamarinana sy ny handray fanambarana manokana avy amin’ny Tompo izay afaka manampy anao eo anatrehan’izany fanapahan-kevitra izany.
Mifantoka amin’ny zavatra ara-nofo
“Mpitoriteny” no ilazan’ny mpanoratra ny tenany ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny (Mpitoriteny 1:1). Manao fampitahana eo amin’ny maha-zava-poana ny fifantohana amin’ny zavatra ara-nofo eo amin’ny fiainantsika sy ny maha-zava-dehibe ny fiomanana hihaona amin’ Andriamanitra ny Mpitoriteny.
Hevero ny hamorona vondrona kely vitsivitsy ary asao ny vondrona tsirairay mba hamaky iray amin’ireo andinin-tsoratra masina etsy ambany. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ireo andinin-tsoratra masina dia azonao atao ny mampiseho ireto famaritana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hanolo ireto teny sy andian-teny manaraka ireto amin’ny famaritana mifandray aminy eo am-pamakiany izany:
-
Ny hoe “zava-poana” dia midika hoe mandalo.
-
Ny hoe “ambanin’ny lanitra” na “ambanin’ny masoandro” dia midika hoe eto amin’ity fiainana an-tany ity.
-
Ny hoe “misambo-drivotra” dia midika hoe fahasorenana.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny zavatra hitan’ilay Mpitoriteny taorian’ny fanarahany ireo zavatra izay heverin’ny olona sasany fa hitondra fifaliana sy fahombiazana ho azy ireo:
-
Fahendren’izao tontolo izao. Mpitoriteny 1:13–18
-
Fahafinaretana ara-nofo sy fananana harena. Mpitoriteny 2:1, 4–11
Azonao hazavainao fa tsy voatery ho ratsy na tsy mety ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fananana harena. Kanefa raha ireo zavatra ireo no lasa ifantohantsika, indrindra raha lasa mihoatra ny fanaovana izay hahafaly an’ Andriamanitra izany, dia lasa mampidi-doza ara-panahy. Entano ny vondrona hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny hevi-baovao hitan’ny vondrona ny olona iray ao amin’ilay vondrona avy eo.
-
Nahoana no hahatonga antsika hahatsapa fahabangana sy fahasorenana amin’ny farany ny fanarahana ireny zavatra ireny?
Ilay fihaonantsika amin’ Andriamanitra amin’ny farany
Rehefa avy nikatsaka fahalalana sy fananana ara-nofo ny Mpitoriteny dia namarana ny bokiny tamin’ireo lesona noraisiny. Vakio ny Mpitoriteny 12:7, 13–14 ka tadiavo ny zavatra izay nampianariny izay afaka manampy antsika hihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Zava-dehibe loatra izany fomba fijery izany ka nahatonga an’ Andriamanitra hanosika ny maro tamin’ireo mpanompony mba hampianatra izany. Ampifandraiso ny Mpitoriteny 12:7, 13–14 sy ny Almà 34:32 ary ny Môrmôna 3:20, 22. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto ka tadiavo ny fomba nampianaran’i Amioleka sy i Môrmôna hafatra mitovy amin’izany.
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ireo andininy ireo ao anatina fehezan-teny manambara fahamarinana?
Ampio ny mpianatra hitady fahamarinana iray toy ny hoe: Ireo safidy ataontsika eto amin’ity fiainana ity no hamaritra ny fahavononantsika hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany. Alohan’ny hamalian’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity dia azonao asaina izy ireo mba hanakimpy ny masony ary haka sary an-tsaina ny fihaonany amin’ Andriamanitra aorian’ity fiainana ity. Amporisiho izy ireo hieritreritra izay fantany momba Azy sy ny toetrany.
-
Inona avy ireo toetra manokana ananan’ Andriamanitra izay mahafeno ireo fepetra mba hahatonga Azy ho Mpitsara antsika?
Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanampiana antsika mba hiomana amin’ny Fitsarana Farany amin’ny alalan’ny fizarana ireto soratra masina sy fanontaniana manaraka ireto.
Vakio ny 3 Nefia 27:16, 19 ka tadiavo ny fomba ahafahantsika miomana mba hihaona amin’i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany.
-
Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarana fa tsy afaka miomana amin’ny Fitsarana Farany isika raha tsy misy an’i Jesoa Kristy?
Ny tanjontsika selestialy
Ampio ny mpianatra hahita fa ny fahafahantarana fa manomana antsika amin’ny mandrakizay ireo safidy ataontsika dia afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro. Ny fomba iray hanaovana dia izany ny famelana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson tao amin’ity teny nambara manaraka ity.
Nijoro ho vavolombelona momba ny maha- zava-dehibe ny fanombohana “amin’[ilay] tanjona farany ao an-tsaina” ny Filoha Russell M. Nelson:
Tao amin’ny hafatro voalohany rehefa Filohan’ny Fiangonana aho dia namporisika anareo aho hanomboka amin’ilay tanjona farany ao an-tsaina. Izany dia midika hoe manao ny fanjakana selestialy ho tanjonao mandrakizay ary avy eo dia mieritreritra tsara ny toerana hametrahan’ny fanapahan-kevitra tsirairay izay raisinao eto ambonin’ny tany anao any amin’ny tontolo ho avy. (“Saino amin’ny fomba selestialy!”, Liahona, nôv. 2023, 118)
-
Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony fa Izy dia nandray fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny fijerena “[ilay] tanjona farany ao an-tsaina”?
Hazavao fa ny mpianatra dia hanao fanazaran-tena hampihatra izay nampianarin’ny Filoha Nelson. Alohan’ny hanombohan’izy ireo dia azonao angatahina izy ireo mba hieritreritra fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany any amin’ny fiainany ho avy. Ampidiro ao anatin’ilay lisitr’ireo fanapahan-kevitra eny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny fampianarana ireo fanapahan-kevitra ireo.
Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mifanakalo hevitra mikasika ireto manaraka ireto ao anatina vondrona kely vitsivitsy.
Misafidiana iray amin’ireo fanapahan-kevitra eny amin’ny solaitrabe ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fanapahan-kevitra mety horaisin’ny zatovo iray mahakasika izany ka hisy fiantraikany amin’ny fiomanany hihaona amin’ Andriamanitra?
-
Inona no nianaranao mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay afaka manampy zatovo iray handray fanapahan-kevitra mahakasika izany?
Asao ireo vondrona hizara ny hevi-baovao hitany amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mandrisika ny mpianatra hikaroka sy hizara soratra masina na teny nambara n’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay manohana ny zavatra zarain’izy ireo.
Fehiny
Alohan’ny hanatanterahan’ny mpianatra ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo momba ny fanapahan-kevitra nosoratany tany am-piandohan’ny fampianarana.
Alaovy sary an-tsaina hoe mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany ianao ary mandre Azy miteny aminao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky” (Matio 25:23).
Alaovy sary an-tsaina ankehitriny hoe, eo am-pijoroanao eo anatrehan’ Andriamanitra, dia afaka mandefa hafatra taloha ho an’ny tenanao amin’izao fotoana izao ianao. Manorata hafatra iray mifono torohevitra ho an’ilay tenanao amin’izao fotoana izao izay hanampy anao hiomana amin’ny Fitsarana Farany. Azonao ampidirina ao anatin’izany ny zavatra nianaranao na tsapanao androany mikasika ny:
-
Ny fiantraikan’ny safidy ataonao rehefa zatovo eo amin’ny fiomananao hihaona amin’ Andriamanitra.
-
Ny zavatra amporisihinao ny tenanao mba hahitsy mahakasika ireo fanapahan-kevitra atrehinao amin’izao fotoana izao.
Hevero ny hijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana fanapahan-kevitra miaraka amin’ny fifantohana any amin’ilay andro izay hijoroantsika eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina.