Seminera
Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Topimaso ankapobeny


“Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12

Topimaso ankapobeny

Ankoatra ireo zavatra hafa, ny bokin’ny Ohabolana dia mamporisika antsika hikatsaka sy hampihatra fahendrena eo amin’ny fiainantsika. Manampy antsika koa izany hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahatokiana ny torolalana avy amin’ny Tompo fa tsy ny fahendrentsika sy ny fahatakarantsika manokana. Ao amin’ny Mpitoriteny dia mampahatsiahy antsika ny Mpitoriteny fa mandalo ihany ireo zavatr’izao tontolo izao. Manoro hevitra antsika Izy mba hiomana amin’ilay andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zanany rehetra.

sary famantarana ny semineraAntitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Rehefa miezaka miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy isika dia tsy manaraka fotsiny ireo fitsipika fa manaraka Azy isika. I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra eo amin’ny fitsipiky ny filazantsara rehetra. Ny fifantohana amin’ny ohatra nasehony dia hanome fahafahana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy hitaona ny mpianatrao hanaraka Azy. Ahitana ohatra momba ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 109: “Fampahafantarana ny Ohabolana”.

Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, [2016] 6).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fampahafantarana ny Ohabolana

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanaraka ny lalan’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy torohevitra sarobidy iray na torohevitra tena manampy izay noraisin’izy ireo avy tamin’ireo ray aman-dreny, mpitarika, ary namana azo atokisana. Asao ny mpianatra hiomana hizara ilay torohevitra sy ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy kely ho an’ny mpianatra mba hanoratany torohevitra; tapa-taratasy izay ahitana fitanisana ohabolana (na azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo ohabolana); taratasy sy fitaovana ho an’ny mpianatra mba hamoronana peta-drindrina

Ohabolana 3

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hisafidy ny hametraka ny fitokiany amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Ohabolana 3:5–6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … Fa Izy handamina ny làlanao.” Mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia azon’ny mpianatra atao ny manao fanazaran-tena mitanisa imbetsaka ilay andian-teny ary misaintsaina toe-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ilan’izy ireo ny fahatokian’ny Tompo.

  • Votoatiny haseho: Fanontaniana hanampiana ireo vondrona hifanakalo hevitra momba ny fahatokiana ny Tompo fa tsy amin’ny fahatakarantsika manokana

  • Horonan-tsary:Trust in the Lord” (3:30)

Mpitoriteny

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifantohana amin’ny fihaonana amin’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany manampy azy ireo hanao safidy hendry.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hifampiresaka amin’ny ray na reny na mpitarika azo atokisana iray mikasika ny fomba nahitany fiantraikany maharitra avy tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisiny hatrizay naha zatovo azy.

  • Votoatiny haseho: Famaritana ireo teny sy andian-teny ao amin’ny Mpitoriteny

  • Horonan-tsary:Saino amin’ny fomba selestialy!” (19:15) manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:20 ka hatramin’ny 5:46

Tombano ny fianaranao 7

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha tato ho ato.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga any am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara tantara na fampianarana iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay nisy fiantraikany teo amin’ny fivoaran’izy ireo ara-panahy.

  • Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny mpianatra mba hanombantombana ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy avy amin’ny tetikasan’izy ireo; toromarika ho an’ny mpianatra mba hanombantombana ny fandalinany ny soratra masina

  • Zavatra haseho: Jiro kely na jiro fanao am-paosy