Seminera
Ohabolana 3: “Matokia an’i Jehovah”


“Ohabolana 3: –Matokia an’i Jehovah–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Ohabolana 3: –Matokia an’i Jehovah–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: Lesona 110

Ohabolana 3

“Matokia an’i Jehovah”

Trust in the Lord - Youth Video - Screen Capture

Sarotra ny matoky ny Tompo indraindray. Kanefa rehefa mihamahafantatra Azy isika dia mahatsapa fa “Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy ny tombontsoan’izao tontolo izao” (2 Nefia 26:24). Hitantsika amin’izany fa fahendrena ny matoky Azy toy izay hiantehitra amin’ny “fahalalan[tsika]” (Ohabolana 3:5). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hisafidy ny hametraka ny fitokiany amin’ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Ohabolana 3:5–6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … Fa Izy handamina ny làlanao.” Mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia azon’ny mpianatra atao ny manao fanazaran-tena mitanisa imbetsaka ilay andian-teny ary misaintsaina toe-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ilan’izy ireo ny fahatokian’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahatokiana

Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanoratana ny teny hoe Fahatokiana eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto ary asehoy tsirairay ny toe-javatra mifandray amin’izany. Hevero ny hanamboatra ireo toe-javatra mba hifanaraka amin’izay ilain’ny mpianatra.

  • Iza no azonao itokisana …

    • mba hitondra anao mody amin’ny fiara raha tratra alina?

    • mba hitantana ny volan’ny fianakavianao?

    • mba hanome toro-hevitra anao momba ny olona tokony hifankahafantarana na hovadina?

    • mba hampianatra anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hanarahana Azy?

      Hevero ny hitanisa ny valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ny teny hoe Fahatokiana.

  • Inona avy ireo toetra tokony hananan’ny olona iray mba hahafahanao matoky azy?

Vakio ny Ohabolana 3:5 ka saintsaino ny hevitr’izany aminao. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no itokisanao kokoa: ny Tompo sa ny tenanao? Nahoana?

  • Inona no toe-javatra miseho eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao izay ahatsapanao fa mila matoky kokoa ny Tompo noho ny tenanao ianao?

Eo am-pandalinanao ny soratra masina androany dia jereo izay nampianarin’ny Fanahy Masina anao ka manampy anao hatoky ny Tompo.

“Matokia an’i Jehovah … fa aza miankina”

doctrinal mastery icon @img–type=icon Ny Ohabolana 3:5–6 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Ohabolana 3:5–6 ka tadiavo ny fomba hamenoanao ity fehezan-teny manaraka ity: “Raha … isika, dia … ny Tompo”

Asao ny mpianatra hizara ny fehezan-teny feno avy amin’izy ireo. Ataovy izay hanohanana ny zavatra zarain’izy ireo. Iray amin’ireo fahamarinana mety hozarain’izy ireo ny hoe Raha matoky ny Tompo amin’ny fontsika manontolo isika, dia hitarika ny lalantsika Izy.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe matoky ny Tompo “amin’ny fon[tsika] rehetra” (andininy 5)?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe matoky ny Tompo toy izay ny “fahalalan[tsika manokana]” (andininy 5)?

    Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ity andinin-tsoratra masina ity dia manasà mpianatra roa hijoro tokony ho iray metatra miala amin’ny zavatra mafy orina toy ny rindrina. Asao ny iray amin’ireo mpianatra hiankina amin’ilay rindrina ary hiantehitra amin’izany. Asao ilay mpianatra iray hafa hiankina araka izay azony atao fa manalavitra ny rindrina mandra-pivembenany.

  • Ahoana no ahafahantsika mahatakatra kokoa ny Ohabolana 3:5–6 avy amin’izany ohatra izany?

    Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely vitsivitsy. Asao ny mpianatra hitanisa ao anatina taratasy kely ireo toe-javatra mety haka fanahy ny zatovon’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hampiasa ny fahalalany manokana toy izay hatoky ny torohevitry ny Tompo. Ohatra amin’izany ny fisafidianana fialamboly, na ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny olona tiana hifankahafantarana sy ny fotoana hanaovana izany, na ny fomba fiteny, na ny fametrahana tanjona mikasika ny fianarana na ny hoavy.

    Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo zavatra notanisainy mba hifanakalozana hevitra momba ireo fanontaniana ao anatin’ny vondrona misy azy ireo.

  • Inona no mety maha-sarotra ho an’ny olona iray ny mitoky amin’ny Tompo toy izay hiantehitra amin’ny fahalalan’ny tena manokana?

  • Inona no torohevitra homenao ny olona mba hahafahany mandresy ireo sakana ireo?

“Fa Izy handamina ny làlanao”

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny faniriany hatoky ny Tompo dia azon’izy ireo atao ny mandalina ny sasany amin’ireo soratra masina etsy ambany ireo na izy rehetra. Afaka mijanona ao amin’ny vondrona misy azy ny mpianatra ary samy mamaky andininy samy hafa ny mpianatra tsirairay.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny antony tokony hatokisantsika ny Tompo fa tsy hiantehitra amin’ny fahalalantsika manokana:

  • Isaia 55:8-9

  • 2 Nefia 4:34–35

  • 2 Nefia 26:24

  • Jakôba 4:10

  • Môzià 4:9

    Rehefa avy namaky ny soratra masina nasaina novakiny ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny vondrona misy azy ireo. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny mpianatra vitsivitsy avy eo.

    Raha nitanisa ireo toetra azo itokisana teny amin’ny solaitra be ianao tany am-piandohan’ny lesona dia hevero ny hanontany ny mpianatra momba ny fomba anehoan’ny Tompo ireo toetra ireo. Afaka manampy toetra fanampiny ananan’ny Tompo eny amin’ny solaitrabe izay eritreretiny na hitany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina etsy ambony ny mpianatra.

  • Inona amin’ny toetra ananan’ny Tompo no manampy anao hatoky Azy, na dia mifanohitra amin’ny fahalalanao aza ny torohevitra omeny?

    ChurchofJesusChrist.org

    Hevero ny hizara ny valinteninao amin’ity fanontaniana manaraka ity ho fanampin’izay nozarain’ny mpianatra.

    3:30
  • Oviana, ianao na ny olona fantatrao, no natoky ny Tompo fa tsy niantehitra tamin’ny fahalalanao manokana? Tamin’ny fomba ahoana no nanampiany na nitarihany anao?

Mametraka ny fitokiako amin’ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra izay nianarany dia hevero ny hanasa azy ireo hanao samirery ireto zavatra manaraka ireto.

Eritrereto ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao tany am-piandohan’ny lesona. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Tompo mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:

  • Inona no zavatra nianaranao androany mikasika ny Tompo izay mamporisika anao hitoky Aminy?

  • Inona ny fomba iray ahafahanao matoky ny Tompo ao anatin’ilay toe-javatra nosoratanao?

  • Inona no ahafahanao manao izany “amin’ny fo[nao] rehetra” (Ohabolana 3:5)?

Mety hanampy ny fizaranao ny fahatsapanao mikasika ny Tompo sy ny fomba nitarihany anao tamin’ny fotoana natokisanao Azy. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny fahafahany sy ny fahavononany hitahy ny mpianatrao raha matoky Azy izy ireo.

Fanaovana tsianjery

Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana tao anatin’ity lesona ity ary hamerina hijery izany ao anatin’ireo lesona any aoriana. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Ohabolana 3:5–6 dia ny hoe “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra; … fa Izy handamina ny làlanao.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fitadidiana.