“Isaia 1–12: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 1–12: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 1–12
Isaia 1–12
Topimaso ankapobeny
Nanambara ny Mpamonjy fa “lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1) ary nandidy antsika hikaroka amim-pahavitrihana ireo faminaniany. Tena manan-danja tokoa ny faminanian’i Isaia ka dia nindramina matetika kokoa manerana ireo soratra masina nankatoavina ny teniny noho ny an’ireo mpaminany hafa. Maro amin’ireo faminanian’i Isaia no mifantoka amin’ny Mesia sy ny fameranana amin’ny laoniny indray an’i Israely amin’ny andro farany. Tamin’ny alalan’i Isaia no nampanantenain’ny Tompo fa “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotan[tsika] dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18). Nampitandrina koa Izy ny amin’ny fotoana hahatonga ny olona “[h]ilaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20). Fantantsika koa fa nampanantena ny “hanangana faneva ho an’ny [firenena]” (Isaia 11:12) ny Tompo, ka hanangona an’i Isiraely naely patrana.
Tiavo ny olona ampianarinao. Katsaho ny hanazava sy ny hahatakatra ny tena tanjona fonosin’ny fanontanian’ny mpianatra sy ny zavatra tsapany ary ny zavatra inoany. Ny fomba iray hitiavanao ireo izay ampianarinao dia amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hahatakatra ny toe-javatra iainany sy ny zavatra ilainy. Rehefa mametraka fanontaniana na manao fanamarihana ny mpianatra dia katsaho ny hanazava sy hahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo sy ny zavatra inoan’izy ireo ary ny tena tanjona fonosin’ny fanontanian’izy ireo. Rehefa avy mametraka fanontaniana na manao fanamarihana ny mpianatra dia azonao isaorana izy ireo sy anontaniana raha vonona hamaly fanontaniana vitsivitsy. Azonao atao avy eo ny mametraka fanontaniana mba hahatakarana ny tena tanjona fonosin’ny fanontanian’izy ireo na ny fanamarihan’izy ireo.
Mba hahitana fanofanana fanampiny momba ny fomba hanazavana sy hahatakarana ny tena tanjona fonosin’ny fanontanian’ny mpianatra, sy ny zavatra tsapany ary ny zavatra inoany, dia jereo ny: “Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo”, ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Mba hahitana bebe kokoa ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Fantatry ny Mpamonjy isika ary takany ireo toe-javatra iainantsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny tanjatsika”, Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022), 13. (Mba hahitana fanofanana fanampiny mikasika ny fandinihina sy ny fanontaniana ny zavatra mahaliana ny mpianatra dia jereo ny “Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.”)
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fampahafantarana ny Isaia
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra ho mavitrika hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny bokin’i Isaia.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga any am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara toe-javatra manan-danja momba an’i Isaia. Azon’izy ireo atao ny mitady ny teny hoe Isaia ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
-
Votoatiny haseho: Teny nambara mikasika ny faharesen-dahatra mba hamaky boky; fanazavana an-tsary “The Kingdoms of Israel and Judah at a Glance (Topimaso ankapobeny momba ny fanjakan’i Israely sy i Joda)”; kisary iray mba hanoratan’ny mpianatra izay nianarany mikasika ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy; sarin’i Jesoa Kristy
Isaia 1
Tajon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hatoky fa afaka manadio ny fahotan’izy ireo ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Isaia 1:18 ary hitady izay sarinteny nampiasain’i Isaia. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina sy hiomana hizara ny dikan’izany andininy izany amin’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao koa ny manao fanazaran-tena mba hitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe: “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18).
-
Votoatiny haseho: Sarin’akanjo misy tasy; sarina loko jaky, mena midorehitra, oram-panala ary volon’ondry; tari-dresaka ho an’ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra tsapany rehefa voadio amin’ny fahotana
-
Horonan-tsary: “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (11:29) manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:56 ka hatramin’ny 7:42
Isaia 5
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara ohatra momba ny zavatra izay noheverina fa tsy mampidi-doza na noheverina ho tsara mihitsy aza, kanefa hita fa nampidi-doza tamin’ny farany.
-
Fitaovana ilaina omanina: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022)
-
Votoatiny haseho: sarina guépard miafinafina; teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar; torolalana ho an’ny sahanasa fandalinana amin’ny alalan’ny fampiasana ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy; fanontaniana atao anaty diary any amin’ny faran’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Hiambina amim-bavaka lalandava” (15:59) manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:24 ka hatramin’ny 6:07
Isaia 11–12
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra havitrika kokoa hizara ny filazantsara amin’ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra tsirairay ireo fanontaniana anankiroa fanombatombanana ny tena tany am-piandohan’ny lesona ary asao izy ireo hisaintsaina ny mety havaliny izany.
-
Votoatiny haseho: Sarina vatan-kazo, fakan-kazo ary tahon’ny hazo; torolalana amin’ny fampiasana ny taratasy zaraina
-
Horonan-tsary: Ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto nosaratan’i Gary E. Stevenson, “Mitia, mizara, manasa”, Liahona, mey 2022:
-
Rahalahy Wisan (pejy 86 na mari-potoana 5:40–7:06)
-
Mayra (pejy 86 na mari-potoana 8:33–9:42)
-
-
Taratasy zaraina: “Faneva ho an’ny firenena”