Seminera
Fampahafantarana ny Isaia: “Lehibe ny tenin’i Isaia”


“Fampahafantarana ny Isaia: –Lehibe ny tenin’i Isaia—”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fampahafantarana ny Isaia: –Lehibe ny tenin’i Isaia–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 1–12: Lesona 113

Fampahafantarana ny Isaia

“Lehibe ny tenin’i Isaia”

The Old Testament prophet Isaiah writing on a roll of parchment. Two men (New Testament apostles) are witnessing the event. They are depicted standing behind Isaiah. A landscape of mountains is in the background. Above the landscape is an image of Mary (the mother of Christ), Joseph (the carpenter) and the infant Jesus Christ in the manger. The painting depicts the prophecy of Isaiah regarding the birth of Jesus Christ.

Nanana andraikitra lehibe hampianatra momba ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mpaminany Isaia. Natao ho an’ny olona tamin’ny andron’i Isaia sy ho antsika ankehitriny koa ity hafatra ity. Mendrika ny hanaovana ezaka ny fandalinana amim-pahavitrihana ny fampianaran’i Isaia mikasika an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra mba havitrika hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Isaia.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga any am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara toe-javatra manan-danja momba an’i Isaia. Azon’izy ireo atao ny mitady ny teny hoe Isaia ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Boky tsara vakina

Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto fehezan-teny manaraka ireto ka manasa ny mpianatra handahatra izany manomboka amin’ilay tena afaka mandresy lahatra mankany amin’ny tsy dia handresy lahatra azy ireo hamaky karazana boky.

  • Toy ny tena mahaliana

  • Namporisihin’ny fianakaviana na namana mba hovakiana

  • Nasaina novakina ho an’ny fampianarana any an-tsekoly

  • Mahazo fanamarihana tsara an-jotra ao amin’ny internet

Azonao asaina ny mpianatra vitsivitsy hizara ilay tena antony voalohany indrindra ho azy ireo ary hanazava izany.

Vakio ny 3 Nefia 23:1–3, ka tadiavo ny boky asain’ny Mpamonjy mba hovakintsika.

  • Inona no eritreritrao mikasika ny didin’ny Mpamonjy mba hamaky ny tenin’i Isaia amim-pahavitrihana?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny didin’ny Mpamonjy eo amin’ny fomba fandalinanao ny bokin’i Isaia?

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hampiseho ny fahatokian-tenany eo amin’ny fahaizany mandalina amim-pahavitrihana ny tenin’i Isaia. Fomba iray hanaovana izany ny manoratra eny amin’ny faritra iray amin’ny rindrina ao am-pianarana ny hoe “tena matoky tena” ary eny amin’ny faritra iray hafa amin’ny rindrina ny hoe “tsy tena matoky tena”. Asao ny mpianatra hijoro eo anelanelan’ireo rindrina ireo arakaraka ny haavom-pahatokian-tenany. Afaka manazava ny haavom-pahatokian-tenany izay mpianatra manolo-tena ny hanao izany.

Lazao ny mpianatra fa afaka manampy azy ireo ny Fanahy Masina hanana fahatokian-tena fa ny fampianaran’i Isaia dia afaka manampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Inona ny zavatra tsara ho fantatra momba ny mpaminany Isaia?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa mikasika ny mpaminany Isaia dia hevero ny hampiseho ilay fanazavana an-tsary hoe “The Kingdoms of Israel and Judah at a Glance (Topimaso ankapobeny momba ny fanjakan’i Israely sy i Joda).” Asao ny mpianatra hitady ny bokin’i Isaia.

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ilay fanazavana an-tsary:

  • Fanjakan’iza no nonenan’i Isaia? (Joda)

  • Iza avy ireo mpaminany hafa nitory teny tamin’ny andron’i Isaia? (I Mika, i Hosea, i Jona)

  • Inona ny zavatra lehibe nitranga zato taona taorian’ny naminanian’i Isaia izany? (Nobaboin’i Babylona i Joda)

Mba hahitana fampahalalana fanampiny dia jereo ny teny iditra “Isaia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay zavatra hafa nianarany mikasika an’i Isaia tao anatin’ny fanomanana ny mpianatra nataony.

Vakio na fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Nandritra ny androm-piainany ny mpaminany Isaia dia nitory teny tamin’ny olona izay niala tamin’ny finoana an’i Jehovah (Jesoa Kristy). Ny hafatr’i Isaia ho azy ireo dia hita taratra tamin’ilay anarany izay midika hoe “Ny Tompo no famonjena”. Miantefa amin’ny vanim-potoana hafa koa ny fampianaran’i Isaia, rehefa manalavitra an’i Jesoa Kristy ny olona, toy ny tamin’ny andron’i Kristy sy amin’izao fotoana izao, eo am-piomanantsika ho amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Ny tenin’i Isaia dia afaka manampy antsika hino tanteraka kokoa an’i Jesoa Kristy

Mety hahaliana ny mpianatra ny mahalala fa “Nindrana matetika kokoa ny tenin’i Isaia noho ny tenin’ny mpaminany hafa rehetra i Jesoa. Nindrana matetika koa ny tenin’i Isaia i Petera, sy i Jaona ary i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mirakitra indran-teny avy amin’i Isaia maro kokoa noho ny avy amin’ny mpaminany hafa rehetra ny Bokin’i Môrmôna mbamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary manampy tokoa amin’ny fahatakarana ny bokin’i Isaia ” (Torolalana ho an’ny soratra masina “Isaia,” Médiathèque de l’Évangile).

Vakio ny 1 Nefia 19:23, ka tadiavo ny antony namakian’i Nefia ny tenin’i Isaia tamin’ny rahalahiny.

  • Inona no hitanao?

Raha tsy lazain’ny mpianatra ity dia ampio izy ireo hahatakatra ity fahamarinana ity: Manampy antsika hino feno kokoa an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ny tenin’i Isaia.

Mety ho fotoana tsara ho an’ny mpianatra izao mba hisaintsainana ny maha-zava-dehibe ny fahalalana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny tenin’i Isaia. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia ny fanasana ny mpianatra hameno ireto fehezan-teny manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany: “Ny finoana lalina kokoa an’i Jesoa Kristy dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fiainako amin’ny alalan’ny …” Rehefa nomena fotoana hanoratana ny mpianatra dia azonao atao ny manasa izay manolo-tena hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratany. Aza hadinoina ny maneho fankasitrahana ny mpianatra rehetra izay mizara.

Raha tsy izany, dia azonao asaina ny mpianatra hitodika any amina mpianatra iray miara-miasa aminy ka hizara ny eritreriny toy izay hanoratra izany ao anatin’ny diary.

Ireo anaran’i Jesoa Kristy sy ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fomba iray hitarihan’i Isaia antsika hino feno kokoa an’i Jesoa Kristy dia amin’ny alalan’ny fampianarany momba ireo anarana fiantsoana Azy sy ny anjara asany. Fomba iray handalinana ireo anarana fiantsoana sy anjara asa ny fampiasana kisary. Azonao atao ny manao ity kisary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Na zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra ary asao izy ireo hanao sary maneho izany eo amin’ny taratasy. Soraty eo afovoan’ny faribolana ny hoe “Jesoa Kristy”. Azo atao avy eo ny manasa ny mpianatra hanoratra ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany izay hitan’izy ireo eo amin’ireo faribolana hafa.

2026 Old Testament Seminary Teacher Materials

Vakio ireto andininy manaraka ireto ka tadiavo sy asio marika ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany.

  • Isaia 7:14

  • Isaia 9:6–7

  • Isaia 33:22

  • Isaia 40:28

    Rehefa avy namaky izany ny mpianatra dia azonao aseho ireo sarin’i Jesoa Kristy maromaro izay nofantenana avy tao amin’ny tahirim-pitaovan’ny Fiangonana. Avy eo ny mpianatra dia afaka mizara ireo anarana fiantsoana na anjara asa hitan’izy ireo fa tanteraka eo amin’ilay sary.

    Hevero ny hanasa ny mpianatra ao anaty vondrona mba hisafidy anarana fiantsoana iray na anjara asa iray sy hianatra bebe kokoa mikasika izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy na amin’ny alalan’ny fikarohana ny hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy faribolana misampana avy amin’ilay anarana fiantsoana na anjara asa nifantohan’izy ireo eo amin’ilay kisary. Azon’izy ireo atao ny mitanisa hevi-baovao nianarany mikasika izany anarana fiantsoana na anjara asa izany. (Fanamarihana: hiverenana ity sahanasa ity ao amin’ny Lesona 133: “Tombano ny fianaranao 8”.)

    Azonao atao ny manasa azy ireo hizara amin’ny vondrona misy azy ireo izay zavatra nianarany mikasika ny Mpamonjy.

  • Nahoana ianao no mila ny Mpamonjy hanatanteraka ny iray na ny maromaro amin’ireo anjara asa ireo eo amin’ny fiainanao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Mpamonjy nanatanteraka ny iray tamin’ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao?