Seminera
Tombano ny fianaranao 8: Isaia–Jeremia 20


“Tombano ny fianaranao 8: Isaia–Jeremia 20,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao 8: Isaia–Jeremia 20,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Lesona 133

Tombano ny fianaranao 8

IsaiaJeremia 20



A young man sits in his home in Malaysia. He is studying.

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fivoarana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia manampy antsika mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa. Natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina lalina ireo tanjona napetrany sy ny fitomboana niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny lesona. Asao izy ireo handinika ny fomba hiharan’izany teny nambara izany amin’ny fivoarany ara-panahy mandritra ny seminera amin’ity taona ity. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny ezaka ataony amin’ny famerenana mijery izay nosoratany tao anaty diary, ny soratra masina nomarihiny, sy ny fanamarihana nataony.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hanombana ny fitomboany ara-panahy eo ampanohizana ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa noho ireo izay notombanana tamin’ity lesona ity ny kilasinao. Raha izay no izy dia amboary ireo sahanasa mba hanombanana izay nianaran’ny mpianatra tamin’ny lesona seminera natao tato ho ato. Azonao atao ihany koa ny misafidy ny hampiasa ny sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny sokajy Fiomanana hiatrika fiainana izay efa nampianarinao. Misy hevitra atolotra ao amin’ny tovana amin’ity boky torolalana ity.

Hanombana ny fitomboany amin’ny sasany na izy rehetra amin’ireto sehatra manaraka ireto ny mpianatra amin’ity lesona ity:

  1. Fanazavana ny anarana fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ny Lesona 113: “Fampahafantarana ny Isaia” nefa mety hisy lesona hafa ampiasaina amin’izany koa.)

  2. Mahatsapa faniriana mitombo handresy ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ny Lesona 114: “Isaia 1” nefa ny Lesona 103: “Salamo 24” sy ny Lesona 124: “Isaia 53” dia azo ampiasaina ihany koa.)

Manombana ny fitomboana ara-panahy sy ny fivoarantsika

Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny fampisehoana ny horonan-tsary “Mihatsara iray isan-jato,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-2:11. Ho solon’izany dia azonao atao ihany koa ny mamaky ny famintinana etsy ambany na mamerina mitantara izany amin’ny teninao manokana.

10:1

Ity manaraka ity dia famintinana ny tantara nozarain’ny Loholona Michael A. Dunn ao amin’ny Fitopololahy.

Nandritra ny zato taona mahery izay, dia nataon’ny tontolon’ny mpitia bisikileta “fihomehezana” ny ekipam-pirenana mpanao hazakazaka am-bisikiletan’i Grande Bretagne. Niova nefa izany tamin’ny taona 2003. Ny mpanazatra vaovao Andriamatoa Dave Brailsford no nokaramaina dia nampiasa fomba vaovao ho fanatsarana. Tsy nifantoka tamin’ny “fanovana goavana sy hainagana” anefa Andriamatoa Brailsford fa nilofo kosa tamin’ny paikady iray nantsoiny hoe “ny fanatambarana ireo ezaka kely maromaro azo atao.” Midika izany fa nandrisika ny mpitaingina bisikiletany izy mba hampihatra fanatsarana kely amin’ny zavatra rehetra.

Hoy izy hoe, “Ilay fitsipika iray manontolo dia avy amin’ilay hevitra hoe raha rasarasainao ny zava-drehetra izay azonao eritreretina momba ny fihazakazahana am-bisikileta, ary avy eo hatsaraina 1 isan-jato izany, dia hahita fivoarana manan-danja ianao rehefa manambatra izany rehetra izany ho iray.” (jereo ny “Iray Mihatsara iray isan-jato,” Liahona, nôv. 2021, 106).

  • Ahoana no fomba hampiharana izany fitsipika izany amin’ny fitomboantsika ara-panahy rehefa miezaka ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Krsity tsaratsara kokoa isika?

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka avy amin’ny Loholona Bednar ity.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Fihatsarana ara-panahy bitika sy tsy tapaka ary mandeha tsikelikely no dingana tian’ny Tompo ataontsika. Ny fiomanana handeha tsy misy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra no isan’ireo tanjona voalohan’ny fiainana an-tany sy zava-katsahina mandritra ny androm-piainana; izany dia tsy azo avy amin’ny fanaovana asa ara-panahy amin-kafanam-po tsindraindray tadiavina. (“Clean Hands and a Pure Heart,” Liahona, novv. 2007, 82)

Zarao amin’ny mpianatra fa ny tanjon’ny lesona Tombano ny fianaranao dia ny hiatoan’izy ireo sy hanasany ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahafantatra hoe toy ny ahoana ny fianaran’izy ireo sy ny fivoarany.

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ny fanontaniana manaraka dia omeo toky izy ireo fa tsy mora ny famantarana ny feon’ny Fanahy ary mila fotoana sy fampiharana izany. Azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo ny tantaran’i Samoela (jereo ny 1 Samoela 3:2–10) na ny an’i Elia (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12).

Manokàna fotoana hisainana izay nianaranao tato ho ato tamin’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny mamerina mijery ireo soratra masina novakinao na nosaintsaininao ka nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao.

  • Inona no ezaka nataonao tato ho ato mba handraisanao sy hamantaranao ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina?

  • Inona avy ireo karazana fahatsapana ara-panahy voarainao avy amin’ny Fanahy Masina tato ho ato? Inona ny zavatra nataonao mba hanatanterahana izany?

  • Inona no sasany tamin’ireo fivoarana kely ara-panahy nataonao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao?

  • Inona avy ireo sehatra sasany izay mbola ilainao hitondrana fanatsarana kely ara-panahy?

sary famantarana ny seminera Ohatra amin’ny fanombantombanana ny tena manokana ireo fehezan-teny famporisihana hisaintsaina teo aloha ireo. Rehefa mieritreritra ny traikefany sy ny fahatsapany manokana ny mpianatra dia azony atao ny mampifandray ny zavatra nianarany amin’ny fiainany sy toe-javatra iainany. (Mba ho fanofanana fanampiny momba ny famoronana fanombantombanana ny tena manokana mahakasika ny fotopampianarana, na fahamarinana, na fitsipika iray, dia jereo ny “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo”ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra tsy mahatsapa ho nitombo ara-panahy mba hahatsiaro fa hanampy azy ireo ny Tompo. Omeo toky ny mpianatra fa tia azy ireo ny Tompo ary asao izy ireo hanana faharetana sy hanohy hiezaka hatrany.

Hazavao ireo anarana fiantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy

Ao anatin’ny Lesona 113: “Fampahafantarana ny Isaia,” dia mety ho namorona kisary mampiseho ireo anarana fiantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Raha nanao izany ny mpianatrao dia azonao atao ny mangataka azy hamerina hijery ny kisary nataony ary hanampy anarana fiantsoana vaovao nianarany tato ho ato. Azonao atao avy eo ny mangataka azy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana eo ambanin’ilay kisary.

Raha tsy nanao ity sahanasa ity ny mpianatrao, dia azonao atao ny mampiseho ity kisary manaraka ity. Angataho handika izany ao amin’ny diary fandalinany izy ireo ary omeo azy ireto taridalana manaraka ireto. Omeo fotoana izy ireo hikaroka anarana fiantsoana fanampiny izay mety nianarany tato ho ato tamin’ny fandalinany ny soratra masina.

Manorata hoe “Jesoa Kristy” eo amin’ilay faribolana eo afovoany. Vakio ny Isaia 7:14; 9:6–7 ary soraty eo amin’ireo faribolana hafa ireo anarana fiantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy izay vao hitanao.

  • Inona ireo anarana fiantsoana hafa vao hitanao tato ho ato? Ampidiro ao amin’ny kisary nataonao izany.

Diagram for Jesus Christ and his various roles

Mety ho tsara ny mampiseho ireto fanontaniana ireto ary mamela ny mpianatra hamaly izany samirery. Avy eo dia azonao asaina ny mpianatra hizara ny heviny ao anatina vondrona kely maromaro na miaraka amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

  • Hatrizay nahafantaranao ireo anarana fiantsoana na anjara asa ireo izay dia nanova inona teo aminao ny fieritreretana an’i Jesoa araka izany fomba izany?

  • Toe-java-misy inona eo amin’ny fiainanao no mety ho lasa tsara rehefa mahatsiaro ny iray amin’ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy ireo ianao ao anatin’izany?

  • Inona no mety hataonao anio noho ny fahalalanao izany zavatra izany mikasika an’i Jesoa Kristy?

Mety ho tianao koa ny mizara amin’ny mpianatrao ny iray amin’ireo anarana fiantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy tianao indrindra. Lazao azy ireo ny antony maha-manan-danja manokana izany anarana fiantsoana sy anjara asa izany aminao. Raha te hahalala ireo anarana fiantsoana na anjara asa hafa dia tariho avy hatrany ny mpianatra ho any amin’ny loharanom-pitaovana hita ao amin’ny Ny anaran’i Kristy (churchofjesuschrist.org).

Mahatsapa faniriana misimisy kokoa handresy ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Azonao atao ny mampiseho ireto sary manaraka ireto izay mety efa hitan’ny mpianatra tamin’ny fandalinana ny Isaia 1. Angataho izy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ilay sary mikasika ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny Isaia 1:18 ho fampahatsiahivana.

Rehefa avy nizara ny mpianatra dia sorato eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ao amin’ny Lesona 114: “Isaia 1” ity.

Raha tena mibebaka amin-kitsimpo isika dia hanadio antsika amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy.

Avy eo dia asehoy na vakio ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ary asao ny mpianatra hamita ilay sahanasa.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana mahatsapa ho tsy avelan’ny Tompo heloka ianao. Manorata taratasy ho an’io namana io ary zarao aminy ny zavatra nianaranao na tsapano mikasika ny Mpamonjy sy ny fibebahana. Aza adino ny mampiasa soratra masina izay nohalalininao tato ho ato. Ohatra mety ho tafiditra amin’izany ny Isaia 1:18, Isaia 53:3–5, sy Jeremia 3:12–15.

Azonao atao ny mandrisika ny mpianatra hamerina hijery izay fanamarihana nataony mikasika ireo andalan-tsoratra masina ireo ary hanampy zavatra manokana nianarany ao amin’ilay taratasy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandinika ny zavatra nianarany na tsapany tao anatin’ny herinandro vitsivitsy rehefa nandinika ny fahafahana sy ny fahavononan’ny Mpamonjy hamela antsika rehefa mibebaka izy ireo.