Seminera
Isaia 53: I Jesoa Kristy dia “nitondra ny aretintsika … sady nivesatra ny fahoriantsika”


“Isaia 53: I Jesoa Kristy dia -nitondra ny aretintsika … sady nivesatra ny fahoriantsika,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Isaia 53: I Jesoa Kristy dia -nitondra ny aretintsika … sady nivesatra ny fahoriantsika,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 50–57: Lesona 124

Isaia 53

I Jesoa Kristy dia “nitondra ny aretintsika … sady nivesatra ny fahoriantsika”

Jesus Christ Carries His Cross through the streets on His way to be crucified on Calvary Hill. An angel shows this experience to Nephi after he inquires about Lehi's vision.

Ny fahasarotana lalovantsika eto amin’ny fiainana an-tany dia mety mahatonga antsika hanontany tena raha toa ka misy olona mahatakatra ny zavatra iainantsika sy ny hoe misy ve ny olona afaka manampy antsika. Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony no nahatsapan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra mety iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Noho ny Sorompanavotany dia afaka manampy antsika ao anatin’ny fijaliantsika i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Isaia 53:3–5 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manao hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa [i Jesoa Kristy] sady nivesatra ny fahoriantsika.”

Sahanasa fianarana azo atao

Zavatra nolalovana teo amin’ny fiainana

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’i Jesoa Kristy ho azy ireo tao anatin’ny Sorompanavotany, dia hevero ny hanoratra hoe, “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy mahatakatra izany,” eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo traikefa sasantsasany mety hananan’ny olona ka mety mahatonga azy ireo hieritreritra toy izany?

Hevero ny hanoratra ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Manomeza fotoana hahafahan’ny mpianatra maromaro mizara.

Avy eo dia asehoy ireto fisarihan-tsaina sy fanontaniana manaraka ireto.

Eritrereto ny valinteny izay homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo traikefa niainako na mety hiainako ka mety hahatonga ahy hieritreritra toy izany?

  • Inona no ataoko rehefa mahatsapa toy izany aho? Nahoana?

Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fandalinan’izy ireo rehefa mianatra momba ny zavatra niainan’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahany manampy azy ireo.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Mahafantatra sy mahatakatra tanteraka ny zavatra iainantsika eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy. Ao amin’ny Isaia 53, dia nampianatra momba ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny mpaminany Isaia.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Isaia 53:3–5 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Afaka mahazo fampiononana sy mampitombo ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana manokana ny Isaia 53 ny mpianatra. Fomba iray azonao hanasana ny mpianatra handalina ny Isaia 53 ity sahanasa manaraka ity.

Vakio ny Isaia 53:1–12 sy ny Almà 7:11–13, ka tadiavo:

  • Ny zavatra niainan’ny Mpamonjy tao anatin’ny Sorompanavotany, ary

  • Ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho ahy noho ny Sorompanavotany.

Azonao atao ny mamorona tsanganana roa ao amin’ny pejy tsy misy soratra ao amin’ny diary fandalinanao mba hiraketana ny zavatra hitanao.

Ny zavatra niainan’ny Mpamonjy

Ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho ahy

sary famantarana ny seminera Ny sasany amin’ny teny na andian-teny ao amin’ny Isaia 53 dia mety ho saro-takarina ho an’ny mpianatra. Raha izany no izy dia azonao atao ny mampiseho ilay taratasy zaraina miaraka amin’ny lesona izay mitondra ny lohateny hoe “Mahatakatra ny Isaia 53” na omeo ny mpianatra izany mba ho torolalana ho azy ireo rehefa mandalina izy ireo. Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hampiasa ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy na rakibolana mba hanazavana ireo teny na andian-teny tsy mahazatra.

Rehefa mandalina ny Almà 7:12, ny mpianatra dia mety hanampy azy ireo ny mahafantatra fa ny hoe hanampiana dia afaka mamaritra ny fomba hikarakaran’ny Mpamonjy antsika. “Ny hoe manampy dia midika hoe -mamonjy-” (Jeffrey R. Holland, “He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, nôv. 1997, 66).

Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia alamino ho vondrona kely maromaro izy ireo. Asao hifanakalo hevitra sy hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Afaka mizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy ny vondrona vitsivitsy. Ny mpianatra dia afaka namantatra fahamarinana toy ny hoe:

  • Tao anatin’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy no nitondra ny alahelontsika, ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ny fahoriantsika, sy ny fangirifiriantsika ary nijaly noho ny fahotantsika.

  • Voavela heloka sy sitrana isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Ho ahy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Avereno vakina mangina samirery ny Isaia 53:3–6 saingy amin’ity indray mitoraka ity, dia soloy amin’ny anaranao, na izaho, na ahy ireo teny hoe ny antsika, sy isika, ary antsika.

  • Inona no zavatra nianaranao na tsikaritrao ka tsy hitanao talohan’ny nampiharanao io andininy io tamin’ny tenanao?

Raha mahazo tombony ny mpianatra amin’ny fandalinana fanampiny mikasika ny fomba niainan’ny Mpamonjy manokana ny fijaliantsika tao anatin’ny Sorompanavotany dia azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra handalina ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Bednar ity. Hevero ny hampiseho ny teny nambaran’ny Loholona Bednar sy hanasa ny mpianatra hitady teny na andian-teny ao amin’ilay teny nambara izay manampy azy ireo hahatakatra izay nanjo ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny maha-tena mahakasika ny tena manokana ny sorona nataon’ny Mpamonjy:

16:24
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Tsy misy fanaintainana ara-nofo, tsy misy ratra ara-panahy, tsy misy fangirifirian’ny fanahy na ratram-po, tsy misy kilema na fahalemena izay mety hatrehako sy hatrehanao ety an-tany ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.” Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14) dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampatanjaka antsika mba hahatonga antsika ho lehibe kokoa noho izay azontsika ahatongavana ary hanampy antsika hanao izay tsy ho vitantsika mihitsy raha ny herintsika manokana no ianteherantsika. (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 90)

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa tsy misy mahatakatra ny zavatra iainan’izy ireo? Andramo ampiasaina ireo teny na andian-teny avy ao amin’ny Isaia 53, Almà 7:11–13, ary ny teny nambaran’ny Loholona Bednar.

Misaintsaina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fankasitrahan’izy ireo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ampio ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo minitra vitsivitsy hisaintsainana na hanoratana ny valinteniny.

Ny fanomezana fotoana ny mpianatra hisaintsainana dia manampy azy ireo hisaintsaina ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny handefa mozika mangina sy masina rehefa misaintsaina na manoratra ny eritreriny ny mpianatra.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia ahoana no hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no i Jesoa Kristy no olona tsara indrindra hitodihana rehefa miaina alahelo, na fanaintainana, na fahoriana?

  • Ahoana no nahatsapanao na ny olona iray fantatrao ny fampiononan’ny Mpamonjy rehefa niaina alahelo, na fanaintainana, na fahoriana?

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nosaintsaininy. Rehefa mizara traikefa izy ireo dia aoka ianao ho mpihaino sy mpankahery.

Ny fihainoana ny zavatra niainan’ny hafa dia afaka manomana ny mpianatra hizara ny azy ireo manokana. Hevero ny hizara zavatra niainanao manokana na hijery ny “Il vous apportera de l’aide” (4:43), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ity horonan-tsary ity dia mampiseho ny fomba nahitan’ny zatovolahy iray fanampiana mba handresena ny alahelo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

4:43

Isaory ny mpianatra noho ny fizarana ny eritreriny sy ny fahatsapany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Isaia 53:3–5 dia ny hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa [i Jesoa Kristy] sady nivesatra ny fahoriantsika.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia hita ao amin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”