“Isaia 50–57: Topimaso ankapobeny,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 50–57: Topimaso ankapobeny,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 50–57
Isaia 50–57
Topimaso ankapobeny
Iray amin’ireo antony mahatonga ny tenin’i Isaia ho mahery vaika tokoa ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny hafatr’i Isaia ho an’i Isiraely fahiny sy ankehitriny dia iray amin’ny hoe “hafaliana sy haravoana” (Isaia 51:3). Naverin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny tenin’i Isaia ilay fanasana hoe “Mihainoa Ahy” (Isaia 51:1,4,7) ary nampanantena ny hampionona ny vahoakan’ny fanekempihavanany Izy (Isaia 51:3,12; 52:9). I Isaia dia naminany momba ny “lehilahy ory sady zatra fahoriana” (Isaia 53:3) izay “voalefona noho ny fahadisoantsika” sy “notorotoroina noho ny helotsika” (Isaia 53:5). Kanefa “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:5). Ho an’ireo izay mahatsapa ho “nafoy ka ory” (Isaia 54:6), dia mampanantena “famindrampo mandrakizay,” “famindrampo,” ary “ny faneken’ny fihavana[ny]” ny Mpanavotra (Isaia 54:8,10). Ny Mpamonjy tenany mihitsy no nijoro ho vavolombelona fa: “Lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1).
Ampio ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Indraindray ny mpampianatra dia te hilaza amin’ny mpianatra ny zavatra tokony ho fantany. Ny zavatra tena mahomby indrindra azon’ny mpampianatra atao anefa dia ny manampy ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany. Nitady fomba hanaovana izany hatrany ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana ho an’ireo izay nampianariny sy nanasa azy ireo hanao asa. Raha te hamantatra misimisy kokoa momba ny fomba nanatanterahan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry amin’ny fianaran’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Tompo [2022], 24–25).
Mba hahitana ohatra amin’ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatrao hanaiky handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo dia jereo ny Lesona 123 “Isaia 51–52.”
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Isaia 51–52
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hihaino ny fanasan’ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fotoana nankatoavany na ny olona iray fantatr’izy ireo ny iray tamin’ireo fanasana na didin’ny Tompo ka nahazoany fitahiana. Ny lesona dia hanome fahafahana ny mpianatra izay vonona mba hizara.
-
Votoatin-kevitra haseho: Lisitr’ireo olona mety henoin’ny mpianatra; ilay tabilao momba ireo fanasana sy fampanantenan’ny Mpamonjy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany
-
Taratasy zaraina: “Ny fanasana sy ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany”
Isaia 53
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Isaia 53:3–5 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manao hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa [i Jesoa Kristy] sady nivesatra ny fahoriantsika.”
-
Taratasy zaraina: “Manakatra ny Isaia 53”
-
Votoatin-kevitra haseho: fehezan-teny mamporisika hisaintsaina sy fanontaniana any am-piandohan’ny lesona; teny nambara avy amin’ny Loholona David A. Bednar
-
Horonan-tsary:Mitondra mora foana ny enta-mavesany” (16:23) manomboka eo amin’ny minitra faha-12:15 ka hatramin’ny faha-13:22, “Il vous apportera de l’aide
Isaia 54
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanolorantenany ho azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Isaia 54, ka hitady ireo teny na andian-teny izay hozarain’izy ireo amin’ny olona iray izay mahatsapa ho irery na nafoy.
-
Sary: “Ireo fanjakan’i Isiraely sy Joda raha atao indray mijery”