“Isaia 54: -Amin’ny indrafo lehibe … no ampodiako anao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 54: -Amin’ny indrafo lehibe no ampodiako anao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 50–57: Lesona 125
Isaia 54
“Amin’ny indrafo lehibe … no ampodiako anao”
Mety hahatsapa ho nafoy sy irery ny olona indraindray. Indraindray ny olona dia mety hihevitra fa tsy eo ho azy ireo Andriamanitra. Satria nandika ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’i Jehovah ny mpianakavin’i Isiraely dia naely patrana izy ireo. Mety nahatsapa izy ireo fa nahafoy azy ireo Andriamanitra. Na izany aza dia nampahatsiahy ny vahoakan’ny fanekempihavanany tamin’ny alalan’i Isaia ny Tompo, na tamin’izany na amin’izao fotoana izao, fa hanangona azy ireo amin’ny indrafo lehibe Izy ary hanome azy ireo fiadanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanolorantenany ho azy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Isaia 54, ka hitady ireo teny na andian-teny izay hozarain’izy ireo amin’ny olona iray izay mahatsapa ho irery na nafoy.
Sahanasa fianarana azo atao
Mahatsapa ho afoy
Atomboy amin’izao rafi-tantara manaraka izao ny fotoam-pianarana. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy ny tahadikan’ilay rafi-tantara mba hifantohany samirery na anankiray ho an’ny iray kilasy. Hanana fahafahana hamaly ilay rafi-tantara nosafidiny ny mpianatra any amin’ny faran’ny lesona.
Mahatsapa ho irery sy ho nafoy i Fidy satria …
-
Nanota izy ary tsy mino fa hamela azy amin’ny zavatra nataony Andriamanitra.
-
Vao haingana izy no nifindra toerana amina faritra vaovao iray ary sarotra taminy ny nahazo namana.
-
Tsy tsapany hoe voavaly ny vavaka nataony.
Saintsaino ny zavatra azonao lazaina an’i Fidy mba hanampiana azy. Eritrereto ny zavatra tianao ho fantany momba an’i Jesoa Kristy.
Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny toe-javatra iainan’izy ireo sy ny fihetsika nasehon’izy ireo raha toa ka mahatsapa ho irery na nafoy izy ireo.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Isaia 54, dia azonao atao ny mampiseho amin’ny mpianatra ilay sary “Ireo fanjakan’i Isiraely sy Joda raha atao indray mijery” rehefa manazava ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ianao (jereo koa ny Lesona 88: 2 Mpanjaka 17; 24–25).
Nandritra ny fiainan’i Isaia dia nanatri-maso ny fanapariahana ny Fanjakana Avaratr’i Isiraely noho ny faharatsian’ilay fanjakana izy (jereo ny 2 Mpanjaka 17:6–23). Naminany ihany koa izy fa noho ny faharatsian’ny Fanjakana Atsimon’i Joda dia ho lasa babo ihany koa izy io (jereo ny Isaia 39:5–7). Noho izany dia maro tamin’ireo tao amin’ny mpianakavin’i Isiraely no mety nahatsapa ho nafoin’ Andriamanitra.
Ao amin’ny Isaia 54, i Isaia dia naminany momba ny zavatra hataon’ny Tompo ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany. Nampiasa io toko io ny Mpamonjy taty aoriana mba hampianarana ny Nefita ny fomba hanangonany an’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 22).
Rehefa mandalina ny Isaia 54 ianao dia henoy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hahafantatra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba ny fifandraisan’Izy Ireo aminao.
Ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo vahoakany
Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa matetika i Isaia no nampiasa sary tao amin’ny asasorany. Ny fiatoana mba hieritreretana lesona nianarana avy amin’ilay sary nampidirina tao dia afaka manasa ny Fanahy Masina hampianatra antsika ny hafatry ny Tompo ao amin’ireo soratra masina ireo. Ao amin’ny Isaia 54, i Isaia dia nampiasa ny sarin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana mba hampianarana momba ny fifandraisana mifono fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely. Maneho ny Mpamonjy ilay lehilahy, ary ilay vehivavy no maneho ny mpianakavin’i Isiraely. Azonao atao ny mizara ny famakiana ny andian-tsoratra masina manaraka ho fizarana kelikely kokoa, toy ny andininy 1–4, 5–8, 9–10, 13, 17. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny zavatra vakin’izy ireo dia azonao atao ny miato aorian’ny andian-tsoratra masina tsirairay ary manasa ny mpianatra hametraka fanontaniana.
Afaka mahita fampahalalana mikasika ireo teny na andian-teny sasantsasany ao amin’ireo andininy ireo ianao ao amin’ny fizarana Loharanom-pitaovana fanampiny.
Vakio tsara ny Isaia 54:1–10, 13, 17, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’i Jesoa Kristy ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
-
Inona no ampianarin’ny sariohatry ny mpivady anao momba ny fifandraisan’ny Tompo amin’ny mpianakavin’i Isiraely?
-
Inona no ampianarin’ireo anarana sy anarana fiantsoana ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 5 momba Azy?
Azonao atao ny mamela fotoana ho an’ny mpianatra hizara teny sy andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’izany momba ny Tompo. Afaka manao izany miaraka na anaty vondrona kely ny mpianatra.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe I Jesoa Kristy Mpanavotra antsika dia… ary asao ny mpianatra hameno ilay fehezan-teny amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra hitany ao amin’ny Isaia 54:4–10, 13, 17.
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany azonao hamaranana ilay fehezan-teny hoe I Jesoa Kristy Mpanavotra antsika dia…?
Azon’ny mpianatra atao ny mamarana ilay fehezan-teny amin’ny fomba maro, anisan’izany ny:
I Jesoa Kristy Mpanavotra antsika dia …
-
hanangona ny vahoakany amin’ny famindram-po.
-
manana hatsaram-panahy tsy manam-pahataperana ho an’ny vahoakany.
-
hanatanteraka ny fanekempihavanana nataony tamin’ny olony.
-
mampanantena fiadanana.
Rehefa mahita ny soratra masina ho manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra dia ho mora kokoa aminy ny mahatakatra ny fomba ampiharana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’izy ireo manokana. Ireto fanontaniana manaraka ireto, na hafa izay mety ho eritreretinao, dia afaka manampy azy ireo hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana hitan’izy ireo.
-
-
Iza amin’ireo fahamarinana ireo no heverinao fa afaka manampy indrindra ny tanora ankehitriny? Nahoana?
Saintsaino hoe iza amin’ireo fahamarinana ireo no tena manan-danja indrindra aminao manokana.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no hanatanterahan’i Jesoa Kristy ireo fampanantenana ireo amin’izao fotoana izao?
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
… Ao anatin’ny tontolo izay “afotofoton’ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana” araka ny naminanian’i Jehovah azy, dia ahoana no fomba hahitantsika ilay antsoiny hoe “Ilay fanekempihavanan’ny … fiadanana”? Mahita izany isika amin’ny alalan’ny fitodihana Aminy, Izy izay nilaza fa hamindra fo amintsika, ary “amin’ny hatsaram-po maharitra mandrakizay” no hanomezany fiadanam-po ho an’ny zanantsiny. (“Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2021, 36)
-
Inona no ianaranao momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba anao?
ChurchofJesusChrist.org
Mampiseho ny zavatra nianarana
Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiseho ny zavatra nianarany sy tsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinana ny Isaia 54. Misafidiana fomba iray hamaliana izay mifanaraka indrindra amin’ny zavatra ilain’ny kilasinao. Ny ohatra sasantsasany amin’ny zavatra azonao atao dia ahitana ny fanasana ny mpianatra hilalao an-tsehatra ilay toe-javatra, na hanoratra hafatra an-tsoratra mba halefa, na hamorona tantara an-tsary ahitana ny resadresaka atao amin’i Fidy.
Ampahatsiahivo ny antony nahatonga an’i Fidy ahatsapa ho nafoy sy irery. Eritrereto ny zavatra azonao zaraina aminy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Isaia 54. Misy zavatra niainana manokana azonao zaraina aminy ve?
-
Inona no tianao hotsaroana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fandalinanao ny Isaia 54?
Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny eritreritrao ary ny fahatsapanao rehefa mandalina ny Isaia 54.