“Isaia 51–52: -Mihainoa Ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 51–52: -Mihainoa Ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 50–57: Lesona 123
Isaia 51–52
“Mihainoa Ahy”
Tamin’ny alalan’i Isaia no niresahan’ny Tompo tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany, na ny fahiny izany na ny ankehitriny. Nanome fampanantenana mahafinaritra ho azy ireo Izy raha toa izy ireo ka misafidy ny hihaino ny fanasany feno fitiavana. Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanany antsika, ny Tompo ihany koa dia manolotra izany fampanantenana sy fanasana izany amintsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hihaino ny fanasan’ny Mpamonjy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fotoana nankatoavany na ny olona iray fantatr’izy ireo ny iray tamin’ireo fanasana na didin’ny Tompo ka nahazoany fitahiana. Ny lesona dia hanome fahafahana ny mpianatra izay vonona mba hizara.
Sahanasa fianarana azo atao
Iza no henoinao?
Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo olona voalaza etsy ambany na ireo hafa izay tsapanao fa afaka mitaona ny zatovo.
Ray aman-dreny, namana, mpampianatra, mpanazatra, mpisintona lakolosy amin’ny tambajotran-tserasera, olo-malaza
-
Iza araka ny eritreritrao no mety henoin’ny zatovo sy harahan’ny zatovo indrindra ny torohevitra omeny? Nahoana?
-
Nahoana no manan-danja ny hoe iza no henointsika sy harahantsika?
Rehefa mamaky ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa matetika ireo mpanoratra ao amin’ny soratra masina no mamerimberina ireo teny sy hevitra manan-danja mba hanamafisana ireo hevitra lehibe. Afaka manao fanazaran-tena mitady ireo teny sy andian-teny manan-danja miverimberina ao amin’ireto andininy manaraka ireto ny mpianatrao.
Vakio ny Isaia 51:1, 4, 7 mba hitadiavana ny hoe iza no tokony hohenoina sy harahan’ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo araka ny torohevitra nomeny. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fahatakarana ny teny hoe mihaino, dia hazavao fa araka ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson, ny hoe mihaino dia midika hoe “mihaino ombam-pikasana hankatò” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89).
-
Nahoana ny olona iray no maniry hihaino sy hanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy mihoatra ny olon-kafa?
Saintsaino izay olana, ahiahy, na fanontaniana mety hanananao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao. Eritrereto ireo fomba ahazoanao tombontsoa avy amin’ny fihainoana ny torohevitra sy ny fanasan’ny Mpamonjy eo am-pandalinanao ny Isaia 51–52.
“Mihainoa Ahy”
Vakio ny Isaia 51:1–2, dia tadiavo ireo sary sy tandindona nampiasain’i Isaia mba hamaritana ny fanasana avy amin’ny Tompo.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany sy tsapany fa hevitra fonosin’ireo sary ireo.
Hazavao fa ny andian-teny hoe “Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo ”sy ny hoe tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha (Isaia 51:1–2) dia entina ilazana ny fanasana nomen’ny Tompo mba hahatsiarovantsika an’i Abrahama sy i Saraha, izay nanaovan’ Andriamanitra ny fanekempihavanany (izay nantsoin’ Andriamanitra ihany koa hoe fanekempihavanan’i Abrahama). Midika izany fa tokony hotsarovantsika ny hitandrina io fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra io.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo: Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo isika dia … Izy.
-
Midika inona aminao izany hoe mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo izany?
Vakio ny Isaia 51:3, ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy rehefa mihaino Azy mba hitandrina ny fanekempihavanantsika isika.
-
Inona no hitanao?
Azon’ny mpianatra atao ny manampy hoe … hanome antsika ny fampiononana sy fifaliana ary haravoana Izy ilay fehezan-teny tsy feno.
-
Manampy antsika handray fampiononana, fifaliana, na haravoana amin’ny fomba ahoana ny fitandremantsika ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo?
Fanasana sy fitahiana
Soraty na asehoy eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mandika izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Azonao atao ny manampy ny zavatra hitan’ny mpianatra ao amin’ny Isaia 51:1–3 mba ho ohatra hakan-tahaka amin’izany. Ohatra, azonao ampiana hoe “Mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo” eo amin’ny tsanganana ankavia ary “manome antsika fampiononana sy fifaliana ary haravoana” eo amin’ny tsanganana havanana.
Noraketin’i Isaia an-tsoratra ny fanasana sy fampanantenana maro avy amin’ny Tompo ao amin’ny Isaia 51–52. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diarinao ireo fanasana sy fampanantenana hitanao rehefa mandalina ireo toko ireo ianao.
|
Ireo fanasana omen’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany |
Ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany |
|---|---|
Ireo fanasana omen’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany | Ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany |
Ilay taratasy zaraina hoe “Ireo fanasana sy fampanantenana ataon’ny Tompo amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany” dia manampy ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra ny fanasana sy fitahiana avy amin’ny Tompo ho antsika.
Fomba iray hanampiana ny mpianatra handalina ilay taratasy zaraina ny fandaminana azy ireo ho vondrona kely. Ny vondrona tsirairay dia afaka misafidy ampahany amin’ilay taratasy zaraina mba hohalalinina sy hiomana hizara ny zavatra nianarany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia alamino mba ho lasa vondrona vaovao maromaro izay ahitana mpianatra nandalina andian’andinin-tsoratra masina hafa. Avy eo dia afaka mizara ny zavatra nianarany amin’ny vondrona vaovao misy azy ny mpianatra tsirairay.
Rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany ny vondrona dia asao izy ireo hameno ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo fanasana na fitahiana manokana izay hitan’ireo mpianatra fa manan-danja. Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona no ampianarin’ireo fanasana ireo anao momba ny dikan’ny hoe mitandrina ny fanekempihavananao?
-
Inona amin’ireo fitahian’ny Tompo no tena tianao ho azo? Nahoana?
-
Iza amin’ireo fanasana nomen’ny Tompo araka ny eritreritrao no hanampy anao handray ny fitahiana katsahinao?
Rehefa mamaly ny mpianatra dia henoy tsara ny zavatra lazainy ary eritrereto ireo fomba hampandraisana anjara kokoa ny mpianatra mandritra ny fifanakalozan-kevitra. Rehefa mahatohitra ny fahazarana mamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ny mpampianatra ary manasa ny iray kilasy mba hamaly ho solon’izany, dia afaka mamorona lamina hifamalian’ny samy mpianatra ianareo. Izany dia afaka manampy amin’ny fifantohan’ny mpianatra sy mampitombo ny fandraisany anjara.
Fomba iray hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana toy ny hoe:
-
Iza no manana traikefa misy ifandraisany amin’ny zavatra nozaraina?
-
Inona no nanaitra anareo mahakasika izany fanamarihana izany?
(Mba hahazoana fampianarana fanampiny amin’ny ezaka tsy hamaly ny fanehoan-kevitra sy fanontaniana rehetra dia jereo ny: “Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ary asao ny mpianatra hamaly” ao amin’ny fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra).
Fihainoana ny Tompo
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany avy amin’ny Rainy any An-danitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina nandritra ny lesona. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.
Saintsaino ny zavatra nianaranao androany sy izay fanasana na torohevitra tsapanao fa omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona no tsapanao fa asain’ny Tompo ataonao mba handraisanao ny fanampiany amin’ireo olana, ahiahy, na fanontaniana anananao?