“Isaia 58–66: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 58–66: Topimasoankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 58–66
Isaia 58–66
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny alalan’i Isaia no nanaovan’ny Tompo fampanantenana tamin’ireo izay mifady hanina sy mitandrina ny andro Sabata ho masina. Naminany momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny Fiaviana Fanindroany ary ny Arivotaona ihany koa i Isaia.
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny fahefany ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsara ny mahafantatra momba ny fitiavana sy ny fahefana ary ny famindram-pon’ny Mpamonjy, kanefa mila mahatsapa ireo fomba niainantsika izany ihany koa isika. Ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny fitiavan’ny Tompo, ny fahefany ary ny famindram-pony dia hanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa Azy. Hita ao amin’ny Lesona 128: “Isaia 61” ny ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany. Mba hahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 8).
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Isaia 58:1–12
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana hifady hanina araka ny fomban’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina izay zavatra tsapany momba ny fifadian-kanina sy ny antony anaovana izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mangataka ray aman-dreny na namana atokisana mba hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany.
Isaia 58:13–14
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanome voninahitra ny Tompo amin’ny andro Sabata.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Sabata. Azon’izy ireo atao lisitra ireo zavatra izay tsapany fa ataony tsara ka mahatonga ny andro Sabata ho masina.
-
Horonan-tsary: “Fahafinaretana ny Sabata” (14:46) manomboka amin’ny minitra faha-3:27 ka hatramin’ny faha-4:41
Isaia 61
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahatokian’izy ireo ny fahafahan’ny Mpamonjy manasitrana sy manafaka ary mampionona antsika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny porofo hitan’izy ireo teo amin’ny fiainany na ny fiainan’ny hafa ka nahitany an’i Jesoa Kristy nanasitrana sy nampionona ary nankahery ny olona ankehitriny. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny eritreriny.
-
Votoatin-kevitra haseho: Fanasana hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana rehefa mandalina ny Isaia 61.
-
Sary: Sarin’ilay vehivavy narary nandeha rà
Isaia 60–66
Tanjon’ny lesona: Hanampy mba hahatsapana fientanentanana misimisy kokoa ny amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakana mandritra ny Arivotaona.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra fantany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakana mandritra ny Arivotaona. Asao izy ireo hisaintsaina raha toa ka miandrandra izany sy ny antony mahatonga izany. Mety hanontany ray aman-dreny na olon-dehibe azo antoka momba ny zavatra tsapany ny amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy izy ireo.