Seminera
Isaia 58:13–14: “Manao ny Sabata hoe fahafinaretana”


“Isaia 58:13–14: -Manao ny Sabata hoe fahafinaretana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Isaia 58:13–14: -Manao ny Sabata hoe fahafinaretana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 58–66: Lesona 127

Isaia 58:13–14

“Manao ny Sabata hoe fahafinaretana”

South Africa.  Members attending church on Sunday, young woman listening in Sunday School class.

Nampianatra ny Mpamonjy fa nomena mba hitahiana ny vahoakany ny Sabata (jereo ny Marka 2:27). Inona avy ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fanomezam-boninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny andro Sabata? Ao amin’ny Isaia dia mianatra isika fa raha manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka amin’ny Sabata masina isika dia ho fitahiana ho antsika ilay andro. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanome voninahitra ny Tompo amin’ny andro Sabata.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Sabata. Azon’izy ireo atao lisitra ireo zavatra izay tsapany fa ataony tsara ka mahatonga ny andro Sabata ho masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra tsapanao mandritra ny andro sabata?

Ny fanomezana fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fahatsapan’izy ireo momba ireo fahamarinan’ny filazantsara dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hamantatra ireo zavatra izay tsara ataony sy ny lafiny mety ilain’izy ireo hatsaraina.

Makà fotoana hieritreretana ny zavatra tsapanao rehefa alahady. Asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatsiaro ireo zavatra sasantsasany ataonao ny alahady ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahatsapanao momba ny Sabata. Avy eo, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no hamaritanao ny fahatsapanao momba ny Sabata amin’izao fotoana izao?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany ezahinao atao amin’izao fotoana izao (na tsy atao) rehefa Sabata?

  • Mahatsapa ve ianao fa ny zavatra ataonao rehefa alahady dia manampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Rehefa mandalina ny Isaia 58:13–14 ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fitahiana nampanantenain’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mitsaoka Azy Ireo amin’ny andro masin’Izy Ireo ianao.

Manome voninahitra ny Tompo amin’ny Sabatany

doctrinal mastery icon @img–type=icon Ny Isaia 58:13–14 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Nandritra ny fotoana fahafito tamin’ny fahariana dia niala sasatra tamin’ny asany rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nitahy izany andro izany izy ireo ary nanokana izany ho fotoan’ny fitsaharana masina amin’ny “[asa]” eto an-tany (jereo ny Mosesy 3:3). Nanasa antsika rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanaraka io lamina io (jereo ny Eksodosy 20:8–10 sy ny Deoteronomia 5:12–14). Nandidy ny vahoakany indray ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny mba hanokana ny andro Sabata ho Azy.

Ampio ny mpianatra hamantatra ny sasany amin’ireo fanasana omen’ny Tompo antsika mikasika ny Sabata amin’ny alalan’ny fanoratana ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Mitandrina ny andro Sabata ho masina isika amin’ny alalan’ny …

Rehefa nanome ny Didy Folo ho an’ny Israelita ny Tompo dia nandidy Izy ny hanokanana ny Sabata ho andro masina hiderana Azy.

Vakio ny Isaia 58:13, ka asio marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

  • Ahoana avy ireo fomba vitsivitsy asain’ny Tompo anaovantsika ny Sabatany ho andro masina?

Ampio ny mpianatra hampiasa ny teniny manokana mba hanazavana ireo andian-teny ao amin’ny andininy 13 izay mameno ilay fehezan-teny milaza fahamarinana. Azonao atao ny manampy azy ireo hahita andian-teny toy ny hoe:

  • tsy mikatsaka ny zavatra mahaliana antsika na ny faniriantsika

  • mihevitra ny Sabata ho androm-pifaliana (fahafinaretana)

  • manome voninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isaky ny andro Sabata

Azon’ny mpianatra atao samirery ity sahanasa manaraka ity.

Misafidiana andian-teny iray ao amin’ny andininy 13. Eritrereto tsara hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe mampihatra io andian-teny io eo amin’ny fiainanao izany. Azonao atao ny mirakitra ny sasany amin’ireo eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao. Rehefa misaintsaina ianao dia asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra kokoa ireo zavatra azonao atao.

Mety hanampy ny fanazavana fa ny fitandremana ny andro Sabata ho masina dia ahitana safidin’ny tena manokana maro azo atao. Ialao ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba tsara sy ratsy hitandremana ny andro Sabata ho masina ary amporisiho ireo mpianatra tsy hitsara ny hafa noho ny safidin’izy ireo.

Fitahiana avy amin’ny fanomezam-boninahitra ny Tompo amin’ny androny

Vakio ny Isaia 58:14, ka asio marika ireo teny sy andian-teny izay manampy antsika hahatakatra ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manome voninahitra Azy amin’ny Sabatany.

Ahoana no hanazavanao izany fitahiana izany amin’ny teninao manokana?

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo dia azonao atao ny mizara ny hevtr’ireo andian-teny toy ny hoe:

Dia hiravoravo amin’i Jehovah hianao” – Hahazo fifaliana ao amin’ny Tompo isika.

Hasandratro ao amin’ny havoana amin’ny tany hianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao” – Mampanantena fitahiana ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo.

Mety hanampy ny mizara fa ny “havoana” dia mety entina ilazana tendrombohitra, havoana, manda, na toerana masina. Io andian-teny io dia mety midika fa “hitahy ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo mba handresy ny sakana rehetra, ho voaro ary ho lavitry ny loza, ho mpandresy manoloana ireo fahavalo (jereo ny Deoteronomia 33:29), ary hanakaiky kokoa ny Tompo.” (“Line upon Line: Isaiah 58:13-14,” New Era, Feb. 2016)

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ireo fitahiana hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Raha mila fanampiana fanampiny ny mpianatra amin’ny fahatakarana ireo fitsipiky ny fitsaohana amin’ny Sabata dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady fitahiana fanampiny, toy ireo izay hita ao amin’ny Ezekiela 20:20 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13.

  • Nahoana ny olona iray no mety ho sahirana hanakatra fa “fahafinaretana” ny mitandrina ny andro Sabata?

  • Inona avy ireo sakana mety hatrehan’izy ireo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara izao manaraka izao mikasika ny zavatra nanampy azy handresy sakana iray izay natrehany rehefa nandray fanapahan-kevitra mikasika ny fomba hanomezam-boninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Alahady izy.

14:46
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza ny tenany ho ny Tompon’ny Sabata. Androny izany! Nangataka tamintsika foana Izy mba hitandremantsika ny Sabata na mba hanamasinantsika ny andro Sabata. Nanao fanekempihavanana isika fa hanao izany.

Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?” Izany fanontaniana izany dia nampazava tsara ny safidiko momba ny andro Sabata. (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, Apr. 2015, 130)

  • Ahoana no mety hanampian’ny Isaia 58:13–14 sy ny hafatry ny Filoha Nelson ny olona iray izay sahirana amin’ireo sakana hitanao?

    Azon’ny mpianatra atao ny mizara zavatra niainana azo atao ohatra tsara izay nahatsapany fa notahiana tamin’ny alalan’ny ezaka nataony izy rehefa mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Alahady. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hizara ny traikefany.

  • Inona no hitanao fa nanatsara ny fahafahanao manome voninahitra ny Tompo rehefa Sabata? Inona no fitahiana efa hitanao avy amin’ny ezaka nataonao?

Inona no famantarana tianao omena an’ Andriamanitra?

Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra hanatsarana ny traikefan’izy ireo rehefa Sabata dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto.

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany momba ny fanasana ao amin’ny Isaia 58:13–14 mba hiala amin’ny fanirian’ny tena manokana sy hanome voninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Sabata. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao rehefa mamaly ity famporisihana hitady hevitra manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao ianao.

Mba hanomezam-boninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa Sabata dia .

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Isaia 58:13–14 dia hoe: “Miaro ny tongotrao … tsy manao izay tianao amin’ny androko masina; ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia hita ao amin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”