“Isaia 61: Ny asa nanirahana an’i Jesoa ilay Mesia,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 61: Ny asa nanirahana an’i Jesoa ilay Mesia,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 58–66: Lesona 128
Isaia 61
Ny asa nanirahana an’i Jesoa ilay Mesia
Ao amin’ny Isaiah 61, i Isaia dia nampianatra momba ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy tao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hanasitrana, hanafaka, hampionona ary hamonjy antsika. Mety tsy matoky ny olona sasany indraindray fa manome izany fanampiana sy fampiononana izany eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fatokian’izy ireo ny fahafahan’ny Mpamonjy manasitrana, manafaka ary mampionona antsika.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny porofo hitan’izy ireo teo amin’ny fiainany na ny fiainan’ny hafa ka nahitany an’i Jesoa Kristy nanasitrana sy nampionona ary nankahery ny olona ankehitriny. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny eritreriny.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny filantsika ny Mesia
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fa mila an’i Jesoa Kristy isika dia hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay sarin’ilay vehivavy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay narary nandeha rà (jereo ny Marka 5:24–34).
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hain’izy ireo momba ny zava-nitranga tamin’io vehivavy io. Raha ilaina dia hazavao fa nanana olana ara-pahasalamana izy, “narary nandeha rà roa ambin’ny folo taona” (Marka 5:25). “Nandany ny fananany rehetra” izy nitady fanasitranana tamin’ny mpanao fanafody maro, fa vao mainka nihanarary kokoa aza (Marka 5:26). Araka ny lalàn’i Mosesy dia noheverina ho tsy madio ny olona iray narary nandeha rà (jereo ny Levitikosy 15:19–33), ka noho izany dia azo inoana fa nailiky ny fiarahamonina angamba io vehivavy io nandritra ireo 12 taona ireo.
Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-pizaràna ilay sary.
-
Inona hoy ianao no mety eritreriny na zavatra tsapany?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hananan’ny zatovo iray eritreritra na fahatsapana mitovy amin’izany ankehitriny?
Afaka manao izay hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana ny mpianatra rehefa mandalina ka mieritreritra ny fiainany sy ny toe-javatra iainany. Fomba iray hanampiana azy ireo hanao izany ny fampisehoana torolalana tahaka ireto manaraka ireto:
Eritrereto ireo olana atrehanao na ny an’ny olona iray fantatrao amin’izao fotoana izao sy ny fomba ilàna ny fanampian’ny Mpamonjy. Naminany ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika sy io vehivavy io i Isaia. Rehefa mandalina ny Isaia 61 ianao anio dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hanampiana anao hahita ny fomba fiasan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao.
Ny asa nanirahana ny Mesia
Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny Isaia 61, dia soraty eny amin’ny farany ambony amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba …
Ao amin’ny Isaia 61, i Isaia dia naminany momba ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy. Ao amin’ireo andininy ireo i Isaia dia miresaka amin’ny fomban’ny Mesia na toy ireny hoe ny Mpamonjy ireny no miteny.
Vakio ny Isaia 61:1–3, ary farano ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe: Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba …
Azonao atao ny manazava fa ny hoe nanosotra ao amin’ny andininy 1 dia midika fa voatokana na nalefa ho amin’ny tanjona iray manokana i Jesoa Kristy. Ny hoe “Kristy (teny Grika) sy Mesia (teny Hebreo) dia midika hoe -ilay voahosotra-” (“Jesoa Kristy,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina).
Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny mpandefitra ao amin’ny sahan-kevitry ny andininy 1 dia mety midika hoe mahantra, ory, na manetry tena.
-
Inona no hitanao ka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy olona iray amin’izao fotoana izao?
Azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra zarain’ny mpianatra na asao izy ireo hanao izany. Rehefa mizara hevitra ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mamarana ity fehezan-teny ity: Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba …
-
Hitory ny filazantsara amin’ny mahantra, ny ory, ary ny manetry tena (jereo ny andininy 1).
-
Hanasitrana ireo torotoro fo (jereo ny andininy 1).
-
Hanafaka ny babo (jereo ny andininy 1).
-
Hampionona ny malahelo rehetra (jereo ny andininy 2).
-
Hanome hatsarana sy fifaliana ho an’ireo izay malahelo (jereo ny andininy 3).
Ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana dia fomba mahomby hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny zavatra vao avy nohalalinin’izy ireo tao amin’ny soratra masina na ny zavatra henon’izy ireo nozarain’ny hafa. Azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra handinika ny dikan’ilay lahatsoratra: “Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny olona iray ho babo?” na hoe “Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe hanome antsika -namama ho solon’ny lavenona-?”
Famantarana ny fomba hanatanterahan’ny Mpamonjy ny iraka nampanaovina Azy
Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra ity famintinana ny Lioka 4:16–21 manaraka ity.
Nandritra ny fiainany teto an-tany dia namaky ny Isaia 61 i Jesoa Kristy tao amin’ny synagoga tao an-tanàna niaviany tao Nazareta. Tamin’ny alalan’ny tenin’i Isaia no nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina izay nalefan’ny Ray any An-danitra mba hanasitrana, hanafaka, hampionona ary hamonjy (jereo ny Lioka 4:16–21).
Mba hanampiana ny mpianatra hanomboka hahita ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manatanteraka ny iraka nampanaovina Azy eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina anatina vondrona ohatra avy ao amin’ny soratra masina.
Misafidiana fahamarinana iray eny amin’ny solaitrabe. Alalino ny ohatra iray ao amin’ny soratra masina izay hanatanterahan’ny Mpamonjy ny iraka nampanaovina Azy ka nanampiany olona iray nanana olana manokana. Azonao ampiasaina ny ohatra nomena anao ao amin’ny soratra masina na mitadiava ohatra anao manokana. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ohatra maoderina iray.
-
Mijaly: Lehilahy, mararin’ny paralysisa (Marka 2:1–12)
-
Torotoro fo: Ilay vehivavy narary nandeha rà (Marka 5:24–34)
-
Babo: Almà Zanany (Almà 36:16–21)
-
Fisaonana: Maria sy Marta (Jaona 11:20–36)
-
Nampitondraina enta-mavesatra: Almà sy ny olony (Môzià 24:8–21)
Eo am-pandalinanao dia mitadiava valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no ampianarin’io tantara io anao momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manatanteraka ny iraka nampanaovina Azy ho anao eo amin’ny fiainanao?
-
Inona no ampianarin’io tantara io anao momba ny fomba ahafahanao manasa ny heriny ho eo amin’ny fiainanao?
Rehefa mandalina ny mpianatra dia ampio hatrany izy ireo hamaly izay fanontaniana mety hananany.
Rehefa vita ny fandalinan’izy ireo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany ka afaka manampy olona iray izay miatrika olana sarotra.
Ny fametrahana fanontaniana manasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo manokana, toy ireto manaraka ireto, dia afaka manampy azy ireo hamantatra ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo. (Raha mila fanazarana fanampiny hanampiana ny mpianatra hianatra momba ny fitiavan’ny Tompo, ny heriny sy ny famindram-pony dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo”ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
4:17 -
Tamin’ny fomba ahoana no hitanao nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny asa nanirahana azy teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray izay fantatrao?
Fizarana ny zavatra inoanao momba Azy
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fomba ahafahan’ireo zavatra nianaran’izy ireo miantraika amin’ny fiainany any ivelan’ny fotoam-pianarana. Ity sahanasa manaraka ity dia mifandray amin’ny olana izay noeritreretin’izy ireo tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana.
Manorata hafatra ho an’ilay olona noeritreretinao androany izay miaina fahasarotana amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainany (mety ho ianao ihany io olona io). Katsaho ny fanampian’ny Fanahy hitarika anao eo am-panoratana. Sorato ao amin’ilay taratasy ireo fahamarinana na zavatra niainanao ka renao sy nianaranao momba ny Mpamonjy androany ary heverinao fa afaka mampahery na mitondra fanantenana ho an’io olona io.
Hevero ny hamarana amin’ny alalan’ny fizaràna ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahefany.