Seminera
Isaia 58:1–12: Ny herin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka


“Isaia 58:1–12: Ny herin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Isaia 58:1–12: Ny herin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 58–66: Lesona 126

Isaia 58:1–12

Ny herin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka

zatovovavy iray mivavaka

Nangataka antsika mba hifady hanina ny Tompo. Inona no zavatra tsapanao mikasika io didy io? Ireo Jiosy dia nahatsapa fa toa tsy nankasitrahan’ny Tompo ny fifadian-kanina nataon’izy ireo. Tamin’ny alalan’i Isaia no nampianaran’ny Tompo an’ny vahoaka ny fomba fifadian-kanina tena izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana hifady hanina araka ny fomban’ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina izay zavatra tsapany momba ny fifadian-kanina sy ny antony anaovana izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mangataka ray aman-dreny na namana atokisana mba hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fifadian-kanina

Mba hanomanana ny mpianatra hianatra momba ny fifadian-kanina dia hevero ny hanao izao manaraka izao. Rehefa mifanakalo hevitra momba ity lohahevitra ity ianareo dia miezaha mamorona tontolo iray izay ahafahan’ny mpianatra mizara malalaka tsy misy tsindry na fitsaratsarana.

Alaovy sary an-tsaina hoe indray alahady maraina dia efa vonona ny hihinana sakafo maraina ianao no nahatadidy tampoka fa alahady fifadian-kanina ilay andro.

  • Inona no zavatra tonga voalohany ao an-tsainao?

Raha ilaina dia zarao ity fanazavana manaraka momba ny fifadian-kanina ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany ity:

Ny Tompo dia nametraka ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hitahiana ny vahoakany sy hanolorana fomba iray hahafahan’izy ireo manompo ireo izay sahirana. …

Azo tanterahina amin’ny fotoana rehetra ny fifadian-kanina. Na izany aza, dia natokan’ny mpikambana araka ny mahazatra ho andro fifadian-kanina ny Sabata voalohany ao anatin’ny volana. Ahitana izao manaraka izao raha ny mahazatra ny andro fifadian-kanina iray:

Mivavaka

Tsy mihinana sy misotro mandritra ny 24 ora (raha mahavita izany ny vatana)

Manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia fanomezana hanampiana ireo izay sahirana. Rehefa mifady hanina ny mpikambana dia angatahina mba hanome fanatitra izay farafahakeliny mitovy amin’ny vidin’ireo sakafo tsy nohanina. Amporisihina ny mpikambana mba halala-tanana sy hanome bebe kokoa noho ny vidin’ireo sakafo roa raha azony atao. (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 22.2.2, Médiathèque de l’Évangile)

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra tsapanao momba ny fifadian-kanina rehefa mandinika ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Inona no tsapanao momba ny fifadian-kanina? Nahoana?

  • Raha efa nifady hanina ianao taloha dia inona no nianaranao momba ny Tompo sy ny fifadian-kanina avy amin’ny zavatra niainanao?

  • Inona no olana na fanontaniana anananao momba ny fifadian-kanina?

Rehefa mandalina ianao anio, dia katsaho ny fitarihan’ny Tompo mba hanampy amin’izay mety ho olana anananao sy hahatsapa faniriana hifady hanina.

Ny fampianaran’ny Tompo momba ny fifadian-kanina

Nandidy an’i Isaia ny Tompo mba hanambara tamim-pahasahiana ny fahotan’ny mpianakavin’i Isiraely. Ohatra, nanatanteraka fombafomba ara-pivavahana isehosehoana ivelany izy ireo, anisan’izany ny fifadian-kanina, kanefa niaraka tamin’ny fikasana ratsy.

Hevero ny hanazava na hampiseho ny iray amin’ireto fampahalalana manaraka ireto izay mety hanampy ny mpianatra rehefa mamaky ireo andininy etsy ambany izy ireo:

  • Ny hoe “Zozoro” (andininy 5) dia bozaka avo sy manify sady mikirozaroza.

  • Ny hoe “lamba fisaonana” (andininy 5) dia lamba matevina izay nosaloran’ny olona fahiny mba hanehoana ny fanetrentenany na ny alahelony. Norarahan’izy ireo lavenona ihany koa ny tenany noho ny antony mitovy amin’izany.

Vakio ny Isaia 58:3–5, ka tadiavo ny valin’ireto fanontaniana roa ireto:

  • Inona no nanontanian’ny vahoaka an’ny Tompo mikasika ny fifadian-kanina nataony?

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa tsy nety natao’ny olona mikasika ny fifadian-kanina nataon’izy ireo?

    Asao ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo sy ny zavatra nanaitra azy ireo. Raha ilaina dia hazavao fa rehefa nifady hanina i Israely, dia nikatsaka ny fahafinaretany manokana (andininy 3), nandray ny fifadian-kanina ho fahoriana (andininy 3, 5), ary nampahory ny hafa (andininy 3–4).

  • Ahoana no mety hanaovantsika hadisoana mitovy amin’izany rehefa mifady hanina?

    Hazavao fa ny Tompo dia miandry ny hifadian-tsika hanina amin’ny fomba tsy mitovy amin’ny an’ireo olona ireo. Miandry antsika ny hifady hanina amin’ny fihetsika feno fanetrentena sy omban-tanjona ary finiavana marina Izy (jereo ny Salamo 35:13; Joela 2:12; Jona 3:4–10; Matio 6:16–18; Almà 5:46; 6:6;17:3, 9).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hifady hanina amim-panetrentena isika, miaraka amin’ny tanjona marina voafaritra tsara sy finiavana marina?

Fampanantenan’ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mifady hanina araka ny fikasan’ny Tompo isika dia…

Vakio ny Isaia 58:6–12, ka tadiavo ireo tanjona sy fitahiana nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mifady hanina araka ny fikasan’ny Tompo. Mety ilainao ny manisy marika izany.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Isaia 58:6–7 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Asao ny mpianatra hameno ilay fehezan-teny miainga avy amin’ny fandalinana nataon’izy ireo. Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto:

  • Hamaha ny famatoran’ny faharatsiana na ny fahotana eo amintsika Izy (jereo ny Isaia 58:6).

  • Hanaboraka ny fehin’ny zioga izy (jereo ny Isaia 58:6).

  • Hikarakara ny mahantra sy ny sahirana isika (jereo ny Isaia 58:7).

  • Hanome antsika fahazavana sy fanasitranana Izy (jereo ny Isaia 58:8).

  • Hamaly ny vavaka ataontsika Izy (jereo ny Isaia 58:9).

Ny fitahian’ny fifadian-kanina

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitahiana hitany dia asao izy ireo hisafidy iray na roa amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Manahy mafy ny amin’ny fianarany sy ny hoaviny ny zatovolahy iray.

  • Mahatsapa ny zatovovavy iray fa tsy hadio intsony izy noho ny fahotany.

  • Mivavaka ny zatovolahy iray mba hamantarana raha marina ny Fiangonana kanefa sahirana tsy mety maharay valim-bavaka izy.

  • Te hanampy ny mahantra ny zatovovavy iray.

  • Miatrika olana izay tsy hainy raha azony resena ny zatovolahy iray.

Mitadiava andian-teny iray avy ao amin’ny Isaia 58:6–12 izay mety hamporisika ilay olona amin’ilay toe-javatra hifady hanina sy hivavaka mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra. (Mety misy andian-teny mihoatra ny iray azo ampiharina amin’ny toe-javatra sasany.)

Ao anatin’ny vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy, asao ny mpianatra hizara ireo toe-javatra nosafidian’izy ireo sy ireo andian-teny izay afaka manampy sy ny anton’izany.

Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hizara toe-javatra hafa mety hanampian’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo na hanontany raha toa ka misy amin’ireo fitahiana ireo no nanan-danja manokana tamin’izy ireo ary ny antony.

  • Ahoana no mety hampanakaiky anao kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mifady hanina sy mandray ireo fitahiana ireo ianao?

Ohatra amin’ny fifadian-kanina sy fandoavana fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy dia hazavao fa nifady hanina sy nampianatra momba ny fifadian-kanina Izy sady niaina ilay fitsipika ihany koa. Nifady hanina Izy talohan’ny asa fanompoany teto an-tany (jereo ny Matio 4:1–2 ary mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 4:1 dia manitsy ilay andian-teny hoe “halain’ny devoly fanahy” ho “miaraka amin’ Andriamanitra”). Nampianatra ihany koa Izy fa ny fitaoman-dratsy sasany dia tsy afaka raha tsy “amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina irery ihany” (Mat. 17:19, 21).

3:2

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany manokana momba ny fifadian-kanina, ary koa ireto fanontaniana manaraka ireto, mandritra ny fotoana fohy:

  • Inona avy ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao na ireo olona fantatrao noho ny fifadian-kanina?

  • Inona no ataonao mba hahatonga ny fifadian-kaninao ho manan-danja kokoa na ahoana no ahafahanao manao izany?

Hevero ny hizara ihany koa ny traikefanao manokana.

Ny fahatsapanao momba ny fifadian-kanina

Eritrereto izay fahatsapana voarainao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina nandritra ity lesona ity rehefa manoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao momba ny fifadian-kanina ianao. Azonao atao ny misafidy ny hampiditra ireo fitahiana avy amin’ny Tompo izay tianao eo amin’ny fiainanao sy ny anton’izany.

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ho an’ny “Isaia 58:6–7” dia hoe “ireo fitahiana avy amin’ny fifadian-kanina araka ny tokony ho izy.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia hita ao amin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”