“Isaia 60–66: Ny Fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 60–66: Ny Fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 58–66: Lesona 129
Isaia 60–66
Ny Fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona
Ao anatin’ny fisafotofotoan’izao tontolo izao, dia maniry fatratra fotoam-piadanana isika rehetra. Hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy Mpamonjy ary hanjaka mandritra ny arivo taona, ka hanomboka fotoam-piadanana. Naminany momba io vanim-potoana izay antsoina hoe Arivotaona io i Isaia. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fientanentanana misimisy kokoa ny amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakana amin’ny Arivotaona.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra fantany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakana mandritra ny Arivotaona. Asao izy ireo hisaintsaina raha toa ka miandrandra izany sy ny antony mahatonga izany. Mety hanontany ray aman-dreny na olon-dehibe azo antoka momba ny zavatra tsapany ny amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Arivotaona
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony mahatonga ny fiverenan’ny Mpamonjy ho fitahiana lehibe eo amin’ny fiainantsika dia hevero ny hanomboka amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona avy ireo olana sasantsasany eto amin’izao tontolo izao izay irinao hiova?
Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireto andian-teny manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra valiny:
-
Antony mampitomany ny olona na mandratra ny olona
-
Ohatra amin’ny herisetra, ny tsy rariny, na faharavana
-
Ny fitaoman’i Satana
Makà fotoana hisaintsainana izay mety ho olana eo amin’ny fiainanao na eo amin’ny fiainan’ireo olona tianao ka tianao hiova. Rehefa mandalina ianao anio, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pitadiavanao ireo fahamarinana izay mety hanampy antsika sy izao tontolo izao.
Ireo toko farany ao amin’ny Isaia
Asehoy ny sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ary hazavao fa ny soratra masina dia mampianatra fa hiverina indray eto an-tany sy hanjaka mandritra ny arivo taona ny Mpamonjy. Antsoina hoe Arivotaona izany vanimpotoana izany.
Ireo toko farany ao amin’ny bokin’i Isaia dia ahitana ireo fampianarana sy faminanian’i Isaia momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny Arivotaona.
Vakio ireto andininy manaraka ireto, ary asio marika ireo andian-teny izay manampy anao hahatsapa fientanentanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy:
-
Isaia 60:18–20
-
Isaia 62:11–12
-
Isaia 65:17–25
Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo andian-teny hitany sy ny antony hiandrandran’izy ireo ny fanomezan’ny Mpamonjy izany fitahiana izany. Ny mpianatra dia mety hizara andian-teny mampiseho fa handresy ireo olan’izao tontolo izao ny Mpamonjy. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny hoe:
-
“Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony” (Isaia 60:18)
-
“Ho tapitra ny andro fahalahelovanao” (Isaia 60:20)
-
“Ny feo mitomany tsy ho re any intsony” (Isaia 65:19)
-
“Tsy handratra na hanimba … izy” (Isaia 65:25)
Ny famporisihana ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina izay zarain’ireo mpiara-mianatra aminy dia mety hahomby ihany koa.
-
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra hataon’ny Mpamonjy ho an’ny olony rehefa miverina Izy?
Mety hizara fahamarinana samihafa ireo mpianatra. Mety hitovy amin’izao manaraka izao ny iray: Noho ny Mpamonjy dia hianoka fahasambarana sy fiadanana ary firoboroboana mandritra ny Arivotaona ny olony. Hevero ny hanoratra io fitsipika io, na iray mitovy amin’izany eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.
Fampitomboana ny fahatakarana
Miresaha momba ilay sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao ny mpianatra hahatsiaro ny zavatra fantany sy tsapany momba an’i Jesoa Kristy.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no hitarika ho amin’ny fahasambarana sy fiadanana ary fifaliana ny fananana an’i Jesoa Kristy eto an-tany?
Makà fotoana hisaintsainana izay fanontaniana anananao momba ny Arivotaona sy ireo fitahiana avy amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Nanambara misimisy kokoa momba io lohahevitra io ny Tompo.
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto.
Misafidiana iray na roa amin’ny fanontanianao manokana momba ny Arivotaona na ireto fanontaniana manaraka ireto izay mahaliana anao indrindra. Mandania minitra maromaro hitadiavana valiny ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Arivotaona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy Ireo lohahevitra sy fanontaniana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org dia mety hanampy.
-
Inona no dikan’ny hoe “[h]ahary lanitra vaovao sy tany vaovao” ny Tompo? (Isaia 65:17). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:25–26 sy ny Fanekem-pinoana 1:10. Eritrereto ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny herin’ny Mpamonjy sy ny fahatsapany momba ny olo-marina.
-
Hisy fahafatesana ve mandritra ny Arivotaona? Inona no dikan’ny hoe noho ny Mpamonjy dia “[ho faty@ zato taona” ny zaza iray? (Isaia 65:20). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:29–31 ary saintsaino ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny herin’ny Mpamonjy.
-
Inona no hitranga amin’i Satana noho ny fiverenan’ny Mpamonjy? Vakio ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:55, 101:28, 1 Nefia 22:26, ary Apokalypsy 20:1–3. Eritrereto ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny Tompo.
-
Inona avy ireo anjara asan’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona? Inona no ho ataony? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11 sy ny 45:59 ary ny Fanekem-pinoana 1:10.
-
Inona koa no nambaran’ny Tompo momba ny Arivotaona? Vakio ny sasany amin’ireto manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:54, 56–58; 101:26–29; ary ny “Arivotaona” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Hevero ny hanontany hoe amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’ny zavatra nianaran’izy ireo ny fientanentanan’izy ireo ny amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy sy ny Arivotaona.
Raha anontanian’ny mpianatra ny hevitry ny hoe “hovahana kelikely aloha” i Satana (Apokalypsy 20:3) amin’ny fiafaran’ny Arivotaona, dia asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:111–115.
Alaovy sary an-tsaina ny zavatra nianaranao
Mety hahomby indraindray ny fakana sary an-tsaina ny zavatra ianaranao. Akimpio ny masonao ary alaovy sary an-tsaina ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny fotoana hanjakany eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Mivavaha hahazoana ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hanan-danja aminao ity sahanasa ity. Alaovy sary an-tsaina ny fiverenan’ny Mpamonjy sy ny fomba mety hitahiany anao sy ireo olon-tianao ary ny olombelona rehetra.
Azonao vakina ity teny nambaran’ny Loholona Andersen manaraka ity, izay manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra ren’izy ireo.
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny velarana sy ny fahalehibiazana, ary ny hakantony, dia hihoatra noho izay rehetra fahitan’ny maso mety maty na niainana.
… hiseho Izy“eny amin’ny rahon’ny lanitra, mitafy hery sy voninahitra lehibe; miaraka amin’ny anjely masina rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44).
… Handohalika amim-panajana isika, “Ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany;” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:49) …
Hisy fihaonana tsy hay hadinoina eo amin’ny anjelin’ny lanitra sy ny Olomasina eto an-tany.(jereo ny Mosesy 7:63). Fa tena zava-dehibe, araka ny nambaran’i Isaia hoe: “Ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra,” (Isaia 52:10) ary “hanjaka amin’ny nofo rehetra” Izy (Fotompampianarana sy fanekempihavanana 133:25). (“Ho Tonga anie ny Fanjakanao,” Liahona, mey 2015, 122)
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy androany sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fiverenany indray. Asao ireo mpianatra izay terem-panahy mba hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo. Hevero ny hizara ihany koa ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao.