“Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20
Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20
Topimaso ankapobeny
Natokana ho mpaminany i Jeremia talohan’izao fiainana izao. Ny hafany dia ny hibebahan’ny Jiosy amin’ny lalan-dratsiny mba hanasitranan’ny Mpamonjy azy ireo. Naminany ny amin’ny fanangonana mahagaga an’i Isiraely amin’ny andro farany izy.
Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Rehefa mihevitra ny zavatra niainany sy ny fahatsapany manokana mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara ny mpianatra dia azo antoka fa ho tsapany ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay nianarany. Ohatra iray amin’ny famoronana izany fahafahana izany ao amin’ny Lesona 133: “Tombano ny fianaranao 8.”
Raha mila fanazavana fanampiny amin’ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanolotra fahafahana ho an’ny olona mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 17–18).
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Jeremia 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanam-panirina ny hanatanteraka ny tanjony masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mitrotro zaza vao teraka izy sy hisaintsaina ireto fanontaniana roa ireto:
-
Ahoana no nanomanana io zaza io hiaina ny fiainana an-tany talohan’ny nahaterahany?
-
Rehefa mihalehibe io zaza io, dia inona no antenaiko fa ho takany mikasika ny tanjony masina?
-
-
Horonan-tsary: “Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay” (14:25) manomboka amin’ny minitra faha-6:21 ka hatramin’ny faha-7:08; “Ilay taranaka nofinidy” (11:24) manomboka amin’ny minitra faha-5:43 ka hatramin’ny faha-7:14
-
Votoatin-kevitra haseho: Fanombanan-tena any am-panombohan’ny fotoam-pianarana; teny nambaran’ny Loholona John C. Pingree Jr.
Jeremia 2–3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny faniriany hitodika amin’ny Mpamonjy mba hahazo famindram-po sy fanasitranana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hikaroka soratra masina izay mampianatra momba ny fitahiana avy amin’ny fibebahana. Azon’izy ireo atao ny mivonona hizara ny antony maha-manan-danja ireo fitahiana ireo aminy.
-
Fitaovana: Zinga lava taho; koveta na lovia lehibe; kaopy misy kiloadoaka kely maromaro ao ambaniny
-
Sary: Tovolahy iray
-
Horonan-tsary: “Ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana” (10:24) manomboka amin’ny minitra faha-0:20 ka hatramin’ny faha-2:12
-
Votoatin-kevitra haseho: Torolalana ho an’ny mpianatra hanomanany izay ho teneniny amin’ilay tovolahy ao amin’ilay rafi-tantara any amin’ny faran’ny lesona
Jeremia 16
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny fizarany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisaintsaina olana mety handalovan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fomba handresena izany olana izany. Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny heviny amin’ny iray kilasy.
-
Sary: Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena
-
Horonan-tsary: “Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo)” (13:47) manomboka amin’ny minitra faha-0:25 ka hatramin’ny faha-0:51; “Des moyens simples pour aimer, faire connaître et inviter” (2:50)
-
Votoatin-kevitra haseho: Torolalana ho an’ny sahanasa fandalinana ao amin’ny fizarana “Mandray anjara amin’ny fanangonana”; fanambarana avy amin’ny Filoha Nelson any amin’ny faran’ny lesona
Tombano ny fianaranao 8
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona napetrany sy ny fivoarana hitany nandritra ny fandalinana ny Testamenta Taloha tato ho ato.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny lesona. Asao izy ireo handinika ny fomba hiharan’izany teny nambara izany amin’ny fivoarany ara-panahy mandritra ny seminera amin’ity taona ity. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny ezaka ataony amin’ny famerenana mijery izay nosoratany tao anaty diary, ny soratra masina nomarihiny, sy ny fanamarihana nataony.
-
Horonan-tsary: “Mihatsara iray isan-jato” (10:01) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-2:11
-
Votoatin-javatra haseho: Kisary faribolana; fanontaniana ambanin’ilay kisary faribolana, torolalana momba ny sahanasa fanoratana taratasy
-
Sary: Loko jaky sy sily; oram-panala sy ondry