“Jeremia 16: -Hampodiko … izy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jeremia 16: -Hampodiko … izy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Lesona 132
Jeremia 16
“Hampodiko … izy”
Mangataka antsika handray anjara amin’ny asa lehibe indrindra ety ambonin’ny tany amin’izao vaninandro izao ny Mpamonjy: dia ny fanangonana an’i Isiraely ary ao anatin’izany ny fizarana ny filazantsara. Zava-dehibe loatra ny fanangonana an’i Isiraely ka nahatonga ny Mpamonjy nanome fitaomam-panahy ny mpaminany fahiny toa an’i Jeremia mba haminany mikasika izany, arivotoana lasa izay. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisaintsaina olana mety handalovan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fomba handresena izany olana izany. Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny heviny amin’ny iray kilasy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny herin’ny Mpamonjy
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity. Raha mila fanampiana izy ireo dia ampatsiahivo azy ny fahagagana nohalalininy tao amin’ny Testamenta Taloha. (Azonao hafohezina ity fifanakalozan-kevitra ity mba hanananao fotoana ampy tsara hanaovana ny lesona.)
-
Inona avy ireo fahagagana na fanehoan-kery lehibe indrindra nataon’ Andriamanitra raha ny hevitrao?
Raha tsy notononin’ny mpianatra ny fanasarahana ny Ranomasina Mena dia asehoy ny sarin’i Mosesy sy ny Ranomasina Mena. Hazavao fa tena mahagaga loatra izany toe-javatra izany ka nahatonga ny olona niresaka izany nandritra ny taonjato maro rehefa nampianatra momba ny hery lehiben’ny Mpamonjy (jereo Hebreo 11:29; 1 Nefia 4:2; Helamàna 8:11).
Eritrereto ireo fahagagana lehibe nataon’ Andriamanitra tany aloha tany eo am-pamakianareo ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity:
Maro dia maro ny zavatra mahafinaritra mbola hitranga. Amin’ny andro ho avy, dia ho hitantsika ny fisehoan’ny herin’ny Mpamonjy izay lehibe indrindrahitan’izao tontolo izao hatrizay (“Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 95)
Vakio ny Jeremia 16:14–15 dia tadiavo ny zavatra hataon’ny Mpamonjy amin’ny andro farany izay hanatantara kokoa noho ny nanafahany an’i Isiraely tany Egypta.
-
Inona no hitanao?
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa i Jeremia, ao amin’ireo andininy ireo dia naminany ny amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.
Raha ilaina dia hazavao fa ny Filoha Nelson dia nampianatra fa ny fanangonana an’i Isiraely dia entina ilazana “ny fanolorana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny lafin’ny voaly roa” (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora maneran-tany, 3 Jona 2018], Médiathèque de l’Évangile). Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fanangonana an’i Isiraely eto amin’ity lafin’ny voaly eto ity.
-
Rehefa mihevitra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany ianao dia nahoana no ho fahagagana lehibe kokoa ny fanangonana an’i Isiraely raha oharina amin’ny fanafahana an’i Israely tany Egypta?
Saintsaino ny hevitrao mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Manan-danja aminao ve ny fanangonana an’i Isiraely? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?
-
Ahoana ny hevitrao mikasika ny fandraisanao anjara amin’izany?
Tahaka ny nataony tamin’i Mosesy dia afaka mampiseho ny heriny mahagaga amin’ny alalanao ny Mpamonjy raha mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ianao. Anio, raha mandalina ny Jeremia 16 ianao dia henoy tsara ny fahatsapana raisinao avy amin’ny Fanahy Masina. Saintsaino ny fomba mety ahafahan’ny Mpamonjy mampiasa anao amin’ity fanangonana lehibe ity.
Fampielezana sy fanangonana
Ao amin’ny Jeremia 16:10–18 ny Tompo dia nanome fitaomam-panahy an’i Jeremia mba haminany ny faharavan’i Isiraely, izay nitranga noho ny fikomian’izy ireo. Nampianatra azy ireo ny Tompo fa “[tsy] takona tamin’ny [masony] ny helony” (andininy 17) ary handefa famaizana sahaza an’izay nataon’izy ireo Izy raha mitohy ny fikomiany.
Vakio ny Jeremia 16:13 ary tadiavo ny zavatra tsy maintsy handalovan’ny Israelita vokatry ny faharatsiam-panahin’izy ireo.
Ampio ny mpianatra hahalala fa i Jeremia dia naminany ny amin’ny fampielezan’ Andriamanitra ny Isiraelita tao Jerosalema ho any amin’ny firenena samihafa noho ny fikomiany. Tanteraka izany rehefa lasa babo tany Babylona ny Isiraelita. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nampielezan’ny Tompo ireo olo-marina tahaka an’i Lehia sy ny akohonany, izay nentina tany amin’ny kaontinanta Amerikana mba hiarovana ny ain’izy ireo tamin’ny olona ratsy fanahy (jereo 2 Nefia 10:20–21).
Ao amin’ny Jeremia 16:14–15, dia naminany i Jeremia fa amin’ny andro farany ny Mpamonjy no hampiseho ny heriny amin’ny fanangonana an’i Isiraely hiverina Aminy sy amin’ny Fiangonany.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity manaraka ity miaraka amina namana iray na anaty vondrona kely.
Vakio ny Jeremia 16:16 ary tadiavo ny fampitahana nataon’ny Tompo mikasika ny olona izay manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.
-
Nahoana no mety ho fanoharana mety tsara ho an’ny olona manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ny fanjonoana sy ny fihazana?
-
Inona no nianaranao mikasika ny anjara asantsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely?
Miaraka amin’ireo fahamarinana hafa mety hozarain’ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa miantso antsika hitady an’i Isiraely niely patrana sy hitondra azy ireo hiverina Aminy i Jesoa Kristy.
Nampianatra izao manaraka izao mikasika io fanangonana lehibe io ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fanangonana no fomba ahafahana maneho tsara indrindra ny fanekena fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10]. Tena tsotra tahaka izany ilay izy. Manangona ireo zanak’ Andriamanitra isika amin’izao andro farany izao mba hahazoan’izy ireo “fitahiana lehibe aidina eo ambony lohany” [3 Nefia 10:18] sy ny fampanantenanan’ny “harena mandrakizay” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18]. Manaraka izany dia mila misiônera isika mba hanangonana an’i Isiraely. (“Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo,” Liahona, Nôv. 2023, 52)
-
Inona no ampianarin’ny teny nambaran’ny Loholona Rasband anao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Mandray anjara amin’ny fanangonana
Afaka mamaly ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra hitanisa ireo valinteny ireo eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona no mety ho olana ananan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fanangonana an’i Isiraely?
Mba hanampiana ny mpianatra hiatrika izany olana izany dia azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto.
Azonao alamina ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary mandalina zavatra samy hafa ny mpianatra tsirairay. Rehefa nahavita izany izy ireo dia afaka mifampianatra ny zavatra nianarany.
Misafidiana iray amin’ireto fandalinana samy hafa manaraka ireto. Miomana hizara izay olana heverinao fa tena novahan’ilay andinin-tsoratra masina sy ny anton’izany.
-
Vakio ny Jeremia 1:6–9 ary tadiavo ny tenin’ny Tompo raha niantso an’i Jeremia hizara ny filazantsara Izy.
-
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12, 16–17 ary tadiavo izay nampianarin’i Joseph Smith ny Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany izay mifandray amin’ny fizarana ny filazantsara.
-
Vakio ny Mosesy 6:32–34 mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo rehefa niantso an’i Enoka hizara ny filazantsara Izy.
-
Mitadiava soratra masina hafa izay heverinao fa hanampy amin’ireo olana voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy na tsiroaroa na anaty vondrona kely maromaro.
-
Rehefa nandalina sy niezaka namaha ireo olana voasoratra teny amin’ny solaitrabe ianareo dia inona no nianaranareo mikasika ny Mpamonjy?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra nianaranao mikasika Azy amin’ny fanirianao hizara ny filazantsara amin’ny hafa?
Manaova drafitra
Omano ny mpianatra hanao drafitra hizarana ny filazantsara. Azonao atao ohatra ny mandefa horonan-tsary toy ny “Des moyens simples pour aimer, faire connaître et inviter pour les jeunes” (2:50), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ohatra. Afaka mijery fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara ny mpianatra. Afaka mizara fomba hafa fanampiny izay tonga ao an-tsainy ihany koa izy ireo avy eo.
-
Inona no traikefa azonao na ny olona fantatrao tamin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin’ny hafa?
Afaka mizara ny traikefa rehetra azonareo ianareo. Avy eo dia asehoy amin’ny mpianatra ity teny nambara manaraka ity mba hahafahan’izy ireo mijery izany eo am-pamolavolany ny drafiny.
Nanao izao fanasana manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Tsy misy zava-mitranga manan-danja kokoa eto amin’ity tany ity mihoatra noho ny fanangonana an’i Israely ho Azy. Ampahafantaro ny Rainareo any An-danitra fa te hanampy ianareo. Angataho Izy haniraka anao hiasa amin’izany asa be voninahitra izany. (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], Médiathèque de l’Évangile.)
Manaova drafitra manokana amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa ao amin’ny diary fandalinanao. Alohan’ny hanaovana izany drafitra izany dia mety hanaraka ny fanasan’ny Filoha Nelson ianao amin’ny fanehoanao amim-bavaka amin’ny Ray any An-danitra ny fanirianao hanampy amin’ny fanangonana an’i Israely.
Azonao ampidirina ao anatin’ny drafitrao manokana izay fahatsapana rehetra mety ho azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Azonao ampidirana amin’izany, ohatra, ny olona tianao hizarana ny filazantsara, toy ny olona tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana na olona tsy mandray anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonana. Hevero ihany koa ny hampiditra ny fomba sy ny fotoana ahafahanao mizara izany amin’izy ireo.
Hevero ny hamarana izany amin’ny fahatsapana anananao mikasika ny Mpamonjy sy ny fitondrana fanampiana amin’ny fitondrana fanahy eo Aminy.