Seminera
Jeremia 1: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro … ary … notendreko”


“Jeremia 1: -Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro … ary … notendreko,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Jeremia 1: -Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro … ary … notendreko,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Lesona 130

Jeremia 1

“Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro … ary … notendreko”

Jeremiah is clothed in sackcloth.  He stands dramatically, illuminated from behind before a leading priest while others look on from behind.

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izay nanomana anao ho amin’ny andraikitrao amin’ny fiainana an-tany? Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nomen’ny Ray any An-danitra andraikitra masina ny zanany mba hotanterahina eto amin’ny fiainana an-tany. Ohatra amin’izany i Jesoa Kristy (jereo 1 Petera 1:19–20) sy i Jeremia (jereo Jeremia 1:5). Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hanana faniriana hanatanteraka ny tanjony masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mitrotro zaza vao teraka izy sy hisaintsaina ireto fanontaniana roa ireto:

Sahanasa fianarana azo atao

Miomàna hianatra

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra fa ny Ray any An-danitra dia mahalala azy ireo ary manana tanjona masina ho azy ireo, dia asao izy ireo haka sary an-tsaina izao toe-javatra manaraka izao. (Azonao ovaina mba ho mety kokoa amin’ny mpianatrao ilay toe-javatra iainana. Ohatra amin’izany ny mpampianatra mandrisika azy ireo hahazo naoty ambony amin’ny taranja sarotra iray.)

Alaovy sary an-tsaina hoe mandrisika anao hanatratra tanjona sarotra ny mpanazatra, toy ny fihazakazahana amin’ny halavirana 1,5 km ao anatin’ny fotoana fohy anatin’ny daty voatondro.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ity toe-javatra iainana manaraka ity amin’ny fanirianao hanatanteraka izany sy ny fatokisanao fa ho vitanao izany?

  • Ilay mpanazatra izay efa mahalala tsara anao dia efa niara-niasa taminao aman-taonany ary nanomana manokana izany fanamby izany ho anao.

  • Mpanazatra vaovao hafa tsy mahafantatra anao no nanome io fanamby io ho an’ny ekipa rehetra.

Asehoy ity fanombanan-tena manaraka ity hanampiana ny mpianatra hisaintsaina fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahalala azy ireo tanteraka sy ny tanjony masina (Fanamarihana: Hasaina hiverina amin’ity fanombanan-tena ity ny mpianatra ao amin’ny Lesona 148: “Tombany ny fianaranao 9.”)

Aiza ho aiza no hametrahanao ny tenanao (1 – marina momba ahy; 10 – tsy marina momba ahy) amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto? Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny antony nanomezanao isa toy izany ny teny nambara tsirairay.

  • Mino aho fa mahalala ahy mihoatra lavitra noho ny olona hafa rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Mino aho fa nomen’Izy Ireo tanjona masina azoko tanterahina miaraka amin’ny fanampian’Izy Ireo aho.

  • Te hamantatra sy hanatanteraka ny iraka masina nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

Asao ny mpianatra hihaino tsara ny eritreritra sy fahatsapana voarainy avy amin’ny Fanahy Masina eo am-pianarany bebe kokoa mikasika ny tanjona masin’izy ireo.

“Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro … ary … notendreko”

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra momba an’i Jeremia dia afaka manontany azy ireo izay mety ho fihetseham-pony ianao raha mangataka azy ireo hanao zavatra sarotra ny Tompo, toy ny mandray fitenenana ao am-piangonana, mampianatra lesona, manao asa fitoriana, sy ny sisa.

Mety nahatsapa zavatra toy izany i Jeremia rehefa niantso azy ho mpaminany ho an’ny fanjakan’i Joda ny Tompo. Mety hahaliana ny mpianatra ny mamantatra fa naminany tao Jerosalema tamin’ny vaninandron’i Lehia i Jeremia (jereo ny 1 Nefia 7:14).

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Jeremia 1:4–5 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Jeremia 1:4–5 sy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity. Avy eo dia fintino izay nianaranao mikasika ny fifandraisantsika amin’ny Tompo.

14:25
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny fanahinao dia misy mandrakizay. Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama Mpaminaniny: “Efa nofinidy ianao talohan’ny nahaterahanao” (Abrahama 3:23). Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany tamin’i Jeremia sy ny maro hafany Tompo. Nilaza izany koa aza Izy mikasika anao.

Efa nahafantatra anao nandritra ny fotoana ela be ny Rainao any An-danitra. Ianao, amin’ny maha-zanany lahy na zanany vavy anao, dia nosafidiany ho tonga etỳ an-tany amin’izao fotoana izao indrindra, mba ho mpitarika iray ao amin’ny asany lehibe eto ambony ny tany. Nosafidiana ianao tsy noho ny toetoetranao ara-batana fa noho ny toetoetranao ara-panahy. … (“Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, Nôv. 2013, 107)

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Jeremia 1:4–5 sy ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa talohan’ny nahaterahantsika dia efa nahalala antsika ny Tompo ary nanome antsika andraikitra manokana ho tanterahina eto amin’ny fiainana an-tany.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hametraka izay fanontaniana ananany mikasika izany fahamarinana izany. Raha mametraka fanontaniana tsy mbola tena nahazoana valiny mazava avy amin’ny Tompo izy ireo dia isaory ny amin’izany fanontaniany mampieritreritra izany kanefa mitandrema mba tsy hanome valiny avy amin’ny eritreritrao manokana.

Mety hanampy amin’ny famaliana ny fanontanian’ny mpianatra ireo teny nambara ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny.

Raha mila ohatra ahitana olona hafa nantsoina ho amin’ny andraikitra manokana eto amin’ny fiainana an-tany dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto: Lioka 1:13–17, 1 Nefia 11:14–20, Môzià 3:5–10, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56.

Araka ny fanontaniana sy ny filan’ny mpianatrao dia misafidiana iray na maromaro amin’ireto fizarana telo amin’ny lesona ireto izay heverinao fa mety hanampy betsaka azy ireo.

Safidy 1: Ny fampanantenan’ny Tompo

Amin’ireto fandalinana ny soratra masina manaraka ireto dia azonao atao ny manentana ny antsasaky ny mpianatra hanisy marika ny torohevitra nomen’ny Tompo ary ny antsasany hafa hanisy marika ny fampanantenana nataon’ny Tompo. Avy eo dia asaivo mitady namana izay nanisy marika zavatra hafa ny mpianatra mba hifampizara izany.

Avy eo dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rehetra ao an-dakilasy ireto fanontaniana manaraka ireto.

Vakio ny Jeremia 1:6–9, 17–19 ary asio marika ny torohevitra sy fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Jeremia manoloana ny fahatsapany ho tsy mahavita azy.

  • Ahoana no mety nanampian’ny fampanantenanan’ny Tompo an’i Jeremia hahita ny antsony amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no notenenin’ny Tompo tamin’i Jeremia ka mety hanampy anao androany amin’ny andraikitra izay nomen’ny Tompo anao?

Safidy 2: Zava-dehibe ny fahalalako ny tanjoko masina

Mba hanampiana ny mpianatra hanam-panirina handalina sy hanantanteraka ny tanjony masina dia azonareo atao ny mijery ny “Ilay taranaka nofinidy,” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra faha-5:43 ka hatramin’ny faha-7:14. Izy io dia mampiseho ny fitahiana azon’ny tovolahy iray rehefa nahafantatra ny tanjony masina izy.

11:23
  • Ahoana no hanampian’izany anao hahafantatra ny andraikitra masina nomen’ny Tompo anao?

Safidy 3: Mamantatra ny tanjoko masina

Asao ny mpianatra hikaon-doha anaty vondrona kely maromaro ary hitady valiny betsaka araka izay tratra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny roa minitra. Avy eo dia entano izy ireo hanao ny listr’ireo hevitra hitany eny amin’ny solaitrabe.

Mety hizara valinteny toy ireto ny mpianatra: mamaky ny tsodranon’ny patriarika, vavaka, fanambarana ho an’ny tena manokana, maka torohevitra avy amin’ny olona akaiky ny fo ary milofo amin’ny antso.

  • Ahoana no ahafahako mahafantatra ny andraikitra masina nomen’ny Tompo ahy?

Asehoy ity teny nambara manaraka ity. Asao ny vondrona tsirairay hisafidy ny iray amin’ireo sosokevitra efatra nomen’ny Loholona Pingree ary hifanakalo hevitra momba ny mety hanampian’izany sosokevitra izany ny tanora iray hahatakatra ny andraikitra masina nomen’ny Ray any An-danitra azy.

Ny Loholona John C. Pingree Jr. ao amin’ny Fitopololahy dia nizara zavatra efatra azontsika atao mba hahatakarantsika ny andrikitra nomen’ny Tompo antsika:

Official Portrait of Elder John C. Pingree, Jr.  Photographed in March 2017.

Voalohany, mifantoha amin’ny hafa. …

Faharoa, fantaro sy ampitomboy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. …

Fahatelo, ampiasao ny fotoan-tsarotra. …

Ary fahefatra, miantehera amin’ Andriamanitra. Rehefa manontany Azy amin’ny tena finiavana isika, dia haneho amintsika ny andraikitsika masina Izy. (“Manana asa ho anao Aho,” Liahona, Nôv. 2017, 33–34)

Mahafantatra ahy ny Tompo

Mba hanampiana ireo mpianatra hizara izay nianarany sy tsapany androany dia entano izy ireo hanao ireto manaraka ireto. Amporisiho ny mpianatra hanaraka izay bitsika mety ho azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina eo am-panaovana izany.

Manorata hafatra ho an’ny tenanao any aoriana any ao anaty diary fandalinanao ary ny zavatra nianaranao androany no ampiasao hanoratana izany. Soraty izay tianao hotsaroana mikasika ny fahalalan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao sy ireo andraikitra masina nomeny anao.

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Jeremia 1:4–5 dia ny hoe, “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa … notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia hita ao amin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”