“Tombano ny fianaranao 9: Jeremia–Joela,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Tombano ny fianaranao 9: Jeremia–Joela,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tombano ny fianaranao 9: Lesona 148
Tombano ny fianaranao 9
Jeremia–Joela
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrany sy ny fivoarana tsapany nandritra ny fandalinany ny Jeremia–Joela.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara andalan-tsoratra masina iray izay manan-danja amin’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba anampian’io andalan-tsoratra masina io azy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny fandalinana nataon’ny kilasinao momba ny Jeremia–Joela dia mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa ankoatra izay notombantombanana tato amin’ity lesona ity. Raha izany no izy dia amboary hifanaraka amin’ny zava-misy ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoaran’ireo mpianatra avy amin’ireo vokatra nifantohan’ny kilasinao.
Ato amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanombantombana ny fivoaran’izy ireo amin’ireto lafiny manaraka ireto ny mpianatra:
-
Fanazavana ireo faminaniana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Lesona 118: “Isaia 29”; Lesona 140: “Ezekiela 37”; ary ny Lesona 143: “Daniela 2.”)
-
Mahatsapa ny herin’ny iraka masina nampanaovina azy ireo. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ireo fampianarana ao amin’ny Lesona 130: “Jeremia 1.”)
-
Mandray anjara amin’ny fanangonana an’ny Isiraely. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia miainga avy amin’ireo fampianarana ao amin’ny Lesona 132: “Jeremia 16.”)
Mieritrereta fomba hanampiana ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tenany manokana eo am-pamalian’izy ireo ny fanontaniana sy hanaovany fanehoan-kevitra ato amin’ity lesona ity. Fomba iray hanaovana izany ny manontany ny tenanao hoe: “Inona no azoko anontaniana azy ireo?” na “Inona koa no azoko anasana azy ireo mba hataony?” Afaka manasa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba hanampiana ny mpianatra hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy ny fametrahana ireo karazana fanontaniana ireo.
(Mba hahazoana fiofanana fanampiny momba ireo fanontaniana fanaraha-maso izay manasa ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy,” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra).
Lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa
Azonao atao ny manampy ny mpianatra hiomana hanombantombana ny fianarany amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ianarantsika matetika avy amin’ny fakana tahaka ny hafa. Ohatra, ianaran’ny ankizy amin’ny alalan’ny fakana tahaka ireo fitondrantena fototra. Mety ho tianao ny mizara lesona nianaranao avy amin’ny fakana tahaka olona iray.
-
Iza no olona ezahinao alaina tahaka? Inona no nianaranao avy amin’ny fakana tahaka azy ireo?
Hevero ny hampiseho sarin’ny Mpamonjy eo am-pifanakalozan-kevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Alohan’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia mety hahazo tombony ny mpianatra raha manana fotoana hisaintsainana ireo fanontaniana ireo na amin’ny alalan’ny famaliana izany ao amin’ny diary fandalinany.
-
Inona avy ireo fomba sasany ezahinao hakana tahaka ny Mpamonjy?
-
Inona no nianaranao tao amin’ny seminera na tamin’ny fandalinanao manokana izay manampy anao haka tahaka ny Mpamonjy?
Ny ambin’ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hamerina hijery amin’ireo zavatra sasany nianarany tao amin’ny seminera. Asao ny mpianatra hanohy hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny zavatra ianaran’izy ireo manampy azy ireo hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hahatongavana tahaka Azy.
Azavao ireo faminaniana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany.
Ity fizarana ao amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanazava ireo faminaniana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hanao famerenana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha Isaia 29:13–14; Ezekiela 37:15–17; ary Daniela 2:44–45. Mba hanaovana famerenana ireo andalan-tsoratra masina dia azon’ny mpianatra atao ny maka iray amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary manao ireto manaraka ireto:
-
Mamaky ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
-
Mamerina mijery ny zavatra nasian’izy ireo marika na nosoratany tao amin’ny soratra masiny na tao amin’ny diary fandalinany momba ilay andalan-tsoratra masina.
-
Mamerina mijery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ilay toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Rehefa avy nanao famerenana ny amin’ireo faminaniana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny Testamenta Taloha ireo ny mpianatra dia hevero ny hizara azy ireo mba handeha tsiroaroa.
Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera miara-mitory miomana hampianatra lesona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo. Miaraha miasa mba hamoronana drafitry ny lesona tsotsotra momba ny zavatra izay ho ampianarinareo. Ao anatin’ny drafitry ny lesonareo:
-
Vakio sy hazavao ny iray na maromaro amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
-
Mitanisà antony roa na telo ilàna Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany eto an-tany ankehitriny.
-
Zarao ny zavatra tsapanao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.
Rehefa avy nomena fotoana ampy hiomanana dia asao ny mpiara-miasa hampianatra namana mpiara-miasa hafa. Na azonao asaina ny mpiara-miasa vitsivitsy hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba nitahian’izany ny fiainanao.
Mahatsapa ny herin’ny iraka masina nampanaovina anao
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainany vao haingana izay maneho fa mahafantatra azy ireo Andriamanitra ary manome azy ireo andraikitra manokana mba hotanterahina ety amin’ny fiainana an-tany. Ho an’ireo izay efa nandray ny tsodranon’ny patriarika dia amporisiho izy ireo hieritreritra teny na andian-teny avy amin’ny tsodranon’ny patriarika izay maneho izany.
Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianaran’izy ireo teo aloha momba ny tanjon’ Andriamanitra ho azy ireo, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao izao manaraka izao miaraka amin’ny namana iray:
Avereno jerena ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hahatsiarovana ny zavatra nianaranao momba ny fahalalan’ny Tompo anao sy ny tanjonao masina:
-
Jeremia 1:4–5
Fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra handrefy ny fivoarana sy ny fiovana teo amin’ny faniriany ny mampiseho ireto tari-dresaka manaraka ireto izay nampiasain’izy ireo tany am-piandohan’ny Lesona 130: “Jeremia 1.” Asao ny mpianatra hamerina hijery ao amin’ny diarin’izy ireo ny zavatra nosoratany tao amin’io lesona io mba hahitana ny zavatra tsapany tamin’izay fotoana izay.
Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamaky ireo hafatra nosoratany ho an’ny tenany any amin’ny faran’ity lesona ity.
Ahoana ny hanombantombananao ny tenanao (1 = marina raha ny amiko; 10 = tsy marina raha ny amiko) amin’ireto fanambarana manaraka ireto. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny anton’ny isa nomenao ho an’ny fanambarana tsirairay.
-
Mino aho fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra ahy tsara kokoa noho ny olona hafa rehetra.
-
Mino aho fa nomen’ Izy Ireo tanjona masina izay azoko tratrarina aho miaraka amin’ny fanampian’ Izy Ireo.
-
Te hahafantatra sy hanatanteraka ny asa masina nanirahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ahy aho.
Asao ny mpianatra hanombantombana ny fivoarany ao amin’ireo fanambarana telo etsy ambony ireo amin’ny alalan’ny firaketana ny zavatra nianarany sy niainany vao haingana ka nanana hery mitaona tamin’ny finoany sy ny faniriany.
Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely
Nandritra ny Lesona 132: “Jeremia 16,” dia nasaina ireo mpianatra hanao drafitra ho an’ny tena manokana amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa. Mety nikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina ny mpianatra mikasika ny hoe iza no azon’izy ireo hizarana ny filazantsara, ary koa ny fomba sy ny fotoana ahafahan’izy ireo manao izany. Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny lesona sy ny drafiny dia azonao atao ny mamaky ny Jeremia 16:14–16.
Hevero ny hampiseho ireto kisary manaraka ireto. Asao ny mpianatra hamorona kisary mitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ary hameno ny efajoro amin’ny iray na maromaro amin’ireo tari-dresaka.
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra izay vonona hifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy momba ny zavatra niainan’izy ireo. Mitadiava fomba hiderana sy hamporisihana ny mpianatra amin’ny ezaka ataony mba hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manome tranganfanararaotra ny mpianatra hanao drafitra vaovao ombam-bavaka mba hanohizana ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo olona manodidina azy ireo.