“Hosea: Ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hosea: Ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Hosea 1–6; 10–14; Joela: Lesona 146
Hosea
Ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo
Ao amin’ny bokin’i Hosea ny Tompo dia nampiasa ny fanambadian’i Hosea sy i Gomera mba ho tandindona hampianarana an’ Isiraely momba ny fitiavany ao amin’ny fanekempihavanana izay tsy mety lefy. Tahaka an’i Isiraely, indraindray isika dia mety hivily lalana hiala amin’ny Tompo sy ny fanekempihavanana nataontsika Taminy. Na izany aza, dia mbola mijanona ho mahatoky sy tia antsika foana i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fitiavana tsy mety lefy sy ny famindram-pon’ny Tompo ho azy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra niainany ka nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Ho fanombohana ny fotoam-pianarana dia omano ny mpianatra mba hitady ny mety azo hampiharana ny tantaran’i Hosea sy i Gomera amin’ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao. Ny fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny rafi-tantara tahaka ity manaraka ity.
Mpinamana be nandritra ny herintaona i Holy sy i Hanta. Nandritra izany fotoana izany dia lasa nifanakaiky sy nifanohana tao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ireo. Nizara zavatra sasantsasany izay nanahirana azy i Hanta. Nampanantena i Holy fa tsy hizara izany zavatra izany amin’ny olon-kafa. Nony andro vitsivitsy anefa dia tsikaritr’i Hanta fa nolazain’i Holy tamin’ny naman’izy ireo hafa ny olan’i Hanta.
-
Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Hanta dia inona no eritreritra sy fahatsapana mety ho nanananao?
-
Nahoana no mety ho sarotra ny hamela an’i Holy?
Hevero ny hanazava fa izany dia ohatra iray amin’ny fomba mety hahatsapantsika ho voafitaka na noratraina am-po rehefa misy olona tsy nanaja ny fampanantenana nataony. Na dia mety hamaly ireo toe-javatra ireo amin’ny fomba tsy mahasoa aza isika, ny Tompo kosa dia mamaly amin’ny fomba hafa.
Ny bokin’i Hosea dia mampianatra momba ny fifandraisan’ny mpivady. Matetika ny Tompo no mampiasa ny fanambadiana ho tandindon’ny fifandraisantsika ao amin’ny fanekempihavanana Aminy ao amin’ny soratra masina. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny fanekempihavanantsika dia miteraka “fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana izay ifamatoran[tsika sy ny Tompo] mba hifampatoky sy tsy hivadika” (“Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 6).
Indraindray dia mivadika amin’ny Tompo ireo zanak’ Andriamanitra ary miala amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy. Rehefa mandalina ny bokin’i Hosea ianao anio dia tadiavo ny zavatra tsapan’ny Tompo sy ny ataony amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany na dia rehefa niala Taminy aza izy ireo.
Hosea sy Gomera
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tantaran’i Hosea sy i Gomera dia hasehoy na fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.
Jereo ny fizarana Loharanom-pitaovana fanampiny ato amin’ity lesona ity ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny didin’ Andriamanitra ho an’i Hosea mba hanambadiany an’i Gomera.
I Hosea dia mpaminany tany amin’ny Fanjakana Avaratra tany Isiraely izay naminany tamin’ny vanimpotoanan’i Isaia. Nandidy an’i Hosea ny Tompo mba hanambady an’i Gomera na dia teo aza ny naha mpijangajanga sy mpivarotena azy. Nanan-janaka telo i Hosea sy i Gomera (jereo ny Hosea 1:2–8).
Azonao atao ny manazava fa i Hosea dia miresaka ho an’ny Tompo momba an’i Gomera, izay maneho ny vahoakan’i Isiraely. Hevero ny hanisy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe. Ny soratra atao amin’ny tsanganana iray dia hoe Misolo-tena ny Tompo i Hosea ary eo amin’ilay iray hafa dia sorato hoe Maneho an’i Isiraely i Gomera.
Vakio ny Hosea 2:5, dia tadiavo ny zavatra nolazain’i Hosea fa nataon’i Gomera. Ny hoe “reninareo” dia entina ilazana an’i Gomera.
-
Amin’ny fomba ahoana ny zavatra nataon’i Gomera no mety haneho ny vahoakan’i Isiraely?
Azonao atao ny manazava fa ny fivadihan’i Gomera tamin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiany tamin’i Hosea dia naneho ny fivadihan’i Isiraely ara-panahy amin’ny fanekempihavanan’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra. Raha hitanao fa hanampy, dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny 2 Mpanjaka 17:14–16, ka hitady ny fomba nandikan’i Isiraely ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo.
Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny soratra masina amin’izy ireo dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ity manaraka ity. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra, eo ambanin’ny hoe Maneho an’i Israely i Gomera.
-
Amin’ny fomba ahoana indraindray ny olona amin’izao androntsika izao no miala amin’ny Tompo sy amin’ny fanekempihavanana nataony Taminy?
Ny mpianatra dia mety hizara zavatra toy ny hoe sahirana loatra ka tsy afaka manao zavatra ho an’ny Tompo, mampiasa tsy araka ny tokony ho izy ny teknôlôjia, mitondra ny hafa amin’ny fomba tsy mendrika, manao zavatra hafa ho laharam-pahamehana mihoatra ny Tompo, na fahotana goavana kokoa. Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina io lisitra io na zavatra hafa rehefa misaintsaina ity tari-dalana hoenti-mandinika manaraka ity izy ireo.
Diniho ireo fomba mety hahatonga anao ho alaim-panahy handika ny fanekempihavananao na ireo fomba mety hahatonga anao ho tafala amin’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo ho azy ireo dia azonao ampiasaina ilay taratasy zaraina hoe “Mahatakatra ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo.” Azon’ny mpianatra atao ny miasa samirery mba hamporisihana ny fisian’ny fisaintsainana mangina sy ombam-bavaka, na afaka miasa ao anaty vondrona misy mpitarika voatendry izy ireo mba hitarika ny fifanakalozan-kevitra ataony. Eo am-piasan’ny mpianatra dia mandehana mivezivezy manerana ny efitrano ka valio arak’izay ilaina ireo fanontanian’ny mpianatra.
Mianatra momba ny Tompo
Asao ny mpianatra hizara ireo fanambarana fahamarinana izay nosoratan’izy ireo tao amin’ilay taratasy zaraina. Azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny feo mafy na manoratra ny fanambarany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Misolo tena ny Tompo i Hosea. Mety hanoratra fahamarinana toy izao manaraka izao izy ireo:
-
Feno fitiavana sy famindram-po i Jesoa Kristy na dia rehefa miala Aminy aza aho.
-
Manasa ny vahoakan’ny fanekempihavanany hibebaka sy hitandrina ny fanekempihavanany i Jesoa Kristy.
Eo am-pizaran’ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana ny mpianatra hanana fifandraisana mazava amin’ny soratra masina: “Inona no ampahany amin’ilay tantara nanampy anao hianatra izany momba Azy?” na “Ahoana no nahitanao io fahamarinana momba Azy io izay naseho tamin’ny alalan’i Hosea?”
Alohan’ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity dia asaivo jeren’ny mpianatra ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe izay misy ireo fomba hiviliantsika lalana indraindray ka hiala amin’ny Tompo sy amin’ny fanekempihavanantsika Aminy.
-
Ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao momba ny Tompo manampy ireo zatovo izay mahatsapa ho kivy na menatra satria niala tamin’ny Tompo izy ireo?
Alohan’ny hametrahana ny fanontaniana manaraka dia mety ho fahendrena ny manoro hevitra ireo mpianatra mba tsy hizara zavatra mahakasika loatra ny tenany manokana, toy ny fahotana natao taloha ohatra. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainanao manokana.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fanehoan’ny Tompo ny fitiavany sy ny famindram-pony teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olon-kafa fantatrao?
Manehoa fahatakarana
Rehefa manana fahafahana hanazava na hisaintsaina ny zavatra nianarany ny mpianatra dia afaka manasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo bebe kokoa izany. Ny fomba iray hanaovana izany dia ity sahanasa fanoratana fohy manaraka ity.
Misafidiana iray amin’ireto manaraka ireto.
-
Manorata hafatra iray. Mieritrereta olona iray (mety ho ianao izany) izay mety mahatsapa fa nivily lalana lavitra loatra ny Tompo ka tsy afaka ny ho voavela intsony. Manorata hafatra fankaherezana ho an’io olona io ary zarao ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay heverinao fa afaka manampy azy.
-
Manorata famariparitana. Ahoana no hamariparitanao ny toetoetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy miainga avy amin’ny zavatra nianaranao na tsapanao androany?
Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra fa tahaka an’i Gomera, afaka misafidy isika ny hanaiky ny fanasana feno fitiavana atolotry ny Tompo ny hibebaka sy hiverina Aminy rehefa nivily lalana. Hevero ny hamarana amin’ny fanomezanao fijoroana ho vavolombelona momba ny Tompo.