Seminera
Joela: “Handatsaka ny Fanahiko Aho”


“Joela: -Handatsaka ny Fanahiko Aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Joela: -Handatsaka ny Fanahiko Aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Hosea 1–6; 10–14; Joela: Lesona 147

Joela

“Handatsaka ny Fanahiko Aho”

Water pouring on hands.

Fotoana tena mampientanentana hiainana eto an-tany izao! Faminaniana sy fampanantenana maro avy amin’ny Tompo no eo an-dalam-pahatanterahana. Anisan’izany ny fampanantenan’ny Tompo hoe: “Handatsaka ny fanahiko amin’ny nofo rehetra aho” (Joela 3:1; jereo ihany koa ny Joseph Smith—Tantara 1:41). Eritrereto ange—tian’ilay Mpahary izao tontolo izao hotahiana amin’ny alalan’ny Fanahiny ianao! Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahafahan’izy ireo mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Fanomanana ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ilay fanontaniana hoe: “Inona no azoko atao mba handraisako fanambarana ho an’ny tena manokana bebe kokoa eo amin’ny fiainako?” Asao izy ireo hisaintsaina fomba samihafa ahafahan’izy ireo mamaly izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mijery ny soratra masina na ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mangataka ny olona izay atokiany ny valin’ilay fanontaniana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fahafahantsika mandray fanambarana ho an’ny tenantsika manokana

Hevero ny hitondra fitoeran-javatra manana habe isan-karazany ao an-dakilasy na manaova sarin’ny sasantsasany amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Ohatra, azonao atao ny mitondra (na manao sary eny amin’ny solaitrabe) kaopy kely sy tavoara ary siny lehibe. Azonao atao ny mangataka mpianatra hizara hoe fitoeran-javatra inona no hosafidian’izy ireo hanangonana rano, vola, na fitaovana hafa ary hanazava ny antony nisafidianany izany fitoeran-javatra izany.

Zarao ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana miaraka aminy miaraka amina namana iray na ao anaty vondrona kely. Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe fahafahana [mandray] dia mety hidika hoe ny fetra betsaka indrindra mety ho zakan’ny fitoeran-javatra iray.

Nanome izao fanasana manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.“ Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo fitoeran-javatra samihafa mba hanazavana amin’ny olona iray ny dikan’ny hoe “mampitombo ny fahafaha[ntsika] ara-panahy mandray fanambarana?”

    Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny fanasan’ny Filoha Nelson dia azonao atao ny manondro ireo fitoeran-javatra ary manasa ireo mpianatra hisaintsaina mangina ny fahafahan’izy ireo ara-panahy manokana mandray fanambarana. Azon’izy ireo atao ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny valin-teniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Fitoeran-javatra inona no tsapanao fa maneho tsara indrindra ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana amin’izao fotoana izao? Nahoana?

  • Lafiny inona eo amin’ny fiainanao no mety ilanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana betsaka kokoa avy amin’ Andriamanitra?

Azonao atao ny manazava fa ny seminera dia manolotra fahafahana “hanao ny asa ara-panahy takiana” mba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana. Amporisiho ny mpianatra hanao ezaka toy ny fanaovana vavaka mangina, fanehoan-kevitra, fanisiana marika ny soratra masina, na firaketana an-tsoratra ireo eritreritra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Rehefa mirotsaka an-tsehatra sy mandray anjara amin’ny alalan’ireo fomba ireo izy ireo dia afaka mampianatra azy ireo ny tokony hatao mba hampitomboan’izy ireo ny fahafahany mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana ny Fanahy Masina.

Handrotsaka ny fanahiny Andriamanitra

Naminany momba ireo zava-mitranga mahatsiravina izay hialoha ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany i Joela (jereo ny Joela 2:1–11). I Joela ihany koa dia naminany momba ireo fampanantenana lehibe izay hotanterahin’ny Tompo mba hanampiana ny vahoakany amin’ny andro farany.

Vakio ny Joela 2:21 sy ny andalana voalohany ao amin’ny andininy 22 sy 23. Asio marika ny torohevitra nomen’ny Tompo ireo zavaboariny amin’ny andro farany.

  • Inona avy ireo “zava-dehibe” nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka afaka manampy anao “[tsy] hatahotra” sy “[hifaly]”?

Vakio ny Joela 2:27, 3:1–2, ary tadiavo ny zavatra lehibe nampanantenain’ny Tompo fa hataony amin’ny andro farany.

  • Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo ka azo raisina ho “zava-dehibe”?

    Mety hilaza fahamarinana maro ny mpianatra, anisan’izany ny hoe handrotsaka ny Fanahiny amin’ny olon-drehetra ny Tompo amin’ny andro farany. Hevero ny hizara fa namerina io faminaniana io ny anjely Môrônia rehefa nitsidika an’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:41).

  • Inona avy ireo fomba samihafa handrotsahan’ny Tompo ny Fanahiny?

    Mety hifono hevitra sy fahatanterahana maro samihafa io faminaniana io. Ny fomba iray handrotsahan’ny Tompo ny fanahiny amintsika dia amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fanambarana ho an’ny tena manokana.

    Raha nitondra fitoeran-javatra tao an-dakilasy ianao dia azonao atao ny mampiseho ny fahasamihafana eo amin’ny mandraraka, mampikoriana, ary ny mamafy rano ao anaty fitoeran-javatra iray. Ifanakalozy hevitra ny hevitry ny hoe mampanantena ny handrotsaka ny fanahiny amintsika ny Tompo.

  • Ahoana no ahafahantsika mamantatra ilay fanambarana arotsaky ny Tompo amintsika?

    Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana ilay fanontaniana teo aloha dia azonao atao ny manasa ny antsasaky ny mpianatra hamaky ny Galatiana 5:22–23 ary ny antsasany iray hafa hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13, dia hizara ny zavatra hitany avy eo. Mety hahazo tombony ihany koa ny mpianatra amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny hevitr’ilay andian-teny hoe nofo rehetra ao amin’ny Joela 3:1 izay hazavaina misimisy kokoa ao amin’ny andininy 2. Ampio izy ireo hahatakatra fa io fampanantenana io dia natao ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra na vehivavy na lehilahy.

  • Inona no ampianarin’izany anao momba ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho anao?

Mampitombo ny fahafahantsika mandray

sary famantarana ny seminera Mba hanampiana ny mpianatra hianatra ny fomba “hanaovana ny asa ara-panahy” ilaina mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana dia azonao omena azy ireo tsirairay ny tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Mampitombo ny fahafahanao mandray fanambarana.”

Hevero ny hametraka ny mpianatra ao anatina vondrona misy olona telo dia omeo fanambarana mitokana avy amin’ny ampahany voalohany amin’ilay taratasy zaraina mba hohalalinina ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia afaka mizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra izay nianarany ireo mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mamita ao anaty vondrona na samirery ny dingana faharoa ao amin’ilay taratasy zaraina.

Rehefa nahavita ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hisafidy sosokevitra iray na roa izay tsapan’izy ireo fa tena hanampy indrindra ireo zatovo mba handray fanambarana ho an’ny tenany manokana. Asao izy ireo hanoratra ireo sosokevitra ireo amin’ny taratasy hafa ary hametraka izany ao amin’ilay fitoeran-javatra lehibe indrindra nentinao tao an-dakilasy. Azonao atao ny maneho fa ilay fitoeran-javatra lehibe indrindra dia afaka maneho ny filantsika mampitombo ny fahafahantsika mandray fanambarana.

Hevero ny hanoratra ireto toromarika manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

Zarao ny iray amin’ireto manaraka ireto izay mifandray amin’ilay sosokevitra:

  1. Zavatra niainana manokana

  2. Torohevitra vitsivitsy

  3. Soratra masina na teny nambara

  4. Fanontaniana iray

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy, mandeha tsirairay hisintona taratasy iray avy ao amin’ilay fitoeran-javatra. Azon’izy ireo atao ny mamaky amin’ny iray kilasy ny sosokevitra azony dia misafidy zavatra iray eny amin’ny solaitrabe izay tian’izy ireo hozaraina na angataho ny iray kilasy hizara.

Eritrereto ny fotoana malalaka anananareo ao an-dakilasy sy ny fahavitrihan’ireo mpianatrao hifanakalo hevitra rehefa mamaritra ny isana sosokevitra horesadresahana ianao. Alaivo antoka ny hamela fotoana ampy hampiharan’ny mpianatra ny zavatra nianarany.

Ampiharo ny zavatra izay nianaranao

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fatokiana ananan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny amin’ny fahafahan’ny zatovo mandray fanambarana, dia azonareo jerena ny “2020 Temple and Family History Leadership Instruction” manomboka amin’ny mari-potoana 56:06 ka hatramin’ny 58:29, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka tamin’ireo fiadidian’ny zatovo mikasika ireo fanamboarana natao mba hampandraisana anjara azy ireo bebe kokoa amin’ny asa famonjena.

59:35

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona fa te handrotsaka ny Fanahiny ary hiresaka amin’ny olona rehetra ny Tompo, ka anisan’izany ireo mpianatrao. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fahafahany mandray fanambarana eo amin’ny fiainany. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fanomezana ireto torolalana manaraka ireto:

  1. Eritrereto indray ny zava-misy eo amin’ny fiainanao izay mety ilanao fanambarana ho an’ny tena manokana betsaka kokoa avy amin’ Andriamanitra.

  2. Manaova sarina fitoeran-javatra izay handrotsahana zavatra ao anatiny ao amin’ny diary fandalinanao.

  3. Soraty eo amin’ny fitoeran-javatrao ny zavatra iray na roa hataonao mba hampitomboana ny fahafahanao mandray ny fanambarana izay arotsaky ny Tompo aminao. Azonao atao ny manampy antsipirian-javatra manokana mikasika ny fomba hiezahanao hanao ireo zavatra ireo amim-pahombiazana.

Afaka manasa mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nosoratany ianao.